Io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra

Alahady Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona

« Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra »

(Mk. 12: 43)

Araka ny voalazan’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny fankalazana ny olomasina rehetra dia niteny tamin’ny mpianatra sy izay rehetra nihaino azy i Jesoa nanao hoe : « Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo » (Mt. 5, 3 – 5). Hitantsika miharihary araka izany fa tsy amin’ny alalan’ny fizahozahoana sy voninahitra no hahazoana ny hasambarana fa ao anatin’ny halemem-panahy sy fahatsorana ary fiaretana fijaliana. Tsy ny fananana harem-be sy hajain’ny olona rehefa amin’ny fanasana ihany koa no ahazoana hasambarana fa amin’ny alalan’ny fahaizana mifampizara izay kely ananana. Mazava ho azy fa ny malemy fanahy, mahay manetry tena, tsy mifikitra amin’ny harena fa mahafoy izay kely ananana ho an’ny hafa ary miray fo sy fanahy amin’ny malahelo no toetra nananan’ny Olomasina ka nahatonga ny Fiangonana nankalaza manokana azy ireo tamin’ny Alahady heriny. Izany toetra izany ihany koa no tian’i Jesoa hananantsika ka ampianarany antsika androany mba ho mahina amin’ny toetra fanaon’ny mpanora-dalàna.

Ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 32 tsotra Mandavan-taona izao tokoa fa : « tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Jesoa tamin’ny fampianarana nataony tamin’ny vahoaka : Mahîna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa » (Mk. 12: 38 – 40). Raha ny zava-misy amin’izao vanin’andro iainantsika izao no jerena dia azo ambara fa tena mbola maro ireo manana toetra tahaka ny fanaon’ny mpanora-dalàna ka ampitandreman’i Jesoa antsika ihany koa. Fahita amin’ny fiarahamonina misy antsika andavan’andro tokoa ny olona mirehareha sy mieboebo ary manambony tena ka miandry ny ho arahabaina fa tsy mba hiarahaba olona mihitsy. Misy ireo mihazakazaka hiady toerana ka mieritreritra fa tsy maintsy omena ny toerana voalohany mandrakariva ary tsy afaka handefitra sy hanetry tena ka hitsinjo sy hanome toerana ny hafa.

Vakiteny I : 1 Mpan. 17: 10 – 16

Tononkira : Sal. 146: 7, 8 – 9a, 9bc – 10

Vakiteny II : Heb. 9: 24 – 28

Evanjely : Mk. 12: 38 – 44

Tena mbola fahita ihany koa ny olona miseho ho manao fivavahana lavareny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena. Izany hoe, mbola misy amin’izao vanin’andro iainantsika izao ny olona manao ny fivavahana ho fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany manokana ka tsy mijery ny madinika sy ny mpitondratena ary ny mahantra fa manararaotra azy ireny sy manao fitaovana azy ireny hitadiavan-karena sy voninahitra. Anisan’ny nanana ny toerany manokana teo amin’ny fivavahana Jody ny mpanora-dalàna satria izy ireo no natao hitarika sy hanazava ny olona hanaraka ny Didin’Andriamanitra. Ny mifanohitra amin’izany anefa no ataon’izy ireo. Lasa manararaotra izany teorana misy azy ireo izany ireto mpanora-dalàna  ireto ka tsy mikendry afa-tsy ny homem-boninahitra sy hohajaina ary omena ny toerana voalohany mandrakariva. Tia sehoseho izy ireo ka tsy mety raha tsy mitsangantsangana miakanjo mirebareba ary manao fivavahana lavareny mba hohitan’ny olona sy hatao hoe tena mpivavaka marina.

Hitantsika amin’izany fa hatrany am-piangonana ihany koa ankehitriny dia ahitana ireo toetra fanaon’ny mpanora-dalàna ireo ka indraindray dia mahamenatra tokoa ny mahita fa toa tsy mba mahazo toerana mihitsy izay heverina fa mavomavo sy mahantra. Izany indrindra no nahatonga an’i Jesoa hanao ny fampianarana mahakasika ilay mpitondratena mahantra anankiray nandatsaka izay rehetra nananany sy nivelomany rehefa niroso teny amin’ny fandatsahan-drakitra. « Ary indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe : Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra ; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany » (Mk. 12: 41 – 44).

Isika rehetra nomena andraikitra ato amin’ny Fiangonana ihany koa no ampianarin’i Jesoa voalohany indrindra ka nilazany mba ho mahina ka tsy hanao tahaka ny mpanora-dalàna. Ny andraikitra rehetra ato amin’ny Fiangonana mantsy dia asa fanompoana daholo fa tsy natao hitadiavam-boninahitra sy hizahozahona. Tafiditra amin’izany daholo na ny Papa na ny Eveka na ny Pretra sy ny Relijiozy na ny Kristianina Lahika izay nofidina manokana mba hanana anjara raharaha ato amin’ny Fiangonana. Noho izany, raha misy amintsika mahatsapa ny tenany fa manana ireto toetra ratsy fanaon’ny mpanora-dalàna ireto dia tsy maintsy mandini-tena lalina ary miova avy hatrany satria ny adidy amanan-draikitra ato amin’ny Fiangonana dia tsy natao ho an’ny mpizahozaho sy mpitady toeram-boninahitra fa natao ho an’izay tena vonona hanompo sy hahafoy tena marina tokoa. Tsy natao hanararaotana sy hanambakana ihany koa ny fananana andraikitra ato amin’ny Fiangonana fa izay manao izany dia tahaka ny mpanora-dalàna mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.

Mazava ny tian’i Jesoa hambara eto fa izay rehetra tompon’andraikitra ka tsy manao ny asany amim-pitiavana ao anatin’ny fanetren-tena sy fahamarinana dia hohelohina mafimafy kokoa araka ny voalazany. Ny tiany hambara eto dia tsy izay fanamelohana mety ho azo eto an-tany fotsiny ihany fa indrindra ny fanamelohana rehefa ho tonga ny fotoana hitsarana ny velona sy ny maty ka izany no ampitandremany antsika. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 32 tsotra Mandavan-taona izao mba tenana hanana toetra vonona hanompo sy hanetry tena tokoa ka amin’izay adidy sy andraikitra ankinina amintsika dia amim-pitiavana sy fahafoizan-tena tokoa no hanaovantsika izany.

Aoka ihany koa isika hivavaka ho an’ireo rehetra nomena andraikitra hitondra ny vahoakan’Andriamanitra, tsaroantsika manokana amin’izany ny mpandraharaha masina rehetra, indrindra ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra. Na dia miasa amin’ny fony tokoa sy amim-pahamarinana tanteraka mantsy izy ireo dia matetika no iharan’ny fanenjehana sy fanendrikendrehana fa mitady voninahitra sy mangoron-karena ary manosihosy ny madinika. Tena manana adidy hiaro sy hanampy azy ireo isika vita Batemy rehetra fa tsy sanatria ho anisan’ny mpanenjika sy mpanaratsy. Raha sendra mahatsapa isika fa misy ny tsy mety dia tena manana adidy feno tanteraka hiteny sy hanitsy ka enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra no hitari-dalana antsika rehetra ka hahatonga antsika hovoavonjy fa tsy sanatria hohelohina mafimafy kokoa araka ny ampianarin’i Jesoa amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika andraony ity.

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092