Hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo

Alahadin'ny sampakazo

Hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo; hohasoavina anie ny fanjakan'i Davida raintsika izay efa tonga izao; hosana any amin'ny avo indrindra.” (Mk 11, 10)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Alahadin’ny Sampankazo androany. Misy fombam-pinoana anakiroa mampiavaka an’ity andro androany ity ho antsika Kristianina Katolika. Ny voalohany dia ny fanofahofana ny sampankazo mandritra ny dia-vavaka na ihany koa ao am-piangonana, ho an’ny toerana sasany. Mandritran’ny dia-vavaka dia sady manofahofa sampankazo isika rehetra no sady mihira ihany mankalaza an’i Kristy Tompo ho mpanjaka lehibe. Dia izany tokoa anie no tian’ity fankalazana ity hambara e. Mpanjaka i Kristy ary hobiana sy ankalazaina amin’izany maha-mpanjaka Azy izany Izy miditra ao an-tànana. Tahaka ny mpanjaka sy mpifehy rehetra miditra an-tànana dia hobiana ihany koa i Kristy Jesoa amin’ity andro androany ity. Tandremana mafy anefa mba tsy ho fombafomba fotsiny, tsy mitondra amin’ny finoana no hanaovana izany fomba fankalazana izany. Ny irariana dia ny mba hahazahoantsika rehetra ny mety ho hevi-dalina amin’izany fankalazana izany.

Ny fombam-pinoana faharoa izay manamarika ity andro androany ity ihany koa dia ny famakiana sy ny fiainana ny Fijalian’i Kristy. Amin’ny fotoana amakiana ny Evanjely dia vakiana amintsika manontolo ny fitantarana ny Fijalian’i Kristy, manomboka eo amin’ny fidirany ao an-tanàna ka mandrapialany aina eo ambony hazofijaliana. Amin’ny toerana sasany, izay tsy manana fotoana firy hamakiana manontolo izany fitantarana izany, noho ny antony maro samihafa sy ny noho ny fomba amam-panao efa miova dia hafohezina izany fitantarana izany; na izany na tsy izany anefa dia miavaka ihany satria voatantara ampahany ihany izany fijalian’i Kristy izany. Mandritran’ny famakiana ny fitantarana ny fijalian’i Kristy, manomboka hatreo amin’ny fitsarana azy ka mandrapialany aina dia tsapa sy azo hevitra fa resy ny rariny rehefa anaovan’ny tsy rariny tamba-be. Ireto hevitra manaraka ireto kosa ary no fomba fijery Kristianina azo tsoahina amin’ireo fanehoana ivelany ny fankalazana ny sampankazo ireo.

Rehefa mandinika ny nataon’ireo jody mpiray tanindrazana amin’i Jesoa isika dia mahazo an’eritreritra fa tsy rariny ny zava-nisy. Manome tsiny an’i Pilaty fa mpitsara miangatra, manome tsiny an’ireo mpanora-dàlana sy ireo lohandohan’ny mpisorona fa mamono ny rariny amin’ny fanendrikendrehana tsy mari-pototra, manome tsiny an’ireo vahoaka nihorakoraka hoe “fantsiho amin’ny hazofijalina io”. Ary ny tena maha valalanina ny fandinihantsika dia ny mandinika fa ireo olona nanofahofa sampankazo tamin’ny nidiran’i Kristy tao an-tànana ireo ihany anie avy eo no nihorakoka hoe “vonoy Izy”. Manome tsiny isika manoloana izany rehetra izany. Fa tsy tsapantsika ankehitriny anefa fa isika koa dia toy izany amin’ny andavanandrontsika. Milaza ny raim-pianakaviana amin’ny vadiny fa tiany izy, dia dokadokafany sy hobiany ary ankalazainy eo imasony eo. Fa io raim-pianakaviana io ihany avy eo no miteny amin’ny namany avy eo, rehefa ilay samy tafahaona iny fa “manao izao sy toy izao sy izao” ny vadiny. Tahaka izany koa ny vehivavy andefimandry. Eo imason-dralehilahy eo izy dia milaza fa tiany ary ankalazainy sy hobiany fatratra. Fa rehefa tafahaona amin’ny namany eny am-patsakana sy eny ampanasan-damba dia izy ihany anefa avy eo no manaratsy ny vadiny. Tahaka izany koa ny zanaka manoloana ny ray aman-dreny ary ny ray aman-dreny manoloana ny zanaka. Ka inona moa izany fa i Kotozafy ihany no Ralekisisy; ny “Jesoa” hita maso ho an’ny tsirairay dia ireo olona lazaina fa akaikin’ny fo. Isakin’ny manao izany fihetsika izany amin’ireo olona akaiky ireo isika dia manao tsisy valaka mitovy amin’ny nataon’i Jody. Diniho akaiky.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379