“Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika”
(Mk 9,38-43.45.47-48)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Fanontaniana mety hitranga, efa nitranga ary mbola hitranga ny hoe “Fa maninona i ranona no manao izao zavatra izao nefa izy tsy avy eto amintsika? Tsy avy eto amin’ny faritra sy ny fiangonana misy antsika?” Tahaka ny mpianatr’i Jesoa izay nahita olona hafa nandroaka demony nefa tsy mpianatr’i Kristy akory, isika ankehitriny koa dia mety ho tojo fanontaniana toy izany. Ny valintenin’i Kristy dia tsotra: “izay tsy manohitra antsika dia momba antsika”. Izany no fampianaram-pinoana voalohany ho antsika amin’ity Alahady androany ity amin’ny alalan’ny Evanjely izay vakiana amintsika mba ho sakafom-panahy mandritra ny herinandro indray. Ny tian’ny Kristy hambara amin’ny valiteniny dia tsotra: izay manao zavatra amin’ny alalan’i Kristy dia efa momba Azy hatrany. Fakam-panahy ho antsika kristianina, amin’ny maha-olombelona antsika ny hamaritra izay atao rehetra ao anatin’ny lasitra tokana; hany ka izay rehetra atao ka tsy ao anatin’ny lasitra dia raisintsika ho toy ny “fahavalo”. Izany fomba fijery izany anefa dia manohitra ny asan’ny Fanahy Masina; raha adika amin’ny fomba hafa dia toy ny heverintsika ho zavatra azo fehezina ny Fanahy Masina ka tsy mahazo mitsoka amin’izay tiany haleha fa amin’izay tiantsika handehanany sy hiasany fotsiny. Fanagadrana sy fanagejana ny Fanahy Masina hiasa amin’izay toerana sy fotoany tiany hiasana izany. Ankoatr’izay, tsy antsika kristianina ireny ny asam-pamonjena; tsy an’ireo olona milaza ny tenany ho manara-dia an’i Kristy ireny ny fandraisana anjara amin’ny asam-pamonjena fa ireo rehetra izay manao soa sy mitondra fanavaozana ny mpiara-mponina sy ny mpiara-belona koa dia mandray anjara feno amin’ny asa sy tantaram-pamonjena. Maro samihafa ny fanomezam-pahasoavana ary ny Fanahy Masina dia miasa amin’izay toerana rehetra ilàna ny famonjena. Tsy ao amin’ny asan’ny Fiangonana ihany no miasa ny Fanahy Masina fa amin’ny asa hafa izay itsinjovany ny famonjena ho an’ny sarangan’olona hafa. Tsy manan-jò hisakana ny Fanahy Masina handavorary ny asam-pamonjen’ny olona hafa, ankoatrin’ny kristianina isika. Firifiry moa ireo olona, tsy kristianina, nefa manao soa sy mamelona ny mpiara-monina aminy. Firifiry ireo olona, izay heverintsika fa sadasada manan-tsoratra ara-pinoana nefa mahavita asa goavana ho fitsinjovana ny mpiara-belona ary izany rehetra izany dia ataony am-pitiavana sy fandavan-tena tanteraka. Izany no ilazan’i Kristy fa izay tsy manohitra Azy dia efa momba Azy rahateo na tsy milaza am-pahibemaso aza.
Ny fampianarana faharoa dia mahakasika ny Famonjena ho an’i tsirairay. Voalohany indrindra, ny antokin’ny famonjena ho an’i tsirairay dia ny tenany ihany. Marina fa eo ny Fiangonana sy ny rafitra momba azy mba ho aro-fanina amin’ny famonjena, fa ny antoka voalohany dia ny ezakin’ny tsirairay mihitsy. “Raha ny tànanao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin'ny fiainana hianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin'ny gehena, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina”. Azo raisina ho arabakiteny izany lazain’i Kristy isany fa koa azo adika ho sarinteny ampiasain’i Kristy hahatonga saina antsika hiezaka hahazo ny famonjena. Mazava loatra fa ny irin’ny Tompo dia ny hahazahoan’ny tsirairay ny famonjena: olona feno, olona tsy misy fahabangana na kely aza. Fa saingy raha feno nefa tsy mahazo ny Lanitra dia zava-poana ihany. Ny tiany hambara dia ny fahafoizana izay mety hanembatsembana hahazahoana ny fiainana mandrakizay. Natao ary voaantso ho amin’ny tsara isika rehetra kanefa rehefa misy singa iray amin’ny maha-olona antsika manembatsembana ny hahatongavana amin’izay tsara izay dia aleo foanana. Antoka tokana manko no hahazahoana ny lanitra dia ny fanaovana ny Tsara, tsy ho an’ny tena ihany fa ho an’ny mpiara-belona manontolo.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary