Angaha moa ianao tsy ilay Mpandrafitra

Alahady Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin'ny taniny sy amin'ny fianakaviany ary amin'ny havany ihany.” (Mk 6, 1-6)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Indray andro, nandritra ny diany nataony nitory ny Vaovao Mahafaly, dia tonga teo amin’ny tanàna niaviavy sy nahalehibe azy i Kristy. Dia tahaka ny fanaony moa dia sady mampianatra Izy amin’izany no manasitrana ireo izay tsy salama sy marofy. Fa sady gaga ny olona, ireo mpiray tanàna taminy no sady velom-panontaniana an’eritreritra. Ny sasany aza moa dia latsa-bava mihitsy sy nahaloa-peo: “f’angaha moa ianao tsy ilay Mpandrafitra sy zanakin’ilay rangahy mpandrafitra?”. Gaga sy talanjona ny olona teo satria nampianatra azy ireo toy ny olona manam-pahaizana ity Kristy ity, nefa dia olona tsy nandia fianarana ary tsy taiza tsy taiza fa teo an-tanàna teo ihany. Izany no nahatonga azy ireo hanontany Azy.

Misy antony roa no mahatonga ny olona hanontany an’i Jesoa. Ny antony voalohany dia ny fialonana. “Ny tsa tea tsa hilaza soa”, hoy ny ohabolana betsileo anakiray izay. Olona samy teo an-tanàna teo ihany dia nahoana Izy no hahay handaha-teny tahaka an’io ataony io? Ny Fialonana dia mitarika ny olona iray hanana fomba fijery ratsy sy tsy mirindra manoloana tranga mahasoa sy mahatsara ny fiaraha-monina ary mahatonga ny olona iray hankahala ny tsara ataon’ny sasany hanasoavana ny fianakaviana sy ny tontolo manodidina. Ny antony faharoa kosa dia fanekena ny fiovana misy teo amin’i Jesoa. Mahagaga sy mahavelom-panontaniana kosa tokoa moa aloha raha hoe olona niaraka tinaiza taminao teo an-tanàna teo, olona niara-nonina taminao teo, olona niray petsapetsa taminao teo no lasa mpampianatra sy mpanasitrana ny fiaraha-monina nefa tsy rony tsy ventiny. Mahalasa saina sy maha-be fanontaniana kosa izany tranga izany. Ary rariny raha hanontany an’i Kristy ny olona sy hilaza ny ao am-pony amin’izany tranga izany.

Fa ny fomba fijerin’i Kristy an’ity tranga ity anefa dia hafa mihitsy: “ny mpaminany tsy mba masina eo amin’ny taniny”, hoy Izy. Nekeny fa malain-kino ireo mpiara-monina aminy, nekeny fa manana fialonana madinidinika ireo mpiray tanàna taminy, fa ny zavatra tsapany dia ny hoe tsy mba mety ho henim-panajana eo amin’ny taniny ny mpaminany. Tsy dia mifanalavitra amin’ilay ohabolan-drazantsika hoe “ny anarana no tsy raikitra dia ny ao an-trano no mamingavinga” izany fomba fijerin’ny Kristy izany. Ny mpaminany tsy masina an-taniny. Fa izao, rehefa mandinika sy maka sary an-tsaina momba izany isika dia matetika ireo mpitondra fivavahana, pretra, eveka, pasitera, katesista, sns no tonga an-tsaina voalohany. Hadinontsika fa misy mpaminany akaiky antsika kokoa, ankoatr’ireo olona ireo; tsy iza fa isika tsirairay. Noho ny batemy noraisintsika tsirairay dia tonga mpisorona, mpanjaka ary mpaminany isika rehetra isam-batan’olona. Ao amin’ny maha-izy azy antsika tsirairay ny maha-mpaminany antsika. Mpaminany aho, mpaminany ianao, mpaminany isika. Amin’ny maha-mpaminany ahy, ny tanànako voalohany indrindra dia izaho ihany. Rehefa misy tsy mety ataoko, dia mba mananatra sy manitsy ahy aho. Fa indraindray anefa dia izaho ihany no mamaly an’eritreritra hoe “fa inona moa aho no hanao izany fivoarana izany? Tsy efa itsy sy izaroa ve no mahazatra ahy ka nahoana indray no hanao zava-kafa vaovao tsara?”. Ny tanàna faharoa misy ahy ary misy anao koa dia ny fianakaviana. Rehefa mba miteny sy manitsy ny tsy mety eo anivon’ny fianakaviana ny olona iray ao anatin’ny fianakaviana, dia ny rehetra indray no miaraka miteny fa “iza ianao no mba hitondra fiovam-pitondram-piaraha-monina?”. Rehefa mba milaza ny heviny amin’izay tsy mety ataon’ny ray aman-dreny ny zanaka dia lazaina fa tokony hangina fa tsy ampy traik’efa ary zanaka. Rehefa milaza ny heviny amin’ny zanaka ny ray aman-dreny dia lazaina fa olona tsy maharaka toetr’andro. Saingy izany no niantsoana antsika Kristianina: hilaza ny marina.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893