Mankalaza ny Epifania isika anio. Izany hoe ny nisehoan’ny Tompo, na ny marimarina kokoa ny nisehoan’ny Tompo tamin’izao tontolo izao. Araka ny fantatsika tokoa dia nivoatra tsikelikely ny fisehoan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fahaterahan’i Jesoa. Tamin’ireo ray amandreniny aloha, mazava ho azy, avy eo tamin’ireo madinika, tahaka ny mpiandry ondry. Fa tsy nijanona fotsiny tamin’ny vahoaka voafidy, satria dia niseho tamin’ireo majy vahiny ihany koa. Tsy nijanona ho an’ny taranak’i Abrahama fotsiny izany ny famonjena fa nisokatra ho an’ny vazantany efatra. Ireto majy tonga nijery an’i Jesoa ireto dia misolo tena ireo karazan’olona rehetra ivelan’ny taranak’Israely, ary anisan’izany isika.
Nisy fizarana telo ny dian’ireto majy ireto tamin’izao fahatongavany teto anoloan’i Jesoa izao. Ny voalohany aloha dia ny nahitan’izy ireo ny kintana sy ny nanapahan’izy ireo hevitra hanaraka izany kintana izany. Nanomboka tamin’ny fiantsoana azy ireo ny fisehoana. Famantarana ho an’izany fisehoana izany ny kintana. Voasinton’izany famantarana izany izy ireo ka nanapa-kevitra hiainga. Samy manana ny fiantsoana hanatona sy hisehoan’i Jesoa ny tsirairay eo amin’ny fiainana. Ny fahaizana mamantatra ireny famantarana ireny no hanampy antsika hamaly ny antso.
Tamin’ny fizarana faharoa, teny an-dalana ireo majy dia tojo an’i an’i Herôda, izay nanana hevitra hafa. Natoky an’i Herôda izy ireo ka nanontany azy sy naka toky taminy. Nanana hevitra ambadika anefa ity olona nitokisany ity, soa ihany fa rehefa vita ny iraka nataon’izy ireo dia tsy nanaraka izay nolazain’i Herôda izy. Tsy mora ny lalana manatona an’i Jesoa. Misy Herôda maro izay manelingelina. Fa izay manaiky ny fanoroan’Andriamanitra kosa tsy mba ho very.
Ny fizarana fahatelo farany dia ny fanolorana. Rehefa nihaona sy nisehoan’ny Tompo ireto majy dia niankohoka sy nanolotra fanomezana. Ny fihaonana amin’i Jesoa no fara-tampon’ny làlana rehetra nodiaviny. Isika koa rehefa mihaona amin’i Jesoa satria nisehoany dia tonga eny antampon’ny tendrombohitra tahaka ireo mpianatra telo nanatrika ny fiovan’i Jesoa tarehy (Lk 9.28-36). Mihaona amin’i Jesoa isika dia manolotra azy izay ananantsika, ny sitra-po, ny tena, ny faniriana, ny vavaka rehetra. Rehefa vita nefa izany, tahaka ireto majy dia miverina mitondra an’i Jesoa any amin’ny niaviantsika rehetra isika. Tahaka ireo mpianatra nisehoan’ny fiovan’i Jesoa tarehy koa, tsy nijanona teny an-tendrombohitra fa nidina nitory izay hitany.
Dia tahaka izany ny zotram-piainana atao amin’ny fisehoan’ny Tompo na ny Epifania. Koa tahaka izany koa no ataontsika mandritra ny fiainantsika. Misy fotoana maro isehoan’ny Tompo amintsika. Isanandro izy dia miseho amintsika. Amin’ny endrika maro, amin’ny namantsika, ao amin’ny fianakaviantsika, ao amin’ireo mahantra… miandry tolotra avy amintsika. Isaky ny fotoanan’ny Eokaristia koa, mandritra ny Sorona Masina, dia miseho manokana amintsika izy. Amin’ny dingana lehibe eo amin’ny fiainantsika handraisana ireo sakramenta isan-karazany, dia mihaona manokana amintsika izy. Amin’ireny fisehoany ireny dia mandalo ireo dingana nolalovan’ny Majy ireo hatrany isika. Mamantatra ny famantarana, mihaona sy manolotena, miverina mitondra azy amin’ny hafa.
Meteza ara isika ho majy vaovao.
