Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony

Alahady Faharoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona

“Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, fa manalavitra ahy ny fony”

(Mc 7,1-8.14-15.21-23)

    

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Raha atao indray mijery ny vakiteny telo izay henointsika amin’ity alahady faha-22 mandavataona androany ity ka akapoka ho iray ny fampianaram-pinoana tsoahina avy ao dia azo fintinina hoe: ny fanarahan-dalàna ho amin’ny firaiketana amin’ny Tompo dia dingana voalohany ihany fa ny tena zava-dehibe dia ny Fitiavana Azy amin’ny Fo manontolo; tsy Fitiavana am-bava sy hogahogaina fotsiny anefa fa Fitiavana arahin’asa sy aseho ankarihary am-pahibemaso amin’ny atao sy ny fiainana. Tsy ho fakafakaintsika daholo ireo vakiteny telo fa ny hifampizarantsika, araka ny efa fanaontsika, dia ny Evanjely ary indrindra hampifandraisintsika amin’ny fiainantsika andavanandro ankehitriny aza; hataontsika fototra hiaingana ny zava-misy tamin’izany fa hiompanantsika betsaka kokoa ny ankehitriny.

Ny fototrin’ny disadisa tamin’ireo Farisianina sy Mpanora-dàlana, ka nahatonga azy ireo hanakiana an’i Jesoa, nohon’ny nataon’ny Mpianatrany, izay tsy nanasa tànana alohan’ny hisakafo, dia ny momba ny atao hoe “Finoana madio”. Amin’ny lafiny iray aloha dia misy fahamarinany ny an’ireo farisianina sy mpanora-dalàna ireo e! Nahoana tokoa moa no tsy hisasa tànana sy hidio alohan’ny hisakafo? Ny fomba fisakafo jody manko dia raisin-tànana ny sakafo fa tsy toy ny antsika ankehitriny ka mampiasa sotro sy sotro rovitra. Ka hoy aho hoe rariny ihany ny fanakianana nataon’ireo olona ireo ny mpianatr’i Jesoa. Kanefa ny tena fototrin’ny adihevitra sy ny fanakianana anefa dia tsy izay fahadiovana izay loatra fa ny momba ny fanarahan-dàlana. Satria, tsy dia hoe loatra satria ilaina ny madio alohan’ny sakafo no manahiran-tsaina ireo farisianina sy mpanora-dàlana fa satria izay no fanaon’ny razana ary izay no voasoratra ao amin’ny lalàna ka tokony harahana. Ny lalàna jody tokoa manko, dia manondro amzava fa tsy maintsy manasa tànana ny olona vao mahazo misakafo; voasoratra an-dàlana mihitsy izany. Ny tena fototrin’ny lalàna anefa tsy dia ilay hoe lafiny ara-pahasalamana loatra fa mifototra amin’ny lafiny ara-pinoana satria inoan’ny Jody manko fa miankina amin’izay miditra ao anatin’ny olona no mampadio na mampaloto ny olona iray. Raisiko ohatra: raha avy niantsena aho ka nifandray tànana tamin’olona betsaka ka tonga ao an-trano hisakafo, ka tsy misasa tànana fa avy hatrany dia mandrapaka sy misesika dia maloto aho ary itoeram-pahotana satria tànana tsy madio no isakafoanako. Ny navalin’i Jesoa ireo toe-javatra roa ireo dia tsotra: hindrahindrainareo loatra ny fomba ama-panao sy ny lalàna, hany ka ny tena finoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra hadinonareo ary tsy izay miditra ny olona akory no mampaloto azy fa ny mivoaka avy ao aminy.

“Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, fa manalavitra ahy ny fony” hoy i Kristy namerina nilaza tamin’ireo nihaino Azy. Fa miantefa amintsika ihany koa izany teny izany. Impiry moa isika no mifanditra amin’ireo kristianina, na tsia, namantsika ny amin’izay Finoana tsara sy milay ka milaza amin’ireo hoe “ny Fiangonanay sy ny Fivavahanay no tsara sy Mendrika indrindra fa ny anareo Fiangonana zanany, sady tsy mitandrina ny andro Alahady”, sy ny sisa. Impiry isika no manaraka antsakany sy andavany ny fomba amam-panao fanao ara-pinoana sy fivavahana fa saingy rehefa tena mifanehatra amin’ny tena filana fitiava-namana dia miala ilany. Impiry ny pretra sy ny relijiozy no midradradra fitiava-namana sy famindram-po, fa saingy rehefa misy mahantra sy fadiranovana mba mangataka izay foy dia zara raha manome akory. Impiry isika kristianina no mihogahoga amin’ny hira “mpianakavy isika e” ny andro alahady kanefa ny alatsinainy dia mifanambaka amin’ny karama tsy aloa ara-dalàna. Samia mamisavisa.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091