Mitady an'i Jesoa Nazareana ilay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana ianareo

Asabotsy masina

Mitady an'i Jesoa Nazareana ilay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana ianareo; efa nitsangana tamin'ny maty Izy, ka tsy eto” (Mk 16, 1-6)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ô ry alina tomaratra soa ary alina mitondra haravoana,

Ô ry alina tsy manan-tsahala sady alina masina indrindra.

Ilay Pakan’ny Tompo nahary, ilay Pakan’i Jesoa Mpamonjy,

ilay Pakan’ny fiainana an-tany. Miravoa ry tany aman-danitra.

Mireondreona eran’ny Fiangonana rehetra izany tononkira izany anio alina; amin’ny feo isan-karazany arak’izay manavanana ny besinimaro. Tarafin-jiro mihelotrelona mora malefaka ny endrikin’ny kristianina rehetra no miventy izany hira mambabo fo sy mahangolingoly aty fanahy izany. Tazana eny amin’ny endrikin’ny tsirairay ny hafaliana sy ny haravoana. Somariaka ny mpiray fiangonana ary henika dia henika ny rehetra ao anatin’ny haravoana ka samy manao angoan-tenfa manandra-peo avo mankalaza ity alina ity. Indray mandeha isan-taona ihany no anaovana izany hira izany eo anivon’ny fiangonana ary indray mandeha tsy miverina fa ny alin’ny Asabotsy masina ihany. Alina Masina manko ny Asabotsy alina.

Ny alin’ny Asabotsy Masina no fankalazana fototran’ny finoana kristianina. Io alina io no ankalazana an’i Kritsy maty fa nitsangan-ko velona ary nandresy ny fahafatesana nampihirohoro ary mampiferitr’aina ny maro. Novonoina i Kristy, maty teo ambony hazofijaliana Izy, nalevin’ireo fianakaviany sy ireo namany akaiky. Fa nitsangan-ko velona kosa Izy. Ary tsy vitan’ny nitsangan-ko velona fe nitsangan-ko velona Izy fa nanaiky ho lafika ihany koa mba hahazahoan’ny tsirairay amintsika hanana anjara amin’ny fitsanganan-ko velona ihany koa. Izany no maha andro manokana ity andro anio ity satria ity andro anio ity no ankalazana ny fototrin’ny Finoaka kristianina. Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy dia inona moa izany ny Finoana fa poak’aty tanteraka.

Misy fomba amam-panao ara-litorjika fanao miavaka ihany koa amin’ity andro an’io aty. Ireo no andeha hifampizarantsika ny hevi-pinoana entiny ho antsika. Ny voalohany indrindra amin’izany dia ny “Afo vao”. Ny afo lehibe izay arehitra, matetika moa eny an-tokontanim-piangonana no anokoana azy, dia manambara an’i Kristy nandresy ny fahafatesana ka velona sy mijoalajola eo anivon’ny haizina; ka sady manazava ny alim-piainantsika izy no manafana ny fontsika izay efa vonton’alahelo. Io afo vao io avy eo no andrehetana indray ny Jiron’ny Paka. Mbola tandidon’i Kristy ihany koa io Jiron’ny Paka io. Natokana hirehatra mandritran’ny taona io Jiron’ny Paka io, ny kendrena dia ny hirehetany isan’andro ao am-piangonana. Ny tandindomina amin’izany dia i Kristy Fanilo sy Fanazava ny fiainana maha Kristianina. Isakin’ny mihaona roa na telo ny kristianina ao am-piangonana dia mirehitra eo anivony ihany koa i Kristy ary tsy eo amin’io fotoana io ihany anefa fa mandritran’ny fiainana manontolo mihitsy. Ankoatr’izany, dia eo ihany koa ny famakiana ny Tantaram-pamonjena; vakiana amintsika ny fizotrin’ny Tantaram-pamonjena, hatramin’ny namoronana an’izao tontolo izao ka mandra-pahatongan’i Kristy. Ny tiana havoitra amin’izany dia ny hahatsapantsika fa na eo aza ny fahadalan’ny zanak’olombelona nandao ny fahasoavan’Andriamanitra, Andriamanitra kosa tsy mahafoy ny olombelona fa mamonjy azy mandrakariva. Ary ny ivon’ny fankalazana moa dia ny Sorona Masina. Tonga ny Nofo i Kristy, dia nanaiky ho Mofo, zaraina mba ho zary Aina.

I Kristy nandresy ny fahafatesana anie hampandresy antsika amin’ny ratsy rehetra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2557