Izaho no tena foto-boaloboka

Alahady Fahadimy amin'ny Paka

Izaho no tena foto-boaloboka,

ianareo no sampany ary ny Raiko no mpamboly” (Jn 15, 1-8)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Marina fa tsy dia ao anatin’ny tontolon’ny fambolena malagasy loatra ny voly voaloboka; na izany na tsy izany, amin’izao ankehitrintsika izao dia efa betsaka anefa ny mamboly voaloboka, tsy ho an’ny asa fanaovan-divay ihany fa indrindra aza ho an’ny voankazo. Betsaka ny fianakaviana malagasy no efa manana foto-boaloboka fa sady haingon-tànana no voankazo ho an’ny sakafo ihany koa. Noho izany, tsy dia sarotra loatra ho antsika ny mahazo ny tian’i Kristy hambara amintsika amin’ity fanoharana mifono fampianarana Lalina ity.

Amin’ny maha fanoharana azy dia misy sary itondran’i Kristy ny saintsika sy ny fandinihantsika mba hahazahoantsika ny tiany hambara. Ireo kisary ireo no ho fakafakaintsika sy havoitrantsika amin’izao fifampizarana izao. Ny voalohany amin’izany dia ny foto-boaloboka. I Kristy no foto-boaloboka. Izy no fototra. Ny sampam-boaloboka dia isika olombelona tsirairay; isika rehetra mihitsy: tsy hoe ny kristianina ihany fa ny olombelona rehetra mihitsy, tsy misy avakavaka na fanavahana saranga fa ny tsirairay. Ny Mpamboly dia Andriamanitra Ray. Ny Mpamboly ary mikarakara ny voaloboka sy ny rantsana dia Andriamanitra. Mazava ny ilazan’i Kristy ny Tenany; Izy no fototra. Isika rehetra kosa dia rantsany avokoa. Ny rantsana rehetra dia voaantso hitondra vokatra sy hamoa avokoa. Ny voa tian’i Kristy hambara dia tsy inona tsy akory fa ny “soa” entintsika eo amin’ny fiainana; tsy soa ho an’ny tena anefa fa ho an’ny fiaraha-monina misy antsika tsirairay. Voaantso hitondra ny mamy eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika isika rehetra; tsy ny kristianina ihany fa ny rehetra mihitsy. Eo amin’izay sehatra misy antsika dia manana adidy hitondra ny mamy isika rehetra; ary arak’izay azo atao dia mba ho mamy mandrakariva. Lazain’i Kristy fa izay sampana mitoetra eo Aminy, izay foto-boaloboka, dia tsy maintsy hamoa be ary tokony ho mamy mandrakariva. Tsy misy sampana afaka mahazo roka avy amin’ny tenany fa tsy maintsy avy amin’ny fototra mandrakariva. Ny aina ivelomantsika dia tsy ny aintsika intsony fa ny ain’i Kristy. Eto dia tsaroako ilay tenin’i Md Paoly hoe “tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko”. Isika rehetra, matoa velona, matoa misy ny vokatra tsara ara-panahy sy ara-pitondran-tena eo amintsika, dia tsy noho ny herintsika fa noho ny ain’i Kritsy mikoriana ao amintsika. Matoa ireo olomasina zokintsika nahavita asa soa betsaka ary namela mamy tsy hay isaina sy karazanina dia satria nivelona ny ain’i Kristy izy ireo. Noho ny tafiodrivotrin’ny fiainana lalovantsika anefa, izay mampisafotofoto antsika sampana ka mahatapaka antsika eo amin’i Kristy foto-boaloboka, dia mihintsana isika ary latsaka amin’ny tany. Noho izany, dia voatery atao botiry indray isika, voatery mamitrana ny fihavanana amin’i Kristy amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana ary afatotra indray amin’ny Kristy ny fiainantsika. Soa ihany aza nisy izany Sakramenta lehibe izany hamitrana antsika amin’i Kristy ka hahafahantsika migoka indray ny Aina avy Aminy. Andriamanitra Ray, ilay Mpamboly antsika, noho ny fanomezam-pahasoavany manana amby ampy no manao botiry antsika indray ao amin’i Kristy. Ary tsy izany ihany fa Izy ihany koa no mikarakara sy mamelona antsika. Izy no miaro antsika tsy ho hanin’ny fozoka, Izy no miaro antsika amin’ny ratsy manimba ny fanahy. Matoa isika mbola mitondra vokatra tsara ihany koa dia noho ny fikolokoloany antsika isan’andro vaky. Ny ivelomantsika dia ny Ain’i Kristy, izany hoe ny Fitiavany. Ny voa tsara ho vokarintsika dia tsy inona akory fa ny Fitiavana; fitiavana ny hafa ary fitiavana ny Fiangonana Reny.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098