Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao

Alahady Fahatelo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana,

ary sitràna amin'ny aretinao” (Mk 5, 21-43)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Miverina amin’ny lamim-pombam-pivavahana andavanandro indray isika manomboka amin’ity alahady androany ity, izay tsara marihina fa alahady faha-telo ambinifolo. Eto am-piandohan’izao fifampizarana izao dia maniry koa aho raha maniry fahombiazana ho antsika rehetra, indrindra amin’izao fanombohan’ny volana vaovao izao. Enga anie ny ezaka ataontsika amin’ny fiainana ny finoana sy ny fivelomana ny aim-panahy kristianina hanamafy ny herim-pontsika hiatrika hatrany ny andavanandrontsika ao anatin’ny fahatoniana sy ny fahombiazana ao amin’i Kristy.

Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia mitantara sy mampiaina ho antsika fahagagana indroa miantoana nataon’i Kristy ho ana-vehivavy anankiroa izay samy nisedra ny mafy manoloana ny fiainana: ny iray dia narary sy niantrika fangirifiriam-batana nandritrin’ny roambinifolo taona ary ny iray kosa dia nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha roa ambinifolo taonany. Tsy hoe fifandrifian-javatra tsotra izany taona voalaza izany fa misy dikany goavana ho an’i Kristy sy ny fiainam-pinoanatsika satria mifono hevi-dalina ary mitondra ny saina hanakatra ny hevi-dalin’ny fonosin’ny isa roambinifolo. Alohan’ny hifampizarantsika ny momba ny fampiaram-pinoana tian’ny Evanjely hampitaina amintsika anio ary dia hojerentsika fohifohy ny mety ho dikan’ireo isa roa ambinifolo ireo. Ho an’ny finoana jody, izay andraisantsika sarinteny maro ho an’ny finoana kristianina dia manana lanja goavana ny isa roambinifolo ary isa niverimberina ihany koa io; na ho an’ny tantaram-pinoana na ho an’ny tantaram-pamonjena ao amin’i Kristy. Roa ambinifilo lahy ny zanak’i Jakoba ilay niandohan’ny firenena Israely. Aza hadino fa nanao fampianarana voalohany i Kristy fony feno roambinifolo taona; rehefa nentin’ireo ray aman-dreniny ho ao an-tempoly ka nipetraka nampianatra ireo mpampiana-dàlana tao an-tempoly izy; ireo ray aman-dreny sahirana nitady Azy. Roambinifolo lahy ny isan’ny Apostoly nosafidian’i Jesoa tao anatin’ny maro. Roa ambinifolo ny isan’ny harona nisy ireo ambi-mofo sisa tsy lany rehefa nampitombo ny mofo hohan’ireo olona tany an’efitra i Jesoa. Tsarovy ihany koa fa ao amin’ny bokin’ny Fanambarana dia ahitana an’ilay Jerosalema vaovao, tanàna voafefy saingy manana vavahady roambinifolo. Tahaka izany koa, ilay Vehivavy lehibe sady mendri-kaja voalaza ao ihany koa, izay manambara ny Eglizy ankehitriny, dia voasatroka fehiloha misy kintana roambinifolo. Maromaro hoy aho tery am-piandohana ny isa roambinifolo no miverina ao amin’ny Soratra Masina, fa ireo ihany no voatanisantsika eto anio. Ny hevi-dehibe ambaran’io isa roambinifolo io dia ny “fahafenoana”.

Niaritra fangirifina naharitra an-taonany maro ilay vehivavy ary feno ny fotoana handraisany ny fahasitranana avy amin’i Kristy, ka rehefa nijaly nandritra ny roambinifolo taona izy dia sedra ary tojo an’i Kristy. Roambinifolo taona ilay tovovavy no nindaosin’ny fahafatesana; feno ny taona tokony hisehoan’ny herin’i Famonjen’i Kristy aminy ka na dia efa maty aza izy dia velona indray. Na izany na tsy izany; na “feno” aza ny fotoana hisehoan’i herin’i Kristy sy ny fahasoavany mitobaka amintsika, izay tandindomin’ireo vehivay roa ireo, dia misy koa anefa ezaka avy amintsika tsirairay fa tsy hoe fahasoavana “bôjy” akory. Tsy inona akory izany fa ny Finoana. Ny an’ilay vehivavy lehibe, ny nahasitrana azy dia ny finoany fa hoe hanasitrana azy i Kristy rehefa mikasika ny zoron’akanjony izy. Ny an’ilay tovovavy kosa, ny nahavelona azy indray dia ny finoan’ny rainy. Raha atao indray mijery izany dia hoe: ny Finoana no antokin’ny fahaveloman’ny tsirairay.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0475