Ary izaho rahefa tafasandratra hiala amin'ny tany...

Alahady Fahadimy amin'ny Karemy

Ary izaho rahefa tafasandratra hiala amin'ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona ahy” (Jn 12, 20-33)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Manapitra an’ity herinandro ity isika mianakavy dia miroso indray amin’ny herinandro fankalazana ny Paka. Ity Alahady androany ity no alahady faha-dimy amin’ny Karemy izay natokana hiomanam-panahy amin’ny fankalazana ny Paka. Mandeha ny fotoana ary misosa toy izany koa ny ora; heveriko fa fotoana izao, indrindra amin’ity herinandro diavintsika ity hametrahaa fanontaniana hoe “nanao ahoana ny fomba niatrehako ny karemy?” Samy hanana izay ho valinteniny ny tsirairay ary izay indrindra no ilaina; tsy hitsara ny hafa fa samy hitsara tena, tsy hanakipily ny tsy fahombiazana amin’izay ezaka natao fa handray lesona hanatsarana ny hoavy.

Ireo Vakiteny efatra miantona izay vakiana ho vatsim-panahintsika mandritra ity alahady itikatra sy mandritra ny herinandro vaovao izay ho diavintsika dia mampianatra fa ny irian’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona dia tsy ny fanamelohana sanatria, fa ny hahazahoan’ny daholobe ny famonjena. Izany Famonjena izany dia fanomezana tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra ary tontosainy ao amin’ny Fanekem-pihavanana vaovao. Ny anamarihan’Andriamanitra izany Fanekem-pihavanana vaovao izany dia tsy mba tamin’ny alalan’ny ram-biby fa ny ran’ny Zanany lahy tokana mihitsy no nafoiny ho “joro” hampihavana antsika Aminy. Nanaiky ho tonga Nofo ny Zanany mba hahatonga antsika izay nofo ho zanaka ao amin’Andriamanitra indray. Ny Làlana nahantaterahan’izany Famonjena izany dia ny fanetren-tenan’i Kristy, ilay Andriamanitra nefa dia nanaiky ho tonga olombelona. Tò ny famonjena antsika satria, tsy vitan’ny hoe maty ka nitsangan-ko velona fotsiny io Zanak’Andriamanitra io, fa izay rehetra mino Azy dia hiaraka hitsangana aminy ihany koa ary hahazo ny fiainana mandrakizay.

Fifampizarana moa ity ataoko eto ity ka tiako ihany koa ny mizara amintsika ampahan-dahateny fohy ao amin’ny Evanjely. Tsy izany manko fa “nisy jentily sasany anisan'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro fety, nanatona an'i Filipo, izay avy tany Betsaïdan'i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: Tompoko, mba te-hahita an'i Jesoa izahay”. Nanaitra ahy io andalan-tsoratra Masina io; marina fa manaitra ny Soratra Masina rehetra fa saingy nanintona ny saiko kokoa io ampahany io, sady io rahateo moa no fehezanteny manomboka ny Evanjely vakiana amintsika amin’ity andro anio ity sy ny herinandro diavintsika izao. Amin’ny dikateny hafa, ireo jentilisa ireo dia lazaina mazava fa grika. Na grika, na jentilisa, ny tiana ho lazaina dia hoe olona vahiny tsy mahalala izay atsimo sy avaratra momba ny finoana Jody ary tsy mahalala izay ambaindainy momba an’izany Kristy izany. Asa ianao raha toa ahy koa fa indraindray dia sedra toe-javatra tahaka izany. Misy olona heverina ho tsy kristianina akory, misy olona heverina ho tsy mpino akory, misy olona heverina hoe tsisy ho raisina amin’izany resaka finoana izany, misy olona tena tsy ampoizinao nefa dia manatona anao ary manontany sy mila hevitra ary miangavy anao mihitsy aza mba hilazanao ny momba an’izany Jesoa avy any Nazareta izany. Tsy kisendrasendra izany fa Làlana itondran’Andriamanitra mihitsy. Ary tsy izay ihany fa ao dia ao ihany koa ny faniriana mafy. Dia izaho anefa, milaza ho kristianina, milaza ho mpivavaka, milaza ho akaiky an’i Kristy, dia mba impiry angaha aho no mba nanontany ny hafa, na farafaharatsiny mba nanontany ny tenako hoe “atoroy ahy ny misy an’i Kristy”. Ny tiana ho lazaina eto tsy dia ny “toerana” akory fa ilay fanontaniana dia mifono faniriana lalina hihaona amin’i Kristy. Mba impiry akory aho no mba naneho ny faniriako lalina an’i Kristy. Ary ianao? Samia mamisavisa.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.082