“Tompoko, moa vitsy ihany va no ho voavonjy?” Fanontaniana manitikitika ny saintsika koa io.[1] Ny tena marina dia fitadiavana fitokisana satria raha maro ihany no ho voavonjy dia mety ho moramora no hahazoana ny famonjena. Tsy fifaninanana na “concours” anefa ny famonjena fa “ezaka”. Tian’i Jesoa hahitsy izay fisainana izany. Tsy ny isan’ny voavonjy no tokony hifantohan’ny saintsika fa ny tokony hatao mba hahazoana famonjena.
Manamafy izany ny Vak.I (Iz 66, 18-21) izay milaza fa ny tsy mahalala ny Tompo aza hovoriany hidera ny voninahiny. Tsy sanatria tsy akory hilazantsika izany hoe tsy ilaina ny miezaka mahalala[2] an’Andriamanitra. Ny ezaka ataontsika dia ny mba ho fantatry ny Tompo.
Tsy ampy ny mihinana sy misotro miaraka aminy mba ho fantany (and. 26). Tsy ampy ny mitantara ny fampianarany. Ilaina ny miala amin’ny fahazaran-dratsy mba hahafahana miditra amin’ny varavarana ety. Raha fintinina araka izany dia mila mibebaka mba ho voavonjy.
Misy zavatra sasany anefa manitikitika ny saina ihany. Anisan’izany ny varavarava ety. Mety hilaza manko isika hoe “fa maninona no atao tery ny varavarana? Toa mifanohitra ihany izany teny izany satria manambara ny tsy fahaizan’ny mpandrafitra!” Dia ho sanatria ve Ilay mandrafitra ny Fanjakana no tsy mahay sa nahoana no nataony ety io varavarana io?
Ny antony anaovana tery ny varavarana dia tsy misy afa-tsy ny fahatahorana ny fahavalo mety hisompatra. Ka nefa raha izay indray dia ho sanatria ve tsy mahefa ny zavatra rehetra ny Andriamanitsika ka hatahotra izay fahavalo mety ho avy handringana ny ondriny?
Ety tokoa io varavarana io, sady tsy misy afa-tsy tokana (jereo eto) : i Kristy irery ihany. Tsy varavarana fe varavarana no hidirana araka izany fa i Kristy. Mila miditra ao amin’i Kristy izay te hiditra amin’ny fanjakana. Fa ahoana izany miditra amin’ i Kristy izany?
Fanasana no ataon’i Jesoa ho antsika. Izay te-hiditra dia afaka miditra. Tsy maintsy mitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakarana anefa (jereo ny evanjely tamin’ny alakamisy sy ny fanazavana). Tsy ampy hahafantaran’i Kristy antsika, araka ny nolazaiko teo am-piandohana, ny mihinana sy misotro miaraka aminy. Mila mitafy azy isika, hoy i Md Paoly, mila miara-maty aminy ny amin’ny fahotana mba hiara-belona aminy koa.
Ilay fanontaniana nanitikitika ny sain’ny mpiara-dia tamin’i Jesoa “moa vitsy no voavonjy?” dia noho Izy nilaza fa tsy ireo heverina ho nianjeran’ny Tilikambo na ireo novonoin’i Heroda akory no tena mpanota fa raha tsy mibebaka isika dia ho very avokoa isika rehetra (Lk 13,1-5). Mba hidirana amin’ny varavarana ety ary araka izany dia mila fanetren-tena, mila ny fiekena ny halemena sy ny fahotana. Izay ihany no hahafahana mibebaka.
Aza adino fa ny fanoharana nolazain’i Jesoa mialoha ity Evanjely androany ity dia momba ny voatsinapy sy ny lalivay. Tsy ho sanatria any ivelan’ny Fanjakana no hampitomboana ny koba. Miaraka amin’i Kristy no mampitsiry sy hampiroborobo ny voatsinapy. Izy no fototra ary isika no rantsana (Jn 15, 1ss). Izay fiombonan’aina miaraka amin’i Kristy izay no manery antsika hiova famindra, hazavain’ny finoana, ary vonona handray ny famaizan’ny Tompo (vak II).
Ndeha ary samy handini-tena raha mendrika ny anarana maha-kristianina antsika tokoa isika? Ny hahalalana fa mpianany manko isika dia ny fifankatiavana manjaka amintsika (Jn 13, 35).
[2] Ny fiezahana hahalala manko dia porofom-pitiavana.