“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, sy amin'ny sainao rehetra, ary amin'ny herinao rehetra”
(Mk 12, 28-34)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Voalohany indrindra, alohan’ny fifampiazarana hataontsika eto indray dia miarahaba finaritra antsika rehetra ary koa miala tsiny, miala fondro ary miala salohy fito raha toa ka izao indray vao tafaverina eto noho ny antony tsy azo anoharana; maniry koa raha maniry anefa ny hitomboan’ny finoantsika hatrany ao anatin’ny Fanompoana ny Tompo sy ny Fanarahana ny Didiny sy ny Lalàny. Enga anie Andriamanitra manan-karem-pahasoavana hampitombo hatrany ny Fifikirantsika Aminy; Izy no manome hery antsika hiraiki-po Aminy ary hankatò hatrany izay rehetra ambarany amin’ny alalan’ny Soratra Masina.
Ny Evanjely androany dia tafatafa nifanaovan’i Jesoa tamina mpanora-dalàna iray. Ny mpanora-dalàna moa, amin’ny maha mpanora-dàlana azy izay, ny zava-dehibe aminy dia ny fanarahan-dalàna sy ny fanajana ny fitsipika mifehy ny finoana sy ny fiaraha-monina. Ho azy ireo, ny olona manam-pinoana dia izay olona manara-dalàna sy fitsipika. Manoloana izany indrindra, dia mba manontany tena izy ireo hoe inona moa izany no didy lehibe indrindra sy faratapony indrindra tokony hajaina. Dia rafitra ity anankiray lazain’ny Evanjely ity nanontany an’i Jesoa: “Inona no voalohany amin'ny didy rehetra?”. Tsy naka sarotra i Jesoa namaly azy: “Ny voalohany indrindra amin'izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hàny Tompo tokana” ary mbola nampiany hoe: “Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo”. Raha fintinina fohy izany, ny didy lehibe indrindra amin’izay mety ho didy mifehy finoana sy fiaraha-monina dia ny “fandraisana an’Andriamanitra ho Tompo Tokana”. Fa saingy misy koa didy anankiray mitovy amin’izay dia ny “fitiavana ny namana”. Raha atao indray mikapoka dia mbola azo lazaina hoe: ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny Fitiavana ny namana dia sahala tanteraka. Toa mampitovy an’Andriamanitra izany fomba fijerin’i Kristy izany hy isika manontany tena. Misy fahamarinany izany. Hoy ny ohabolandrazantsika hoe: “Raha tiana hono ny vady, dia ny rafozana no tsinjovi-mandeha”. Dia iverenako kely ny katesizintsika fahiny: iza no nahary antsika olombelona? Andriamanitra no nahary antsika olombelona, nohariany mitovy endrika Aminy isika ary nohariany mba ho sambatra. Raha noharian’Andriamanitra ary ny olombelona, dia mazava loatra fa sarobidy Aminy; nohariany mba ho zanany mihitsy azy. Manamafy izany ny foto-pinoantsika fa hoe Zanak’Andriamanitra isika olombelona rehetra ary natsangany ho mpandova ao amin’i Kristy izay efa nahafoy ny aina ho fanavotana antsika. Sarobidy eo imason’Andriamanitra ny olombelona rehetra satria vidi-dràn-janany. Ka raha misy milaza ho tia an-dRainy dia tsy maintsy ho tia an-janany. Hevi-pinoana izany fa ahoana kosa ary no hampiharana azy amin’ny fiainana andavanandro manoloana ny fiainana ny maha-kristianina?
Tsy misy afaka lazaina ho tia an’Andriamanitra raha mbola marefo amin’ny fitiava-namana. Ny ahafantarana fa tia an’Andriamanitra tokoa ny olona iray dia ny fahitana azy mivelona ny fitiava-namana. Tsy hoe moa hitsara olona fa betsaka amin’ireo mitonona ho kristianina, anisany aho, no malaina dia malaina amin’ny fitiava-namana. Impiry isika no mivavaka sy mitalaho mafy amin’Andriamanitra nefa rehefa eo amin’ny fiainana andavanandro dia mifanaratsy ary manaratsy namana sy mandray azy ho toy ny fahavalo. Eto ary dia manentana aho: andao haseho amin’ny fitiava-namana ny Fitiavana ny Tompo.
Mirary alahady finaritra ho an’ny rehetra.
Mompera Nary