Izaho no Mofon’aina, izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony

Alahady Fahavalo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

“Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin'ny fiainana mandrakizay” (Mk 6, 24-35)

    

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Asa moa na akory ny any aminareo na ahoana fa raha ny any aminay, ary inoako fa toy izany avokoa raha samy mbola malagasy, fa anisan’ny resaka sarotra fehezina ny resaka hanina. Misy ny latsa maharary fa anisan’ny latsa tena maharary ho antsika malagasy ny latsa an-kanina; izany hoe ny latsaina amin’ny resaka hanina sy sakafo. Ataoko fa tsy ny malagasy ihany no maharary amin’ny resaka latsa an-kanina fa na ny foko sy ny fomba amam-panao hafa dia mahatsapa an’izany ihany koa; saingy hoe ny “latsa” angamba no mety hafa ihany koa ny voambolana sy ny famaritana azy arakarakin’ny koltora misy. Rehefa zohina sy arahana akaiky ity ampahan’Evanjely vakiana amintsika androany ity, dia tena resaka latsa an-kanina sy fandatsana ara-tsakafo tsotra izao no nataon’i Jesoa. Fa inona moa no zavatra nitranga? Fintiniko fohy dia fohy. Tamin’ny heriny, nitory teny tany an-tendrombohitra i Jesoa. Vahoaka maro be no nanatrika sy nihaino Azy tany. Atoandro ny andro ary noana ny vahoaka. Nalahelo ireo olona ireo i Jesoa ka nomeny sakafo sy hanina ny olona maherin’ny dimy arivo mahery; kanefa dia trondro roa sy mofo dimy no teo an-tànan’izy ireo fa rehefa nivavahany sy nangatahany tsiodrano tamin’Andriamanitra Ray dia no ampy azy rehetra. Androany, izany hoe arakin’ny vakiteny henointsika an’io, dia nifindra toerana hafa i Kristy mba hitoriany ny vaovao mahafaly. Dia nirohotra nakany Aminy indray ny olona ary nilaza Taminy fa “satrin’izy ireo hihaino sy hahita Azy”. Ny tena marina anefa, tsy dia hoe ny hahita Azy sy ny hihaino Azy loatra no tena nahaliana ny olona, ary tsikaritr’i Kristy izany, fa ny noho ireo olona voky sy nihinana fatratra. Ka izany no antony nilazan’i Jesoa fa hoe tonga nitady Azy ny olona, tsy dia noho ny fahagagana loatra fa noho ny hanina.

Rehefa zohiana sy arahana ny fitantaran’ny Evanjely ny zava-misy, dia tsy nanao fahagagana i Jesoa ary tsy nampitombo ny mofo akory. Noho izany, ireo olona marobe tonga nirohotra teo Aminy izany dia tahaka ny “Ganagana mitety bainga, ny tratra mangana ny hanina tsy azo”; satria sady nandeha tongotra lavitra namonjy an’i Jesoa any an-tendrombohitra, no mbola nahazo kamaika mafaitra sy mavesatra amin’ny latsa an-kanina kanefa tsy nihinana na dia tapa-mofo anakiray akory aza. Tsy ho an’ireo olona ireo ihany izany Evanjely izany fa ho antsika rehetra ihany koa; miantefa amin’ny tsirairay amintsika ihany koa izany fampianaran’i Kristy izany. Hafatra roa lehibe goavana no azontsika tsoahana amin’izany fampianaran’i Kristy izany. Rehefa mamonjy Fiangonana, rehefa mamonjy fihaonana ara-pivavahana, ny krisitianina, tsy ny lahika ihany fa na ny pretra sy ny relijiozy koa aza, dia variana amin’ny fihetsiketsehana ara-nofo sy ny fisehosehoana ivelany fotsiny fa tsy tena mifantoka amin’ny lafiny ara-panahy loatra izay atao. Tsy izay tena hahavoky ny fanahy no imasoana fa izay hahafinaritra ny maso sy haha afa-diana ny saina aman’eritreritra; hany ka ny fanamafisapeo sy ny zava-maneno, ny haingohaingo ivelany sy ny sisa hafa no tena mahavariana, fa izay mba fitoniantsaina sy filaminam-po dia hamatra dia hamatra. Ny hafatra faharoa kosa dia ny mahakasika tanteraka ny Eokaristia. Ny Eokaristia, dia Sakramenta misy ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo amin’ny endrikin’ny Mofo sy ny Divay. “Mofon’ny Fiainana” ny Eokaristia; izany hoe manampy ireo izay mandray azy hanana herim-panahy hiatrehana ny andavanandrom-piainana anaty rotoroto no ihany koa manomana ny fon’ireo izay mihinana azy higoka ny fiainana mandrakizay satria izany “Mofo Masina” izany no antoka, ho an’ireo mandray azy, “ny Fiainana Mandrakizay” ary hampiombona azy ireo amin’ny Fiainana tsy misy fetra nomanin’Andriamanitra Ray ho an’ireo mandray azy.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1778