Izay manandra-tena dia haetry

Alahady Faharoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Tso-drano fanaon’ny Malagasy amin’ny zanaka matetika ny hoe ho tonga amin’ny ambony indrindra. Faniriana sy nofinofin’ny ray amandreny tokoa izany hahazo zanaka lasa lavitra izany, hotsongoin’olom-bolo, mba ho reharehan’ny fianakaviana. Ary ny hiezakezahan’ny tanora amin’ny fianarana, miari-tory, mampijaly tena, dia ny mba ho tafita; ka ny dikan’ny hoe tafita matetika dia ny hoe mahazo toerana ambony. Voa-janahary ao amin’ny olombelona izany ny te hahazo toerana ambony. Tsy olana ho an’ny maha Kristianina mihitsy ny olona tafita. Tsy voarara ny hoe lasa ambony, nahavita fianarana, lasa mpitondra fanjakana. Amporisihana aza ny tsirairay hampivelatra ny maha olona azy eo anivon’ny fiaraha-monina. Fa ny tian’ny Fiangonana avoitra amin’ity androany ity dia ny fomba fampiasana izany fahamboniana izany. 

Izay manandra-tena dia haetry. Izany hoe izay manambony tena, izay miseho ho ambony, izay miavonavona. Ho inona tokoa moa ny fahamboniana, ny fananan-karena, ny fahaizana sy voninahitra raha toa ho an’ny olona samirery ? Ny tenan’olombelona izay tsy haharitra eto amin’ity tany fandalovana ity? Fa mipetraka ho lova kosa izy raha zaraina, hanasoavana ny mpiara-belona. Betsaka ireo olona tena manan-karena no efa tonga saina amin’izany, tsapan’izy ireo fa haharitra kokoa ny anarany raha toa ka hanatsarana ny tontolon’ny fiaraha-monina. Fa ireo salatsalany, ireo mahatsapa tena hoe niady mafy, dia sendra tafita kely, matetika no mieritreritra hoe mendrika ho ahy ny toerako, izaho aza mba nifofotra vao tafita. Anjarako amin’izay no migoka ny valin-kasasarako. Dia manomboka eo ilay fiavonavonana.
Samy manana ny maha-tafita sy maha-ambony azy ny tsirairay. Ny sasany ara-pahaizana, ny hafa ara-pitiavana, ny sasany indray ara-politika, na koa ara-pianakaviana. Mandalo avokoa anefa izany fahamboniana rehetra izany raha tsy entina midina manompo sy manasoa ny hafa. 

I Jesoa no modely voalohany ho antsika amin’ny fanetren-tena. Na nanana ny toetra maha-Andriamanitra azy aza izy dia tsy nitazona izany toetra ambony indrindra izany fa nidina tety an-tany, nifangaro tamin’ny mpanota, mba ho famonjena azy ireo. Ary ny fifangaroana tamin’ny mpanota dia tsy nampihen-danja azy velively fa vao maika naha-ambony ilay iraka nomena azy.

Inona moa ny fanetren-tena nataon’i Jesoa? “Ato amiko ny Fanahy, hoy izy, nanosotra ahy hitory teny mahasoa amin’ny malahelo, naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin'ny mpifatotra sy fahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahorina ary hitory ny taom-pahasoavan'ny Tompo sy ny andron'ny famaliana.” (Lk. 4, 18-19) Ireo no asa nentin’i Jesoa nanetry tena. Raha ireo iraka ireo no ataontsika dia tanteraka ho antsika koa ny fanetren-tena. Mitia sy manompo ny hafa, indrindra fa ireo madinika. Ireo iraka ireo no haha ambony antsika satria tokoa izay manetry tena dia hasandratra.

Sarotra izany, tsy vita raha toa ka amin’ny herintsika olombelona fotsiny. Mila itoeran’ny Fanahy, tahaka an’i Jesoa koa isika. Koa angatahontsika ary ny Fanahy Masina hanova ny fotsika. Ary meteza isika hitoeran’ny Fanahy sy hovain’ny Fanahy.

Ho feno tokoa ny fahamboniana raha iainana anatin’ny fanetrentena.

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083