Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko

Alahady Fahatelo amin'ny Karemy

Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko” (Jn 2, 13-25)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny Evanjely aroson’ny fiangonana ho antsika androany sy ho an’ity herinandro vaovao diavintsika ity dia azontsika lazaina fa mitondra hevi-dalina anakiroa izay samy mahakasika ny fiainantsika sy ny finoantsika ankehitriny avokoa. Marina fa i Kritsy no niaina izany zava-misy izany “tamin’izany andro izany” fa saingy amin’ny maha-Kristianina antsika dia mandray anjara amin’ny fiainana izany Fiainany izany koa isika ankehitriny. Ny fizarana voalohany dia ny mahakasika ny nandroahan’i Kritsy an’ireo mpivarotra sy mpanakalo vola tao an-tempoly ary ny faharoa kosa dia momba ny faminaniany sy ny filazany mialoha fa tsy maintsy ho faty Izy ary afaka hatelona dia hitsangana ho velona indray.

Isika malagasy dia manana ohabolana maromaro momba ny vola; toy ny hoe “ny vola no maha rangahy” sy ny hoe “ny vola no hozatry ny fiainana”. Ilaina ny vola ary ilaina amin’ny lafiny rehetra; raha mbola te-hihinana sy hisakafo dia ilaina ny vola, raha-te hitafy ara-dàlana dia ilaina ny vola, raha-te hianatra sy handalim-pahaizana dia ilaina ny vola. Fa tsy eo amin’ny lafiny ara-nofo ihany fa na dia ny amin’ny ara-panahy koa dia ilaina ny vola; raha te-hamonjy fihatahana masina mba hanamasin-tena dia ilaina ny vola. Eny fa na dia any am-piangonana aza dia ilaina ny vola; raha tiana handeha ny raharaham-piangonana dia ilaina ny vola. Handray ohatra akaiky aho. Mampiasa herin’aratra ny fiangonana mba tsy ho ao anatin’ny haizina no hivavahan’ny Kritsianina; mila vola izany. Rehefa tonga ny ririnina toy izao aty Eoropa dia mampiasa angovo ny fiangonana mba hanafanàna ny fiangonana; mila vola izany. Mba tiana ho mendrika sy mihaja ny fiangonana ka haingoina sy lokoina ary atao madio; mila vola izany. Fa tsy izany ihany. Misy koa ireo olona izay manome ny androny sy ny fiainany manontolo hikarakara ny fiangonana; ireny olona ireny anefa tsy ho azo atao tazan-davitra fotsiny fa mba mila misakafo sy mitafy arakin’ny efa nolazaintsika tery ambony: mila vola izany. Ary tsy azo hadinoina fa misy koa ireo asa aman-draharaha andrasan’ny fiaraha-monina amin’ny fiangonana; tsy inona moa fa ireo asa fitiava-namana sy fanaovantsoa: mila vola izany. Dia rariny ihany raha misy vola be mihaodihaody ao am-piangonana. Fa ny tsy mety kosa indray, ary izay indrindra no tokony hotoherintsika kristianina, dia ny fametrahana fotoana betsaka ho amin’ny resaka ara-bola rehefa hoe fotoana hivavahana. Zavatra misy manko any amin’ny fiangonana misy antsika any ny hoe ny fotoana ivavahana sy isaorana an’Andriamanitra kely lavitra noho ny fotoana laniana anaovana adi-hevitra sy fikaonan-doha ho an’ny lafiny ara-bola. Adidintsika kristianina tsirairay ny manohitra ireny zava-misy ireny fa tsy hoe akory dia hanaraka ambokony sy hanara-drenirano fotsiny amin’izao, kanefa hita fa dia fomba tsy mety sy tsy mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Kristy. Anjarantsika kristianina ihany koa ny miteny sy mananatra ary manitsy ireo mpitondra fiangonana rehefa hita fa “tia vola” sy manangon-karena amin’ny fanaovana ireo asam-piangonana izy: adidintsika mihitsy izany.

Ny fampianarana faharoa moa arakin’ny efa natsidiko tery am-piandohana dia ny momba ny hahafatesan’i Kristy sy hitsanganany ho velona afaka hateloana. Matoa isika mandalo amin’izao karemy izao dia ny mba hiomanantsika bebe kokoa amin’izany fotoana lehibe hankalazaintsika izany afaka herinandro roa. I Kristy maty sy nitsangan-ko velona no fototrin’ny finoantsika Kristianina ary tsy afaka manao ambanin-javatra izany fankalazana izany isika fa io no antoka lehibe indrindra maha-antsika antsika. Sarotra inoana ary tsy ahitam-baliny ara-tsiantifika izany fitsanganan-ko velona izany; eo indrindra no ilaina ny finoana mba hampijoro maharitra sy hampifikitra amin’i Kritsy Mpandresy ambonin’ny Mpandresy.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0428