“Efa voalazanao. Mpanjaka aho”
(Jn 18, 33-37)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
“Dia niditra tao an-trano Pilaty, ka niantso an'i Jesoa sy nanao taminy hoe: Moa mpanjakan'ny Jody va hianao? Jesoa namaly hoe: anao samy irery izany teny izany, sa an'olon-kafa nilaza ahy taminao? Dia namaly Pilaty nanao hoe: F'izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra anao tamiko, ka inona no nataonao?
Jesoa namaly hoe: Tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain'ny Jody aho; fa tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakako. Dia hoy Pilaty taminy: Koa mpanjaka izany hianao? Ary novalian'i Jesoa hoe: Efa voalazanao. Mpanjaka aho. Teraka aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko”.
Alohan’ny fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra androany dia tsy ho haiko ny tsy hiarahaba antsika rehetra tratran’ny Fetin’i Kristy Mpanjaka; enga anie i Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao hanome ny Heriny sy ny Fahasoavany ho antsika rehetra tsy misy avakavaka ka hahatonga antsika rehetra ihany koa ho mpanjaka ny andavanandrom-piainantsika. Fa inona tokoa moa no maha-Mpanjaka an’i Kristy, izay ankalazaintsika androany? Niniana naverina manontolo ny ampahan’Evanjely vakiana amintsika amin’ity andro anio ity satria mamintina manontolo ny maha-Mpanjaka Azy.
Mba hahamora ny hahazahoantsika ny tiana hambara dia andao aloha ho faritana ary ho soritana kely ny fotoana ary ny toerana nilazany izany. Ny andro nisamborana an’i Kristy dia nentin’ireo nanameloka Azy teo anatrehan’i Pilaty izy mba ho tsaraina. I Pilaty dia goverinora faratapony teo amin’ny Faritra Jody izay teo ambany fifehezan’ny romanina. Noho izany, izay fitsarana atapony ihany no nentina teo anatrehany mba haha-lalina kokoa ny fanamelohana ilay olona. Ny antony nanamelohana an’i Kristy dia noho Izy nilaza fa Zanak’Andriamanitra ary Mpanjaka. Mazava loatra fa mifanohitra amin’ny politika romanina ny hisian’ny mpanjaka eo amin’ny faritra. Noho izany, izay rehetra milaza ho mpanjaka dia fahavalo avy hatrany ary tsy misy fanamelohana mendrika ny olona toy izany afa-tsy ny fanamelohana ho faty. Rehefa nalain’i Pilaty ambava i Kristy raha Mpanjaka marina dia nanaiky Izy fa tsy nandà. Izy mihitsy no nilaza fa Mpanjaka Izy. Noho izany, “inona intsony ny ketoka rehefa ny fary no mandeha roniny?” fa dia fanamelohana ho faty no sahaza an’i Kristy. Saingy tsy ny fanamelohana ho faty no itodihantsika fa ny amin’ny maha-Mpanjaka an’i Kristy: Izy mihitsy no nilaza izany.
Asa raha tadidinao fa io Kristy io ihany no nilaza fa “Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo” (Mk 10, 43). Ny zavatra rehetra nataon’i Kristy, nandritran’ny fotoana rehetra niriariavany niaraka tamin’ny mpianany dia asa fanompoana avokoa. Tsy nisy na dia iray aza, tamin’izay nataony ka nanehoany fa Izy no lehibe, Izy no deba, Izy no henjana indrindra ka tokony ho tompoina sy ho lanjalanjaina. Fa ny nimasoany, averiko ihany, dia ny fanompoana ireo sahirana, ireo marary, ireo natao tsindrio fa lavo, ireo voageja amin’ny endriny maro samihafa. Nanompo ny fiaraha-monina nisy Azy mandrakariva Izy. Izany asa fanompoana izany, izany maha-Mpanompo Azy izany no maha-Mpanjaka an’i Kristy. Isika koa ary, amin’ny maha-kristianina antsika dia voaantso ho Mpanjaka: tsy mpanjaka ho tompoina fotsiny anefa fa indrindra koa hanompo. Ny haha-Mpanjaka antsika dia tsy ny fifehezana akory fa ny maha-mpanomo antsika. Izay te-ho mpanjaka dia tsy maintsy manompo ny fiaraha-monina misy azy.
Mirary alahady fetin’ny Kristy Mpanjaka finaritra ho antsika rehetra.
Mompera Nary