“Tonga hanipy afo ety an-tany aho, ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany sahady!” Izay no anombohan’i Jesoa hilazana amintsika ny iraka nahatongavany : ny mission amin’ny maha-Kristy (voahosotra) azy : hanipy afo… Mampahatsiaro antsika koa ny fiantsoana an’i Moizy izany afo mirehitra izany : afo mirehitra fa tsy mahalevona ny kirihitra (Eks 3, 3).
Afo manambara ny Fisian’Andriamanitra eo anivontsika, fisiana izay tsy mahafoana ny maha-antsika antsika (hevitry ny kirihitr’ala tsy may) fa kosa voaantso hampiseho amin’izany maha-antsika antsika izay ny fahalehibeazan’Andriamanitra, ilay mpanafaka ny vahoakany. I Moizy manala ny Kapany, satria “mandia tany masina” dia milaza ny fahatsiarovan-tenany ho malemy , araka ny fitenin-drazantsika hoe : mandiha tany ka mety ho solafaka…
Afo mirehitra, afo manambara ny fitiavana izany. Dia efa mahazatra antsika ny mahita ny sarin’ny Fo masin’i Jesoa mirehitr’afo : mirehitra fitiavana. Ny mahalasa ny saina anefa dia ny nanoizan’i Jesoa ny filazana ny mission nanirahana azy : “tsy tonga hitondra fiadanana aho, fa fisarahana aza (and. 51)…”
Dia ahoana no hilazantsika isaky ny lamesa hoe : “Ry Jesoa Kristy Tompo, Ianao nilaza tamin'ny Apôstôlinao hoe: Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan'ny Eglizinao; ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao.” (jereo eto ny vavaka mialoha ny komonio) raha toa ka hitondra fisarahana i Jesoa?
Manampy antsika hahazo izany ny nolazain’ny Olomasina iray hoe : “Manome antsika ny fiadanana Andriamanitra fa tsy mamela antsika hidonanam-poana”.[1]
Ny Fiadanana izay andikana ny hoe Paix amin’ny tenintsika eo amin’ny sehatry ny finoana na dia mahadika azy bebe kokoa aza ny hoe fandriam-pahalemana, dia ny fahafahantsika miaina ny maha-antsika antsika, araka ny nolazaiko tetsy ambony. Inona ny maha-antsika antsika? Ahoana no hihainantsika ny maha-kristianina antsika?
Mampandinika ahy ny nolazain’ity mpanoratra iray ity momba ny Fivavahan’ny Tompontsika hoe :
“aza milaza hoe Ray raha tsy miaina ny maha-zanak’Andriamanitra isan’andro… aza lazaina fa hoe Rainay raha toa ka mahafinariitra ano ny mikombona ao amin’ny fitiavantenanao… aza milaza hoe any an-danitra raha tsy misaina afa-tsy ny ety an-tany… aza milaza hoe hohamasinina anie ny anaranao raha tsy hajainao akory izany… aza milaza hoe ho tonga anie ny fanjakanao raha toa ka ny afangaronao amin’ny fanjakazakana ara-nofo ihany izany… aza milaza hoe ho tanteraka anie ny sitraponao raha toa ka tsy hohekenao ny sitrapony rehefa tojo ny sarotra ianao…
Aza milaza hoe omeo anay ny hahinay isan’andro raha toa ka tsy raharahanao akory ireo tsy manan-ko hanina sy tsy ampy fivelomana… aza milaza hoe avelao ny fahotanay raha tsy vonona akory ny hamela ny heloky ny hafa ianao… aza milaza hoe aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay raha mahafaly anao ny mikiribiby ao anatin’ny toe-pahotana… aza milaza hoe : manafaha any amin’ny ratsy raha tsy vonona akory hitolona handresy ny ratsy ianao. Ary milaza hoe AMEN raha tsy hinoanao akory izay vavaka ataonao.
Dia izay no hahazoantsika mahazo ny fifanoherana mety hisy eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny satria izay tsy momba an’i Jesoa dia manohitra azy… Voaantso ho vavolombelon’ny fitiavana ny kristianina, voaantso haneho amin’ny fiainany fa Andriamanitra no ambonin’ny zavatra rehetra (vavaka fanombohana) eny fa na dia nety hampifanohitra amin’ny havana aman-tsakaiza aza izany.
[1] Dio ci dà la Pace ma non ci lascia in Pace (Dieu nous donne la paix mais ne nous laisse pas en paix (tranquille)” (Fraçois d'Assise)