Ny zavatra anisan'ny tena mahakivy indrindra eto amin'ity fiainana ity dia arakaraka ny hanaovanao soa olona na vondron'olona iray no vao maika hankahalàny sy tsy hitiavany anao. Impiry tokoa isika no tratran'izany. Tsy tsapan'ny olona ny soa atao azy. Izany indrindra no nanjo an'i Jesoa, indrindra hatramin'ny nidirany tao Jerosalema niantsoan'ny olona hoe "Hozana ho an'ilay zanak'i Davida". Fahagagana maro, fanasitranana, famelan-keloka, hatramin'ny fananganana amin'ny maty, ireo no soa nataony, saingy mbola voahombo tamin'ny Hazofijaliana ihany izy satria naleon'izy ireo i Barabasy no navotsotra.
Fantatr'i Jesoa dieny mialoha izany toe-javatra izany. Fantany ihany koa fa tsy maintsy hisy ny mpianatra hamadika azy. Kanefa notohizany ihany ny iraka nampanaovina azy. Tsy nitsahatra ny nanasoa ireto vahoaka nanaraka azy izy. Nampianatra azy ireo. Ka anisan'izany fampianarana izany indrindra ny Evanjely androany. Tsy navelan'i Jesoa hanakona ny asa nataony sy hanakivy azy amin'ny fitiavana nasehony ny fahafantarana fa hisy hamadika azy. Fantany fa misy mpanararaotra sy tsy tia azy akory ireto vahoaka ireo kanefa notohizany hatrany ny fitiavana azy ireo fa tsy nafeniny. Ary fantany fa betsaka ny zavatra hoteneniny no hoentin'ireo mpanora-dalàna hamadihana azy saingy tsy natahotra izy.
"Aza matahotra ny olona ianareo fa tsy misy takona izay tsy haseho." Matetika tokoa ny tahotra no avelantsika handresy ny marina. Lahitokana ny aina, tsy hananam-piry. Kanefa ambony noho ny tahotra ny fahamarinana. Tsy misy marina izay tsy haseho, na takon'ny tahotra vetivety monja aza izy. I Jesoa fahamarinana izay nandresy ny tahotra rehetra no porofo sy modely voalohany amin'izany. Resiny ny tahotra, resiny tamin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty. Ary anisan'ny teniny voalohany nony niseho tamin'ny mpianatra ny hoe "Aza matahotra".
Izay mandresy ny tahotra no mivoaka mpandresy. Ny finoana no mifanohitra amin'ny tahotra, ka izay manam-pinoana izany no mivoaka ho mpandresy. Nahoana tokoa moa no hatahotra raha ny Tompo no momba? "Ny Tompo no mpiandry ahy ka tsy mba hanan-tahotra aho" hoy ny salamo. Tsy ho avelan'ny Tompo ho resy izay mitoky aminy. Ny voro-manidina tokoa ara karakarainy, vao mainka fa isika izay nohariany hitovy amin'ny endriny? Tsy misy avelany ho latsaka an-tany izay manankina ny fiainana aminy.
Koa misikina finoana ara isika. Reseo ny tahotra. Asehoy ny marina. Reseo amin'ny fahamarinana ny fisalasalana... Reseo amin'ny soa ny ratsy.
Ry Fo Masin'i Jesoa, matoky anao izahay.
