Manaova batemy azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Fankalazana ny Trinite Masina

Mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28, 16-20)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Herinandro lasa izay isika dia nankalaza ny Fidinan’ny Fanahy Nasina teto anivontsika Fiangonana mba hitoerany maharitra ao anatin’ny tsirairay. Marihan’ny Fiangonana manokana amin’ny Fanomezana ny Sakramentan’ny Fankaherezana moa izany andro lehibe izany matetika. Fa amin’ity andro androany ity, raha tsikaritrao kosa dia betsaka ireo menakin’ny aina sy zaza menavava no mandray ny Sakramentan’ny Batemy. Alahadin’ny Trinité Masina ity androany ity; izany hoe ankalazana manokana ny Misitery Olona Telo zary Iray. Ny Vakitenin’ny Soratra Masina izay henointsika amin’ity alahady ity dia manoritra manokana ny maha-Andriamanitra Tokana Olona Telo ny Andriamanitra Tompointsika Kristianina ary ny manoritra manokana izany dia ny Evanjely izay renesintika manokana amin’ity androany ity.

Misy sangisangy zary tenany fitantaran’ny zokinjokiny momba izany Trinite izany: “Misteryy izany ry zanako”, hoy ilay Misionera fahiny izay. Sangisangy zary tenany hoy aho, satria dia izany tokoa. Raha hamantatra ny mombamomba izany Andriamanitra Tokana Olona Telo izany, ny zavatra atao antsaina voalohany dia hoe “Mistery izany”. Efa adi-hevitra mafonja ary tsy mbola lany tovozina hatramin’izao ny maha-Olona Telo an’Andriamanitra. Indray andro, mba nandinika an’izany Mistery lehibe izany i Masindahy Augustin. Namadibadika, namisavisa, naminany ary niasa loha sy nikaoka handrina nadritra ny fotoana naharitra izy nandinika izany “fiombonana hafahafa” izany fa saingy tsy nahalala mazava ary tsy nahita mangirana. Nony efa namisavisa elaela teo izy, dia nahatsiaro torovana ka namonjy sisi-dranomasina misy tora-pasika no sady mbola nandinidika fatratra teny ihany. Tsitapitapitr’izay dia nahita ankizy kely nilalao teo amorom-pasika izy. Indro ilay zaza fa manao lavaka kely eo amin’ny tora-pasika ary mitaona ranomasina ho ao an-davaka. Niverimberina teo ity zaza; hany tsy naharitra i Masindahy Augustin fa nanantona ary nanontany azy: “manao inona ianao anaka?”, “mameno ranomasina an’ity lavaka ity aho sady tiako ho taomina ho ato avokoa ny ranomasina”. Namaly azy ity lehilahy lalim-pandinihana hoe “sarotra ho anao ny manao izany ary tsy ho feno rano na oviana na oviana io lavaka io satria fasika ny toerana; ankoatr’izay moa dia lehibe sy midadasika ny ranomasina ka tsy ho tapitrao na oviana na oviana”. Fa namaly tsotra sady tsy naka sarotra ilay ankizy kely hoe “moramora ho ahy kokoa ny mameno ranomasina ity lavaka ity noho ny andinihanao ny Misterin’ny maha-Olona Telo an’Andriamanitra”. Ny hafatra tiana ho tsoahina amin’izany dia tsotra: Mistery ny maha-Olona Tokana an’Andriamanitra izay Ray, Zanaka, Fanahy Masina ary ao amin’izany Mistery izany no itoeran’ny Maha-Andriamanitra Azy. Tsy dia ny hahalalantsika ny Mistery no zava-dehibe fa ny Fiasany sy ny Fahasoavany omeny antsika; amin’ilay ohabolan-drazantsika hoe “hahoanao inona omby maty fa ny hena no hanina”.

Iraka telo, miainga amin’izany fanomezam-pahasoavan’ny Olona Telo zary tokana izany no anafatrafaran’i Kristy antsika kristianina rehetra an’io: Mandeha, Mampianatra ary Manao Batemy. Tsy natao hipetrapetraka ny Kristianina fa voairaka ho Misionera handeha eo anivon’ny Fiaraha-monina misy azy. Ny andraikitra iantsoana azy dia ny hampianatra ireo mpiray petsapetsa aminy momba ny Vaovao Mahafaly, dia ilay Andriamanitra eo anivontsika fa tsy alavitra tsy akory. Ny Adidy hiantsorohany dia ny manao Batemy ireo olona mino izany amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0608