Tsy maintsy ho voa tsara mba hamokatra voa tsara

Alahady Fahavalo tsotra Mandavan-taona

I Kristy tia hatramin’ny fahavalo no nobanjinintsika tamin’ny alahady teo. Fitiavana tsy manam-petra, izany hoe tsy voasakantsakan’ireo vala famaritana fampiasan’izao tontolo izao. Nanao ahoana no niainantsika izany nandritra iny herinandro iny ? Ezaka isan’andro tokoa mantsy ny maka tahaka an’i Kristy ka isanandro no manontany tena hoe iza indray ny fahavalo notiaviko androany.

Ny fanahafantsika an’i Kristy isanandro toa izany no hahatonga lafatra ny fiainantsika. Tsy nofinofy fotsiny tokoa ny atao hoe tonga lafatra na lavorary. Fanirian’i Kristy ho antsika izany « Aoka ho lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo izay any an-danitra » (Mt. 5, 48), ary omeny antsika isanandro ny fomba hahatongavantsika amin’izany fahalavorariana izany, dia ny Teniny sy ny modely omeny ao anatin’izany Teny izany.

I Kristy tokoa no modely ho antsika hahatratrarantsika ny fahalavorariana, izay no hany hahatonga antsika ho « voa tsara », araka ny voalazan'ny Vaovao Mahafaly androany. Raha manahaka an’i Kristy mantsy isika dia tsy maintsy ho « voa tsara ». Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy. Tsy misy kristianina, izany hoe mpianatr’i Kristy, voa avy amin’i Kristy, tonga voa ratsy satria tsy mifandraika amin’i Kristy sy ny tena maha kristianina ny ratsy. I Kristy no hazo tsara, hazon’ny fiainana, ka ny voa rehetra mivoaka avy aminy dia voa tsara avokoa. Ny Kristianina izany dia tsy maintsy ho « voa tsara » raha tena voa avy amin’i Kristy tokoa.

Inona avy ary no hahalalàna fa « voa tsara » ny Kristianina ? Raha i Kristy tokoa no hazo nipoirany dia ny aina avy amin’i Kristy no hamelona azy. Ny teniny no hamonto ny fiainany. Ny fitiavany no ho hanome endrika azy.

Samy manana ny fotoana fahamasahany ny voa tsirairay, samy manana ny habeny, samy manana ny hamaminy na dia samy voa tsara. Ny Kristianina tsirairay dia samy mizotra amin’ny fahalavorariana. Fifanampiana amin’izany làlana mandeha amin’ny fahalavorariana izany no andrasana amin’ny tsirairay fa tsy fifampitsaràna na koa sanatria fifaminganana. Anisan’ny hevitra tao amin’ny evanjely teo koa izany. Mifanitsy, mifanatsara fa tsy mifampitsara.

Tsy hijanona ho voa tsara ny tena Kristianina fa hanaiky ho zary masomboly, hambolena ka hiteraka hazo tsara vaovao ary hanome voa tsara marobe koa. 

Manana reny mpikarakara ny voa isika, koa angatahantsika i Maria hanalokaloka hatrany ny voa tsara mba tsy halaky haha-maina sy hahasimba azy.

Mompera Mano

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0835