"Alahady 16 taon D"

"Ny omby aloha vao ny sarety"

Maro ny mpanao famoaboasana ity an-dalan-tsoratra masina mikasika an’i Marta sy i Maria ity no manisy tsindrim-peo hilazana ny fahambonian’ny safidin’i Maria izay nipetraka nihaino ny Tompo fotsiny fa tsy nanampy tamin’ny asa fanompoana. (Lk 10, 38-42). Misy koa anefa ireo izay be fihetseham-po loatra ka te-ho Kristianina mihoatra an’I Kristy tenany amin’ny filazana ny mifanohitra amin’izay teny nambarany. Tsotsoriko eto ny mba fahazahoako ny fampianaran’I Jesoa amin’ity Evanjely ity.

Andraikitra roa mifameno fa tsy mifanohitra? Raha jerena maimaika amin’ny fihetseham-pon’olombelona tsotra ity fihetsik’izy mirahavavy manoloana an’I Jesoa ity dia mazava tokoa fa andraikitra roa mifameno ny fihainoana sy ny fanompoana fa tsy mifanohitra loatra (action et contemplation). Alao sary an-tsaina tokoa anie hoe tsy nisy nikarakara izy mirahavavy fa samy nipetra nihaino teo daholo e. Tsy nisy sakafo vonona rehefa vita ny resadresaka… Tsy ratsy akory ny asa fanompoana fa na Izy Jesoa koa aza namahana ny apostoliny sy ireo tonga nihaino ny fampianarany tamin’ny fotoana nilany an’izany. Raha fandraisana vahiny no jerena dia mazava fa zavatra roa mifameno ny fandraisana ny vahiny (miteny aminy sy mihaino azy) sy ny fikarakarana ny zavatra handraisana azy, ka raha misy iray banga dia misy zavatra tsy feno. Fa naninona ary anefa ny Tompo no nanome rariny an’i Maria eto?

Anjara tsara indrindra, tsy halaina aminy: Samy nandray ny Mpampianatra amin’ny fombany avy izy roa ireto. Saingy i Maria no nahazo rariny satria nanao izay tena ilaina indrindra (une seule chose est nécessaire.)[1] Nomen’ny Tompo rariny i Maria satria izy no mampiseho bebe kokoa ny fombafomban’ny tena mpianatra (attitude) izay mahay mijery ny zavatra manan-danja indrindra (araka ny fijerin’Andriamanitra, manao ny sitrapony): “mihaino ny Teniny aloha vao manao ny fikarakarana ny latabatra.” (Asa miainga amin’ny Tenin’Andriamanitra= à la lumière de la Parole de Dieu).Md Lioka rehefa miresaka mpianatra (disciple) dia tia mampiasa ny hoe “nipetraka teo an-tongony”. Toy izany ohatra ilay olona avy nositranin’i Jesoa (Lk 8,35), sy I Md Paoly: “nianatra ny lalàna teo ambany tongotr’i Gamaliely” (Asa. 22, 3). Miaingana amin’io indrindra isika eto dia afaka milaza fa i Maria, izay nahazo ny fandokafan’i Jesoa no anisan’ny mpianatra “disciple” vehivavy voalohany. Nahatsapa izy fa ny Vahiny noraisiny dia tsy ny hamahana azy loatra no tena zavatra fa ny mihaino ny Teniny aloha mba hanaovana araka izay sitrany avy eo.

Fandraisana anjara: Fomban’ny olona asaina ny mitondra fandraisana anjara kely toy zava-pisotro na voan-kazo. I Jesoa eto dia mitondra ny “Teniny” ho fandraisany an-jara. Nahatsapa ny hasarobidin’izany Teniny izany i Maria ka nampandefitra ny asa mba hihaino Azy, hany ka na dia tsy nety aza ny nataony amin’ny fijerin’olom-belona dia tsy izany kosa no fijerin’i Jesoa azy: izy no nifidy ny zavatra tena ilaina indrindra, ny anjara lehibe izay tsy halaina aminy mandrakizay.

Ny omby aloha vao ny sarety: Mampahatsiahy antsika ary ity fampianaran’i Jesoa ity fa misy ny zavatra mainka indrindra hoan’ny fiainam-panahin-tsika. Maro no asa soa mety mahasoa ny mahantra na sahirana, maro no fanompoana mety manampy azy ireo izay tsy iza fa endrik’Andriamanitra ihany. Saingy raha tsy mitandrina isika dia mety hahazo ny valin-teny azon’i Marta ihany koa hoe: “maro fanahiana loatra ianareo fa misy zavatra tokony handeha aloahan’izany aloha.” Manainga antsika hanisy vidiny kokoa ny fandalinana ny Soratra Masina izany: ny famakiana azy ary ny fandinihana ny hafatra tiany hampitaina. Mety ho an-dalan-tsoratra iray monja ao dia ampy hampiova tanteraka ny faharesen-tsika lahatra sy ny fomba fifandraisan-tsika amin’Anandriamanitra sy ny namana. Raha azontsika tsara ny Teniny, ny asa fanompoana rehetra dia hanaraka hoazy satria arakaraky ny fahazoana ny hafatra apetrany sy ny fitiavana Azy no maha marina kokoa (araka ny sitrapony) ny asa fanompoana ataontsika. Tsara ny asa fanompoana, fa izay asa tian’Andriamanitra hatao no tena ilaina fa tsy izay mahafinaritra antsika fotsiny. Tsara ohatra ny mampifaly zaza mahantra, ka nefa sao faly mahazo ny fankasitrahan’izy ireo fotsiny isika, nefa any amin’ny be antitra izay tsy miteny sy tsy mitsiky kely akory na omena izao tontolo izao aza no tena indrasan’Andriamanitra antsika. Izany no tokony iaingana mandrakariva amin’ny fihainoana ny Teny aloha vao manompo, mba tsy ho diso làlana.Samia mazotoa aby e. Se afara koa!!!!!!!!!!


[1] Izy tsy nilaza hoe « une seule chose est utile » satria samy ilaina izy roa « utile » fa ny fihainoana no « nécessaire ».

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0438