Amin’izao fetin’ny olomasina izao dia ireo hasambarana valo ao amin’ny evanjelin’i Md. Matio no atolotry ny Fiangonana hodinihintsika. Ao amin’ny fiekem-pinoantsika dia misy hoe “Izaho mino ny fiombonan’ny Olomasina”, izany hoe mino isika fa misy ireo vahoaka be tsy azo isaina mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana midera sy mankalaza ny Zanakondry araka ny voalazan’ny vakiteny voalohany androany. Ireo olomasina izay efa nahavita ny fiainany tety an-tany “nanasa sy nanadio ny ankanjony tamin’ny ran’ny zanakondry” ka mihanoka ny tena fahasambarana eo anilan’Andriamanitra. Misy amin’izy ireo ny fantatsika ny anarany, voasoratra na tsia ao amin’ny tononandro, fantatsika ny fiainana niainany, fa ny maro dia tsy fantatsika ary misy sasany izay tsy ampoizintsika. Andriamanitra ihany tsinona no mahalala sy nifidy azy ireo ho eo anilany.
Na izany aza anefa dia nanome ny fanalahidy vitsivitsy hidirana ho ao anatin’ny fiombonan’ny olomasina i Jesoa androany, dia ny hasambarana valo izany. Fanalahidy maromaro, mifangaro, kanefa tahaka ny mahazatra an’Andriamanitra dia tsy ny habetsahan’ny fanalahidy ananana matetika no mahavoa trano fa ny hatsarany. Ka ireto fanalahidy voalaza androany ireto dia fanalahidy hafakely satria tsy mifanaraka amin’ilay fiainana mora sy efa mahazatra antsika. Tahaka izany rahateo ny fiainana takiana amin’ny Kristianina, tsy ilay fiainana manara-drian-drano ataon’izao tontolo izao. Ny olon’izao tontolo izao mikatsaka harena, voninahitra, fahombiazana, fa ny Kristianina kosa entanina hiaina ny fahatsorana, ny fanompoana, ny fahantrana am-panahy. Izany indrindra ary no takian’ny fahasambarana androany. Mahantra am-panahy, malemy fanahy, mitomany, noana sy mangetaheta fahamarinana, madio fo, tia fihavanana, miaritra fanenjehana noho ny rariny, tevatevaina sy ampangaina noho i Jesoa. Raha fintinina dia hoe miala ny vesatry ny fiainan’izao tontolo izao rehetra mba ho mora tafiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Toa fiainana sarotra be izany raha atao jery maika. Satria mifanohitra tanteraka amin’ny tanjom-piainana voa-janahary ao anatintsika. Misy anefa ireo ohatra izay azontsika arahina akaiky efa niaina ny fiainana talohantsika. Voalohany indrindra amin’izany i Jesoa izay niaina tanteraka ny fitiavana ireo madinika. Niaina sy nampianatra ny fahatsoram-po sy ny fanetren-tena. Fa ao koa i Masina Maria sy ireo olomasina fantatsika, izay niaina ny sarotra tahaka antsika nefa nahavita niezaka nanana fiainam-pahasambarana. Izany indrindra mantsy no anisan’ny antom-pisian’ny fankalazantsika ny olomasina, dia ny hanarahantsika ny fiainana niainany mba haha-olomasina antsika koa.
Andriamanitra dia miantso antsika rehetra ho olomasina na inona na inona fahotantsika sy tsy fahamendrehantsika. Izy no mifidy sy manome fahamasinana. Ny azontsika atao dia ny miezaka isanandro sy mangataka aminy izany fahamasinana eo aminy izany. Izy ilay manondraka ny orana amin’ny tany lonaka sy ny tany maina. Izy ilay manome ny fahasoavany na ho an’ny ratsy na ho an’ny tsara. Manome fahafahana antsika ho tonga olomasina Andriamanitra ka anjarantsika sisa no miezaka.
Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny Rainareo izay lavorary.
