« Dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra »
(Lk. 3: 2)
Mankalaza ny Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana isika androany. Efa voalazantsika tamin’ny Alahady heriny fa izao fankalazana ny Fiaviana izao dia fotoan-dehibe natokana mba hiomanantsika amin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely, izay ahatsiarovana isan-taona ny nahaterahan’i Jesoa Mpamonjy. Efa voalazantsika ihany koa fa tsy hoe hateraka indray ka ho tonga olombelona ety an-tany i Jesoa satria efa tonga namonjy antsika izy ary miandry ny hiaviany amim-boninahitra indray isika koa tsy sasatra ny Fiangonana mampahatsiaro antsika izany. Io fiandrasana ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra io no tena antony lehibe ankalazantsika izao Fiaviana izao ka anavaozana hatrany ny finoantsika an’i Jesoa teraka sy tonga nofo. Fantantsika ihany koa fa nanolotra ny tenany ho faty teo amin’ny Hazofijaliana izy, maty dia nalevina fa nitsangan-kovelona tamin’ny andro fahatelo. Niakatra any andanitra ary mbola ho avy indray hitsara ny velona sy ny maty amin’ny fotoana izay efa voalahatr’Andriamanitra Ray ka tsy misy mahalala izany na ny Zanaka aza, araka ny efa nambaran’i Jesoa.
Manoloana izay fiandrasana ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra izay indrindra no anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay manasa antsika hibebaka sy hiova fo, mba ho mendrika sy ho vonona tanteraka handray azy, na ovian na oviana fotoana hahatongavany. Mazava ho azy fa izao fankalazana ny Fiaviana izao dia natao indrindra mba hanampy antsika handini-tena sy hibebaka ary hanavao ny fiainana mba hifanaraka amin’ny maha Kristianina vita Batemy antsika. Io Sakramenta io mantsy no mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra sy ho afaka amin’ny fahotana tamin’ny fototra ka isaky ny mibebaka isika, indrindra rehefa mandray ny Sakramentan’ny Fampihavanana dia manavao hatrany izay fahasoavana noraisina tamin’ny Batemy izay satria araka ny ambaran’ny Evanjely androany dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany i Joany zanak’i Zakaria, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka.
Ambaran’ity Evanjely ity tokoa fa « tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena, ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra» (Lk. 3: 1 – 2). Voalaza mazava tsara eto fa tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra. Tena voafaritra mazava tsara eto fa tsy Joany hafa tsy akory no nandray ny tenin’Andriamanitra fa i Joany zanak’i Zakaria, izany hoe i Joany Batista. Araka ny hita amin’ity Evanjely ity izany dia tena voaporofo ny fisian’i Joany Batista izay nanomana ny fahatongavan’i Jesoa Mpamonjy. Tsy angano noforonina izy io fa tena nisy tokoa ary azo porofoina aran-tantara mihitsy ny fisiany. Voalohany indrindra dia fantatra mazava tsara satria voalaza eto ny anaran’ny rainy dia i Zakaria. Manaraka izany dia voafaritra ihany koa ny taona nisehoan’izany tantara izany sy ireo olona samy hafa tompon’andraikitra teo amin’ny finoana sy ny fiarahamonina Jody tamin’ny fotoana nahatongavan’ny tenin’Andriamanitra tamin’i Joany.
Manoloana izany dia mampahatsiaro antsika ny Fiangonana mba tsy hisalasala amin’izao fankalazana ny Fiaviana izao fa hino sy hatoky tanteraka fa ny Mpamonjy izay andrasantsika amim-boninahitra dia tena nisy tokoa ary vavolombelona nanambara izany i Joany Batista izay nanadray tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra ka nanambara izany tamin’ny olona rehetra satria araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity « dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe : Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe : Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany ; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra » (Lk. 3: 3 – 6).
Amin’izao fotoana ankalazantsika ny Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana izao dia mitodika amintsika ihany koa i Joany Batista ka mitory ny batemim-pibebahana ho famelan-keloka. Marina fa indray mandeha ihany fa tsy averimberina ny fandraisana ny Sakramentan’ny Batemy ka ny fandraisantsika ny fitoriana ny batemim-pibebahana ho famelan-keloka dia midika fa io Batemy noraisintsika io dia tsy maintsy ivelomana ary tena mamela ny heloka vitantsika tokoa. Saingy amin’ny maha olombelona marefo dia latsaka amin’ny fahotana hatrany isika ary mila ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ka mba hahafahantsika mahazo izany dia tsy averina atao Batemy indray isika fa omen’ny Fiangonana ny Sakramentan’ny Fampihavanana izay lalan-tokana andraisana ny Famindram-pon’Andriamanitra sy ny famelan-keloka avy aminy.
Averimberina amintsika hatrany fa rehefa mandray io Sakramenta io isika dia Andriamanitra mihitsy no mamela heloka fa ny Pretra dia toy ny fitaovana ampiasainy fotsiny ihany mba hahafahany mampita izany fahasoavana izany. Noho izany dia tsy miakina amin’ny fahamendrehana na tsy fahamendrehan’ny Pretra ny fahazoana ny famelan-keloka rehefa mandray ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika, fa noho ny fitiavan’Andriamanitra maimaim-poana. Na izany aza anefa dia tena manana adidy lehibe tokoa ny Pretra hampifanaraka ny toe-piainany amin’ny Sakramenta zarainy ho an’ny olona izay manantona azy amim-pinoana. Miara-mivavaka ary isika androany mba tena ho vonona hibebaka marina tokoa amin’ireo fahotana vitantsika, amin’izay dia ho afaha hiandry amim-pitoniana ny fahatongavan’i Jesoa amim-boninahitra indray.
P. Louis Martin
Assomptionniste