Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa

Alahady Fahaenina amin'ny Paka

Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitoera amin'ny Fitiavako ianareo” (Jn 15, 9-17)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Teny miverimberina im-betsaka amin’ity Evanjely vakiana amintsika androany ity ny teny hoe “fitiavana” ary tsy ao amin’ny Evanjely ihany fa ao amin’ireo vakiteny vakiana amintsika amin’ity alahady faha-enina amin’ny Paka ity mihitsy koa aza. Fitiavana: teny kely fa mafonja ary tsy misy olona ka afaka hilaza hoe tsy mila izany. Fiainana ny Fitiavana. Fifampizarana fampianaram-pinoana momba ny fitiavana no hifanolorantsika eto anio ity; Fitiavana arakan’ny irian’ny Tompo hivelomantsika tsirairay avy.

Voalohany indrindra aloha dia lazaina ety am-piandohana fa teny mora tononina ny Fitiavana fa saingy sarotra iainana. Mora ny milaza sy miteny hoe “tiako” fa ny miaina izany kosa dia mitaky adidy sy andraikitra goavana eo amin’ilay “tia” sy ilay “tiavina”. Mizara telo mazava tsara ny fampianaran’i Kristy amintsika androany amin’ity Evanjely anio itikatra. Ny hevi-dehibe voalohany dia ny mahakasika ny Fifankatiavan’Izy sy Andriamanitra Rainy. Lazain’ny Krisy amin’ny Mpianany fa henikin’ny Fitiavan’Andriamanitra Rainy Izy dia atobany amin’izy ireo koa ny Fitiavany mba hahafahan’izy ireo samy izy ireo mifankatia ihany koa satria ny fifankatiavan’izy ireo no ho antoka hahazoan’izy ireo hafaliana ao am-po. Noho izany; ny Fitiavana ao anatintsika tsirairay dia fanomezana avy amin’Andriamanitra. Tsy misy olona mahay manamboatra Fitiavana fa ny Fitiavana dia efa voa-janahary ao anatitsika. Ny vokatrin’ny Fitiavana dia ny hafaliana. Azo tsapain-tànana tanteraka izany satria ny fahoriana indrindra eto ambonin’ny tany dia ny fahatsapana fa “tsy misy olona mitia”. Firifiry moa ireo olona atao hoe nanan-daza sy nanan-karena be kanefa noho ny fahatsapan’izy ireo fa ory fitiavana izy dia zara raha faly akory. Firifiry ireo zatovo, eny fa na olon-dehibe ihany koa aza, no mamoy fo ka manary sy mamono tena satria “tsy henika fitiavana”. Ny fototrin’ny hafaliana eto an-tany dia ny Fitiavana.

Manaraka izany, ny hafatra faharoa ho antsika dia ny momba ny didy izay asain’i Kristy hiainantsika; isika izay mitonona ho mpianany. Matetika moa rehefa misy fiombonana sy fihaonana dia tsy maintsy misy ny fitsipika sy sata mifehy ny mpikambana. Ho an’i Kristy, ny sata mifehy antsika kristianina mpanara-dia Azy dia tokana ihany: Fitiavana. Didy tokana no amehezan’i Kristy antsika sy tokony hifampifehezantsika dia ny Fitiavana; tsy fitiavana fe fitiavana anefa fa “Fifankatiavana”. Tsy atao fombafomba fotsiny tahaka ny “Vitsika mifanoroka lava, tsy dia fitiavana fa fomban-drazana” anefa izany fa misy endrika sy lasitra arahina. Ny Lasitra arahina amin’izany fifankatiavana izany dia ny fahafoizana ny aina ho an’ny olon-tiavina. Marihiko manokana fa matetika isika rehefa mandray sy mandinika ity teny ity dia mitongilana mandrakariva amin’ny Fahafatesana no ao ambadikin’ny teny hoe “mahafoy ny aina”; izay eo ihany fa ny fahafoizana ny aina dia tsy inona akory fa ny fandraisana andraikitra sy adidy ary fisahiranana hikatsaka izay mahasoa iombonana ao anatin’ny fifankatiavana. Ny fivelomantsika izany fitiavana ao anatin’ny fifanompoana izany dia mampitovy antsika tanteraka amin’i Kristy. Ny hafatra fahatelo dia ny fanambaran’i Kristy fa Izy no nifidy antsika. Noho izany; matoa isika toy izao, matoa isika mbola afaka mahavita izay kasaintsika sy heverintsika tokony hatao dia tsy noho ny herintsika fa noho ny Fitiavany manana amby ampy hanaloka antsika mandrakariva amin’izay atao rehetra. Matoa isika mahomby eo amin’ny fiainana dia tsy nohon’ny herintsika loatra fa noho ny herin’i Kristy miasa ao anatintsika satria “Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana, an-koditra vao mahangoly”.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101