Tamin’ny heriny isika dia namaky ny hasambarana efatra tao amin’ny evanjelin’i Lioka. Hasambarana izay tsy tena mifandraika amin’ny hasambarana eken’izao tontolo izao. Tsy hoe hasambarana tsy feno tsy akory, fa hasambarana mihoatra aza, hasambarana miavaka. Raha ny voky no heverin’izao tontolo izao ho sambatra, dia ny noana kosa no lazain’i Jesoa manana ny hasambarana. Satria tokoa ny noana dia azony fenoina, azony hentsahina. Toa izany koa, ny faly dia efa tonga an-tampony, tsy mila fankaherezana intsony fa ny malahelo no mila izany. Dia toa izany avokoa ny hasambarana nolazain’i Jesoa tamin’ny heriny. Ny tena hasambarana dia ao amin’ny, koa raha fenon’ny hasambarana mora levona isika dia tsy misy toerana intsony ho an’ilay hasambarana tena izy avy aminy.
Tohin’izany vakiteny izany no henontsika tamin’ny evanjely anio. Tahaka ny hasambarana dia fitiavana hafa izay tsy tena mifandraika amin’ny fitiavana eken’izao tontolo izao ny fitiavan’i Jesoa. Tsy hoe fitiavana tsy feno akory, fa fitiavana mihoatra aza. Raha ho antsika dia mijanona eo amin’ireo olona tia antsika ny fitiavana, ho an’i Jesoa kosa dia mitatra ho an’ny rehetra. Fitiavana ho an’ireo tsy fantatsika akory, ary fitiavana ho an’ireo izay mankahala antsika aza. I Jesoa no fitaratra voalohany amin’izany fitiavana izany. Satria dia mbola mpanota isika dia efa maty noho ny famonjena antsika izy. (Rom. 5, 6). I Jesoa tokoa dia mitia antsika na dia resin’ny fakam-panahy matetika aza isika, na dia manota aza isika. Nefa fantatsika tsara fa fahavalon’ny fahamasinan’i Jesoa ny fahotàna. Raha ny tena izy izany dia fahavalony isika, saingy tia antsika izy, ary tsapan-tsika izany. Ny fahatsapantsika izany fitiavany antsika mpanota izay dia vao maika mahatonga antsika hitady fihavanana aminy. Izany no vokatry ny fitiavana mihoatra. Izany no vokatry ny fitiavana fahavalo. Izany no vokatry ny fitiavana tsy misy fetra. Koa toa izany koa, ny fitiavantsika ny fahavalontsika na ny mpankahala antsika dia hiteraka fihavanana. Tsy mora izany, tsy eo no ho eo koa. I Jesoa aza moa maty mihitsy, ary mbola tsy tanteraka hatrany ny fihavanantsika aminy hatramin’izao. Impiry isika no mivadika aminy indray, lasa fahavalony indray, fa izy kosa tsy mitsahatra mitia antsika. Ny fahavalontsika na ireo tsy tia antsika, raha hotiavintsika dia mety tsy ho lasa havana tampoka eo, mila fotoana izany, mila faharetana. Ary mety hivadika koa aza izy. Fa ny tena mpanara-dia an’i Kristy, sy mpaka tahaka azy dia maharitra ao anatin’ny fitiavana. Izay no maha fitiavana tsy misy fetra azy. Izany no fitiavan’i Kristy.
Tsy ho azo amin’ny maha-olombelona fotsiny izany karazam-pitiavana izany. Ao amin’i Kristy irery no hanovozana izany fitiavana izany. Fitiavany izany ka izy no afaka mizara sy mametraka izany ao am-po. Vavaka isan’andro sy ezaka isan’andro no ahafahana manana fitiavana toa izany.
Omeo izany fitiavana tsisy fetra izay ao aminao izany izahay, Tompo. Hitiavanay anao, hitiavanay ny havanay sy ny olon-tianay, ary hitiavanay ny fahavalonay. Amen.
P. Mano