Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay?

Alahady Faharaika amby roapolo tsotra Mandavan-taona

« Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay » (Jo. 6, 69)

Nambaran’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny fa « nifanditra ny Jody nanao hoe : Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?” Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo : Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo » (Jo. 6, 53 – 54). Io fifandirana teo amin’ny Jody io dia nitarika azy ireo tsy hanaiky ny fampianaran’i Jesoa. Tsy ny Jody amin’ny ankapobeny ihany no nihataka tsy nihaino an’i Jesoa fa nisy tamin’ireo mpianany ihany koa no nihataka tsy nanara-dia azy intsony araka ny voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 21 tsotra Mandavan-taona izao. « Tamin’izany andro izany, dia betsaka tamin’ny mpianatr’i Jesoa, raha nandre ny Teniny, no nanao hoe : Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany ? Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy : Manafintohina anareo va izany ? Hanao ahoana ianareo raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha ? » (Jo. 6, 62 – 63).

Raha amin’ny maha olombelona nofo sy rà dia sarotra ny handray sy hiaiky ny filazan’i Jesoa fa tena fihinana tokoa ny Nofony, ary tena fisotro ny Rany. Io antony io indrindra no nahatonga ireto mpianatra sasany ireto hiteny hoe : sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany ? Hita taratra amin’io tenin’ny mpianatra io fa tsy lasa-paka ao am-pon’izy ireo ny fampianaran’i Jesoa. Izany hoe, tsy ampy finoana izy ireo ary tsy tsapan’izy ireo fa tena Andriamanitra tokoa i Jesoa fa nietry tena ho tonga olombelona mba hahatonga ny olona rehetra ho voavonjy. Variana amin’ny zavatra hita maso fotsiny izy ireo, variana amin’ny fiahiana ny nofo ka manadino ny ara-panahy. Tsara ampahatsiahivana antsika fa taorian’ny nampitomboan’i Jesoa ny mofo no nilazany mazava tamin’ny olona rehetra manao hoe : « Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra : raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao » (Jo. 6, 51 – 52).

Vakiteny I : Jos. 24: 1 – 2a, 15 – 17, 18b

Tononkira : Sal. 34: 2 – 3, 16 – 17, 18 – 19, 20 – 21

Vakiteny II : Ef. 5: 21 – 32

Evanjely : Jo. 6: 60 – 69

Maro tamin’ireo nihaino azy no tsy nahazo io fampianarany io, anisan’izany ireto mpianatra nimonomonona ireto ary ambaran’ny Evanjely fa nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. Nihevitra izy ireo fa afaka manao fahagagana mampitombo mofo i Jesoa ka tsy hilaina intsony ny miasa fa mihaino ny fampianarana ataon’i Jesoa fotsiny ihany dia ampy ary rehefa reraka sy hariva ny andro dia tonga ho azy ny mofo satria azo antoka fa isaky ny tsy manan-kohanina ny vahoaka dia afaka manome izany i Jesoa. Diso hevitra anefa izy ireo satria tsy ny fiahiana ny nofo no tena nahatongavan’i Jesoa fa ny hamonjy ny olona rehetra. Ny faniriany dia ny hahatonga izay mandray azy ho velona mandrakizay ka izany no nilazany hoe : « ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory ; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. Nefa misy tsy mino aminareo » (Jo. 6, 64 – 65). Araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity dia « fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy. Ary hoy Izy: “Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany”. Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony » (Jo. 6, 66 – 67).

Hitantsika miharihary araka ny voalazan’ny Evanjely eto fa noho ny tsy finoana tao amin’ireo mpianatra sasany ireo no nahatonga azy ireo nihemotra, ka tsy niaraka tamin’i Jesoa intsony. Manoloana izany dia nanantona ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy izy mba hahalalany raha mbola vonona ny hiaraka aminy izy ireo na hiala tahaka ireto mpianatra sasany ireto ihany koa. « Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy : Ianareo koa va mba te hiala ? Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe : Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay ? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay ; ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra » (Jo. 6, 68 – 69). Mazava ny valin-teny nomen’i Piera izay misolo tena ny Apostoly rehetra eto fa tsy hiala izy ireo satria efa nino sy nahalala an’i Jesoa, Ilay Masin’Andriamanitra, tonga hamonjy ny olona rehetra. Io fiekem-pinoana lehibe nambaran’i Piera io no ifandovana ato amin’ny Fiangonana ka mahatonga antsika rehetra hino ihany koa fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa. Izy no Ilay Masin’Andriamanitra naka nofo tamin’i Maria Virjiny, noho ny herin’ny Fanahy Masina ka tonga olombelona saingy nanolo-tena hofantsihana tamin’ny hazofijaliana, nijaly ary nalevina fa nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo araka ny ambarantsika isaky ny manao ny Fiekem-pinoana isika.

Nisolo tena ny Apostoly rehetra i Piera tamin’io valin-teny nomeny an’i Jesoa io ary misolo tena antsika vita Batemy rehetra ihany koa. Noho izany dia mivavaka indrindra isika amin’izao Alahady Faha – 21 tsotra Mandavan-taona izao mba hihamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa ka na amin’ny mora na amin’ny sarotra dia tsy nihemotra tahaka ireo mpianatra sasany nimonomonona taminy, fa ho tahaka ny Apostoly ka hiaraka aminy hatrany satria izy no manana ny teny fiainana mandrakizay. Ao anatin’ny fotoana fialan-tsasatra isika izao, saingy tsy maintsy tsaroantsika mandrakariva fa ny fivavahana dia tsy misy fialan-tsasatra fa izao indrindra aza no tokony ho hararaotintsika hivavahana bebe kokoa satria manana fotoana malalaka kokoa isika noho ny amin’ny fotoana fianarana sy fiasana. Fotoana anamafisana ny finoana ny fialan-tsasatra tahaka izao ka misy ny manao Laretirety, misy ihany koa ny manao Pelerinazy ary ho an’ny Relijiozy sy ny Mpandraharaha Masina dia izao no fotoana anaovana Voady sy anamasinana Diakra na Pretra koa miara-mivavaka isika mba tena hisy vokany ara-panahy toka ireny ezaka samy hafa ataontsika mandritra ny fialan-tsasatra ireny. Mitondra am-bavaka an’ireo izy mandray fahasoavana manokana isika satria noho ny finoana an’ Ilay Masin’Andriamanitra no antony anoloran-tena ka na eo aza ireo zava-manahirana tsy maintsy sedraina dia aoka ho tsaroana mandrakariva fa i Jesoa no manana ny teny fiainana mandrakizay ka tsy maintsy ifikirana.

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009