Izaho no vavahadin’ny ondry

Alahady Fahaefatra amin'ny Paka

Homba antsika mandrakariva anie ny fiadanan’ny Tompo.

Tamin’ny heriny isika dia nihaino ny tantaran’ireo mpianatra roalahy tany Emaosy izay nahafantatra an’i Kristy nandritra ny famakiany ny mofo. Nisokatra ny mason’izy ireo ka tsaroany tamin’izany ny fandresena izay nampanantenain’i Kristy. Niverina ny fanantenany ka lasa niverina tany Galilea izy roalahy nitantara tamin’ny mpianatra.

Inoana fa anisan’ny fampianarana tsaroan’izy ireo ity voalazan’i Jesoa androany ity. Ny Evanjely androany dia milaza fa i Kristy no hany vavahady tokana hidirana ao am-bala. Izany hoe avy amin’ny alalany ihany no hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Hevero ho toa ny tanàna lehibe iray mifefy avo dia avo ny fanjakan’ny lanitra. Ny avy any ivelany tsy tafiditra ary ny avy ao anatiny tsy tafavoaka raha tsy mandalo vavahady tokana dia i Kristy izany. Amin’ny alalany no hahafahana mivezivezy, izy no sady visa no pasipaoro.

Vavahady tokana i Jesoa nefa vavahady misokatra ho an’ny rehetra izay maniry hiditra ao aminy. Tsy misy fanavakavahana. Ny fepetra hidirana ao amin’izany vavahady izany dia ny fiainana ny fitiavana izay hany didy tokana. Ny fitiavana ihany no takiany ho an’ireo izay maniry hiditra  ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Tsy misy fanavahana loko, karazana, fiangonana, fiaviana. Fa na iza na iza miaina ny fitiavana ka maniry handalo ao amin’i Kristy vavahady dia tafiditra ao anaty vala.

Izany tsy fanavahana izany indrindra no asehon’ny vakiteny voalohany nalaina tao amin’ny Asan’ny Apostoly androany. Nahatsiaro tena sy resy lahatra ireo Jody vokatry ny toritenin’i Piera ka naniry ny hibebaka. Hoy indrindra i Piera “Ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any”. Tsy voatokana ho an’ny karazan’olona na karazam-piangonana sasany fotsiny ny famonjena fa ho an’ny rehetra. Ny fepetra tokana dia mandalo amin’ilay vavahady.

Eto am-pamaranana dia hotsindriko kely ny mikasika an’i Masina Maria. Ho antsika Katolika mantsy dia volana manokana hanajana an’i Masina Maria ny volana mey. Misy ireo amin’ny fiangonana hafa manome tsiny antsika amin’ny fanomezan-danja an’io Renin’i Jesoa io eo amin’ny fiainantsika. Averimberin’izy ireo amin’izany matetika ny hoe “I Kristy irery no mpanalalana.” Hitantsika androany fa tena marina mihitsy ary eken’ny finoana Katolika ny maha vavahady tokana an’i Jesoa. I Jesoa irery tokoa no mpanalalana. Isika rehetra anefa dia mifanampy sy mifampitarika ho any amin’izany Jesoa vavahady tokana izany. Betsaka mantsy ny vavahady sandoka mety mamitaka. Koa isaorantsika ireo zoky sy ray am-panahy manoro lalana antsika hanatona ilay vavahady tokana. Ireo zoky sy ray am-panahy ireo dia ekentsika, vokatry ny fiofanana, sy ny vavaka ataony, fa mitondra antsika any amin’i Jesoa tokoa. Toa azy ireo dia misy koa ireo olomasina izay vokatry ny vavaka sy ny oha-piainana ananany dia mitaona antsika hanatona an’i Jesoa vavahady tokana. Ary indrindra indrindra i Masina Maria izay akaiky indrindra an’i Jesoa ka mahalala azy indrindra. Noho izany fahalalàny an’i Jesoa izany dia atokisantsika fa afaka mitondra antsika ho eo amin’i Jesoa vavahady tokana izy. Ny vavaka isanandro ataontsika dia ny hitondran’i Maria antsika ho eo amin’i Jesoa.

Koa i Masina Maria anie hanampy antsika amin’ny fanatonana an’i Jesoa ilay hany mpanalalana sy vavahady tokana. Tombony ho antsika manana an’i Maria ho reny izany.

P. Emmanuel
Diosezin'Antananarivo

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0156