Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay

Alahady Faharoapolo tsotra Mandavan-taona

“Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny farandro.” (Jn 6, 51-58)

    

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Raha jerena amin’ny fo tsy miangatra amin’ny maha-olona aloha dia misy fahamarinany ihany ny fanamarihana nataon’ireo olona nihaino ity Tenin’i Kristy ity e. “Hataon'ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina?” hoy izy ireo. Toa manery ireo nihaino Azy manko i Kristy hihinan’olona sanatrian’ny vava haladin’ny lela. Ary izany indrindra no ilazako hoe toa misy fahamarinany ihany ny eritreritr’ireto olona nihaino Azy satria tsy mba sakafo fihinana manko ny nofon’olombelona ary tsy fisotro na oviana na oviana ny ran’olombelona; raha tsy hoe angaha dia irony olon-dia mpihinana olona irony na ihany koa ireny vampira mpitsoka ran’olona. Nefa, na izany na tsy izany, toa amin’ny horonantsary mahery setra no ahitana izany. Mahasadaikatra ny saina ary maha lasa vinany ihany ny nilazan’i Kristy hoe fihinana ny nofony ary fisotro ny rany.

Rehefa mamakafaka ny zavatra lazain’i Kristy dia tsy azo atao mihintsy ny mionona amin’ny hitan’ny maso fa tsy maintsy mandalina amin’ny alalan’ny masom-panahy satria hafatra ho an’ny fanahy no tena ifotoran’nny fampianaran’i Kristy fa tsy dia ho an’ny vatana loatra. Ny filazan’i Kristy ny maha sakafo ny nofony sy maha fisotro ny rano dia tsy azo raisina ara-bakiteny avy hatrany fa tsy maintsy takarina ny hevi-dalina tiany ho lazaina sy ampitaina amin’izany. Mazava loatra, satria moa isika ankehitriny efa manana lova mazava mahakasika izany fampianaram-pinoana izany dia efa azontsika an-tsaina ny tiany hambara; fa ho an’ireo olona nihaino Azy tany am-piandohana dia azo an-tsaina ihany ny fahasahiran’izy ireo nanakatra ny tian’i Kristy ho lazaina amin’ny Teniny.

Ho antsika Kristianina ankehitriny dia mazava ihany ny tiany ho lazaina: ny Eokaristia, Sakramenta misy ny Vatana sy Ran’i Kristy, amin’ny endrikin’ny mofo sy divay no tiany holazaina amin’ity ampahateniny ity. Tsy hanao fandalinam-pinoana betsaka momba ny Eokaristia ity fifampizarana ataoko eto androany ity; fa kosa, miainga amin’ity ampahan’Evanjely vakiana amintsika androany ity, dia hanatsoaka hevitra mahakasika ny soatoavina ao amin’ny Eokaristia; izany hoe ny Soa tovozina amin’ny fandraisana ny Eokaritsia. Ny harena voalohany izay raisina ao amin’ny Eokaristia dia ny “Aina”. Ny sakafo rehetra, izay hanina, dia natao hamelona sy hitondra aina ho an’izay mihinana azy. Tahaka an’izany koa ny Eokaristia. Amin’ny maha-hanina azy, dia mitondra Aina sy mamelombelona azy ny Eokaristia. Natao hamelona ny ain’izay mihinana azy ny Eokaristia, izany hoe ny Vatana aman-dran’i Kristy. Ny marimarina kokoa, izay mandray ny Eokaristia dia tsy ny ain’ilay mandray intsony no velona ao aminy fa ny Ain’i Kristy. Tsy hoe akory aingitraingitra na koa sanatria hevitra ataingina izany fa i Kristy mihitsy no nilaza an’izany. Ny harena faharoa, araka ny lazainy ihany, dia ny Fiainana mandrakizay. Izay mihinana ny Nofony sy misotro ny Rany; izany hoe, izay miombona amin’ny Eokaristia dia mahazo antoka fa handova ny fiainana mandrakizay. Ny Sakramentan’ny Eokaristia no Sakramenta manome antoka, ho an’ireo izay mandray izany sy miombona amin’i Kristy fa hahazo ny fiainana mandrakizay. Tsy mba toy ny sakafo hafa fihinana, izay tsy mahatàna aina ny Eokaristia. Sakafo mahatàna aina mandrakizay ny Eokaristia ary izay mihinana Azy dia ho velona mandrakizay.

Hamaranako ny fifampizarana anio dia fanentanana ny tsirairay amintsika handray anjara feno hatrany amin’ny Sakramentan’ny Eokaristia. Aoka anefa mba ho vonona ara-panahy isika no manatona izany Sakramentan’ny Aina izany; ho fo sy fanahy voadio hatrany no hoentintsika mandray an’i Kristy ao am-po.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116