Tamin'izany, nalain'i Pilaty i Jesoa ka nasainy nokapohina

Zoma masina

Tamin'izany, nalain'i Pilaty i Jesoa ka nasainy nokapohina" (Jn 19, 1)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Zoma Masina androany; zoma hafa amin’ny zoma rehetra. Zoma somary malomalok’endrika. Zoma mangingina. Ny zavatra tena tsaroako raha vao hoe zoma masina dia ireto zavatra efatra ireto: tsy misy hira fidirana, lava dia lava ny Famakiana ny Evanjely, misy ranombavaka be dia be ary milahatra mitandahatra ny olona rehetra mpivavaka manoroka ny Lakroà masina. Tsy hoe satria pretra aho no mahatsiaroa n’izany fa fony mbola fahazaza izany fahatsiarovana izany no mitoetra tsy hay fafaina mihitsy fa mitoetra mandrakariva. Vao nifoha tamin’ny maraina dia sady nisento tokana hoe “zoma masina androany” no sady nitambolona tantsaiko avokoa ireo tsiahy sy embona ary tadidy an-tsary ireo. Zoma masina androany.

Ataoko fa tsy izaho irery no manana tahiry an-tsaina an’izany sarisary rehetra izany raha vao miteny hoe Zoma masina, ary inoako fa misy itovizana amin’ireo efa nolazaiko ireo avokoa, ankoatr’izay manintona manokana ny tsirairay amin’ireo fihetsika madinidinika fanao rehefa zoma masina tahaka an’izao. Ity andro zoma masina androany ity tokoa dia tena hafa raha samy hafa amin’ny andro rehetra lalovantsika mandavataona raha lafiny ara-pinoana no jerena. Miavaka dia miavaka ny fomba amam-panao ara-litorjika fanao amin’ity andro androany ity ary tsy izany ihany fa misy fihetsika tsy fanao raha tsy amin’ity andro anio ity ihany. Maromaro izy ireo fa ny hifampizarantsika eto dia ireo efa natsidiko tery am-piandohana tery ireo; tsy hoe fanaovana tsinotsinona ny fihetsika hafa akory fa saingy tsy afaka hivalapatra loatra isika dia ireo no hozahantsika. Ireo fihetsika am-pankalazana rehetra ireo dia manana ny dikany sy ny sandany avokoa ary ny ivon’izany fanehoana litorjika izany dia ny fanamarihana manokana ny fijalian’i Kristy sy ny nahafatesany. Rehefa mandroso mangina tsy misy hira fidirana ao am-piangonana ny Mpitarika dia maneho fa misy fahoriana ary iombonana izany fahoriana izany. Ho antsika malagasy dia an-koditra mihitsy izany fomba amam-panao izany; ny anamarihana fa misy fahoriana midona ao amin’ny fianakaviana iray dia ny fahanginana sy ny fahamaotonan’ny olona rehetra. Anamarihana sy ankalazana ny fahafatesan’ny Kritsy ny andro zoma masina ka miondrika amin’alahelo ny iray Fiangonana ary miombona alahelo amin’ny zanak’Andriamanitra maneran-tany. Indray mandeha isan-taona ihany no manao toy izany ny Fiangonana dia ny zoma masina. Ny manamarika ihany koa ity andro anio ity dia ny famakiana ny tantaran’ny Fijalian’i Kristy. Marina moa fa atao ihany koa ny famakiana izany Evanjely izany ny Alahadin’ny sampankazo saingy ny manamarika manokana an’ity andro anio ity dia ny fanehoana izany ao anatin’ny alahelo sy ny fangirifiriana. Zoma masina androany. Isan’ny miavaka ihany koa amin’ity andro an’io ity dia ny ranombavaka isan-tsokajiny. Miombona ary mitambatra amin’ny fijalian’i Kristy, ny kristianina rehetra dia manandratra vavaka amin’Andriamanitra Ray ho an’ny sehatra rehetra isan-karazany mba tsy hisy ho very anjara fa samy hianoka fahasoavana ny tsirairay. Ankoatr’izany, ary azo lazaina ho fihetsika miavaka dia miavaka ihany koa amin’ity andro anio ity, dia ny fanajana sy ny fanorohana ny Lakroà masina. Raha olona tsy te-handinika lalina sy tsy te-handalina ny finoana aloha dia alaim-panahy hiteny hoe finoanoam-poana. Fa izay sahy maneho ny finoana sy miaina izany no sahy milaza fa mari-pitiavana ny Hazofijaliana no atao amin’izany. Ary hamaranako azy, ny tena manaitra ahy ihany koa amin’ity andro anio ity dia satria anio ihany, amin’ny andro rehetra mandritran’ny taona no ilazana ny pretra mba tsy hanao Lamesa na Sorona masina fa ireo fankalazana ireo no arahana sy toavina.

Hanamaivana ny fijaliantsika rehetra anie ny fijalian’i Kristy.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793