Maro ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy

Alahady Faharaika ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Noho ny fahagagana nataon'i Jesoa isak'izay toerana nandalovany dia nanomboka betsaka ny olona nanatona sy nanaraka azy. Ny teny nomeny rahateo, araka izay hoe maha vaovao mahafaly azy izay, dia mitondra fitoniana, mitondra fankaherezana. Vahoaka mangetaheta fanafahana tokoa no manatona an'i Jesoa, fanafahana tsy ho an'ny vatana ihany fa ho an'ny fanahy koa indrindra indrindra. Ary izany indrindra no nampihetsi-po azy satria tahaka ny ondry tsy misy mpiahy izy ireo. Tahaka ny vary tsy misy mpijinja.

Ny fanoharana voalohany noraisin'i Md Matio eto dia hoe tahaka ny ondry tsy misy mpiahy. Ny ondry tsy misy mpiahy dia miahaka, hoy isika Malagasy, ondry miparitaka. Rehefa tsy misy mpiahy ny ondry dia samy manao ny ataony, manimba volin'olona satria tsy voafehy ny hanoanany. Ny ondry tsy misy mpiambina dia mora tafihan'ny amboadia, ary tsy manana hery hanoherana ny mpanafika. 

Ny vary tsy misy mpijinja indray, izay sarin-teny nampiasain'i Jesoa faharoa, dia very fotsiny, lò sy simba. Rehefa tsy ampy ny mpijinja dia tsy tafakatra an-tanàna ny vokatra ka mety hiteraka hanohanana.

Ny vahaolana voalohany nomen'i Jesoa dia izy mihitsy no nilatsaka ho mpiandry tsara. I Jesoa no mpiandry ondry tsara ka izy mahalala ny ondriny ary ny ondriny mahalala sy manaraka azy. Tsy te hiasa irery anefa i Jesoa fa dia niantso mpianatra hiara-miasa aminy, dia ny apostoly. Tsy hoe tsy vitany ny asa ataony, tsy hoe tsy vitany akory ny miahy ireo ondry, fa mila ny fandraisantsika andraikitra koa izy. Dia nandendry ireo mpianatra izy sy naniraka azy ireo hijinja ny vokatra. Mpianatra samihafa firazanana, samihafa fomba, samihafa antom-pivelomana. I Jesoa no miantso sy maniraka azy ireo ary ny hanafaka ny vahoaka no iraka hampanaoviny azy. Hitory ny fanjakan'ny lanitra, hanasitrana ny marary, hanangana ny maty.

Amin'izao fotoana izao dia mbola mangetaheta fahafahana ny vahoaka, tsy fahafahan'ny vatana ihany fa fahafahan'ny fanahy koa indrindra indrindra. Ny Fiangonana no nirahin'i Jesoa hitondra vahaolana amin'izany. Nasaina hivavaka hitomboan'ny mpijinja ny Fiangonana. Koa andeha isika hivavaka mba hiantefa ao am-pontsika izany antso hitondra fanafahana izany. Hitomboan'ny pretra sy relijiozy aloha voalohany indrindra, satria izy ireo no iraka manokana hitondra ny vaovao mahafaly. Fa hivavaka koa isika hahafahantsika mirotsaka bebe kokoa eo amin'ny sahan'ny Tompo amin'izay adidy tokony hataontsika avy. Ny sahan'ny Tompo dia ny firenena, ny fiaraha-monina misy antsika. Mangetaheta fahamarinana sy fahafahana ny vahoaka, inona no tokony hataontsika hanampy azy ireo? 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0074