Arahabaina isika nahatratra ny Paka. Fiarahabana lehibe ho an'ny Kristianina izany satria fety lehibe ny Paka. Nampianarina antsika rehetra tao amin'ny Katesizy kely hoe ny Paka no fety lehibe indrindra. Ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty no fototry ny finoantsika satria raha tsy nitsangana tokoa ny Tompo dia maty ny finoantsika (I Kor 15, 14). Koa ny fampianarana voalohany angamba dia hoe hatraiza tokoa ny fifaliantsika rehefa tonga ny Paka? Hatraiza ny fientanam-pontsika mankalaza ny Paka? Mihoatra ny fankalazana rehetra ataontsika tokoa ve?
Ireo mpianatra niara-niaina tamin'i Jesoa, nahita ny fahagagana nataony, nandre ny filazany ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin'ny maty, dia saro-pinoana. Henontsika tamin'ny Evanjely nitantara ny fijalian'i Jesoa fa niala andaharana ny ankamaroan'ireo mpianatra nony tonga tokoa ny fisamborana azy. Satria sarotra inoana tokoa izany hoe ilay noheverina ho Mesia sy Mpamonjy no manjary nanaiky hosamborina tsy nampiasa hery... hatramin'ny namantsihana azy tamin'ny hazo fijaliana. Saron'ny fahafatesana avokoa ny teny fampanantenana nataon'i Jesoa azy rehetra. Fa nisava izany nony nitsangana tamin'ny maty i Jesoa. Teo vao tadidin'izy ireo avokoa ny teny taloha nataony... fa hay tsy lainga. I Piera sy i Joany, nahita ny fasana foana vao nino. Koa raha ao anatin'ny fisalasalana sy tsy finoana isika noho ny fisian'ny fahafatesana dia amin'izao fotoanan'ny Paka izao indrindra no tokony ho resin'ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty izay fahamaizinana sy manjavozavo rehetra ao amintsika. Tsy mijanona eo amin'ny fahafatesana ny fiainana fa mitohy amin'ilay fiainana maharitra mandrakizay miaraka amin'i Kristy... ary izy Jesoa mihitsy no nanaporofo izany tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty.
Ary izany faharesen-dahatra sy finoana tao amin'ny mpianatra izany dia tsy notazomin'izy ireo ho azy irery, na dia vitsivitsy ihany aza izy ireo no nisehoan'i Jesoa. Fifaliana lehibe izany ka tsy maintsy nozaraina sy nolazaina tamin'ny hafa, mba hifalian'izy ireo koa. Izany fijoroana ho vavolombelona izany no anirahan'i Jesoa antsika vokatr'izao fetin'ny Paka izao. Tsy hitahiry ho antsika irery izany Vaovao Mahafaly izany fa hitory azy eran-tany tahaka ny nataon'ireo mpianatra. Tsy voatery hijoro eny an-dalambe isika na hitabataba eny antsena, satria mety tsy hisy fiantraikany amin'ny olona zara fa maheno fotsiny ny teny hotorintsika, fa hitory amin'ny alalan'ny toetra sy ny fomba fiainantsika. Ny fijoroana vavolombelona voalohany sy mandaitra dia ny fiainana ny fitiavana sy ny fifankatiavana. Ho fantatry ny olona rehetra fa mpianatr'i Jesoa isika raha mifankatia. Koa ny vokatry ny fetin'ny Paka hita maso tokoa dia ny fiainana ny fitiavana eny amin'izay alehantsika rehetra.
