Manaova izao ho fahatsiarovana ahy

Alakamisy masina

Raiso ary hano, ity no vatako ho anareo…

Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin'ny Rako;

manaova izao ho fahatsiarovana ahy.” (1Kor 11, 23-26)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Andro lehibe eo amin’ny finoantsika, eo amin’ny Finoana Kristianina ity andro androany ity satria tsarovana androany manokana ny namoronan’i Kristy ny Eokaristia. Marina moa fa samy andro lehibe avokoa ireto andro telo ireto izay ivon’ny Fankalazana Kristianina ka ahatsiarovana sy iderana ary iainana manokana ny Fanavotana nataon’i Kristy antsika rehetra; tsy afaka misaraka manko ireto andro telo ireto fa toy ny andro iray ihany izy rehetra satria fankalazana iray ihany no tiana havoitra amin’izao. Andeha ary hojerentsika manokana ary hifampizarantsika eto ny mampiavaka an’ity andro androany ity dia ny Alakamisy Masina. Haompantsika manokana amin’ny fiainana kristianina sy ny fiatrehana ny finoana amin’izao ataontsika andavanandro izao fifampizarana izao fa sanatria akory tsy ho hevitra teolojika sarotra ampiharina.

Hevi-pankalazana roa goavana dia goavana no avoitra amin’ity andro anio ity: ny namoronan’ny Tompo ny Eokaristia ary ny nanasany ny tongotrin’ny mpianany. Rehefa akaiky ny fotoan’ny Paka jody, dia mba niakatra namonjy ny renivohitra niaraka tamin’ny Mpianany ihany koa i Kristy. Noho izany, tsy hoe akory fomba vaovao noforonina taty aoriana ity paka ity fa efa nolovaina tamin’ny vahoaka jody. Ny ankalazain’ny vahoaka jody amin’ny fankalazana ny paka dia ny fahatsiarovana ny namoahan’Iaveh azy ireo avy any Ejipta, tany nanandevozana azy ireo ka nizorany ho any amin’ny tany fampanantenana. Tsy mifanalavitra amin’ny fetintsika malagasy mankalaza ny faha-26 jiona ihany koa satria andron’ny fanafahana izany. Ny fomba amam-panao rehefa mankalaza ny paka dia miaraka misakafo ny mpianakavy, na ny mpinamana akaiky dia akaiky. Nanatanteraka izany fety izany koa i Kristy niaraka tamin’ireo mpianany. Fa saingy, ny nampiavaka ny Azy dia endrika Paka vaovao no niarahany sy nifampizarany tamin’ny mpianany. Nivavaka Izy ary nozarainy tamin’ireo mpianany ny mofo. Teo am-pizarana izany mofo izany izy no nilaza fa tsy mofo intsony io fa ny Nofony mihitsy. Dia toy izany koa ny divay; nomeny ny mpianany ka nolazainy fa tsy divay intsony io fa ny Rany mihitsy. Ary namepetra Izy ny hanaovana izany mandraka ankehitriny mba ho fahatsiarovana Azy. Tanteraka feno tao anatin’izany fotoana fohy izany ny endri-panavotana handraisantsika rehetra anjara ankehitriny. Tadidinao angamba i Kristy fa efa niteny mialoha Izy fa izay mihinana ny nofony sy misotro ny rany dia hanana ny fiainana mandrakizay. Eto indrindra no tanteraka izany teniny izany ka tsy fety ankalazaina intsony ny Paka fa tena antoka ho amin’ny fahavelomana mihitsy indray nanomboka hatreo. Ny Fankalazana ny Alakamisy masina ataontsika androany dia fanaovana ho ankehitriny ny 2000 taona lasa ka andraisantsika anjara amin’ny tantaran’ny fanavotana sy ankalazantsika ny mandrakizay omena antsika mitafotafo ao amin’ny Eokaritsia.  

Manamarika indrindra ihany koa ity andro anio ity dia ny nanasan’i Kristy ny tongotrin’ny mpianany. Tsotra ny Teniny: raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza manasa ny tongotrareo, dia ianareo samy ianareo ihany koa dia tsy maintsy mifanasa tongotra. Na ho ara-bakiteny, na ho ara-kevitra dia marina amin’ny lafiny rehetra io Teniny io. Ny famaritana ny toe-tsaina kristianina, miavaka amin’ny toe-tsaina sy foto-pisainana hafa rehetra dia ny fahafoizan-tena hanompo ny hafa sy hikendry ny soa toavina iombonana mandrakariva, mihoatra noho izay ilain’ny tena.

Mirary Alakamisy Masina finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085