Fa izany no nivoahako

Alahady Fahadimy tsotra Mandavan-taona

Andeha isika hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa;

fa izany no nivoahako.” (Mk 1, 29-39)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny Evanjely masina vakiana amitsika amin’ity Alahady ity sady ihany koa ho vatsim-panahintsika mandritra ity herinandro vaovao diavintsika ity dia manjohy izay efa novakiantsika tamin’ny alahady heriny. Rehefa nampianatra sy nanasitrana ilay lehilahy azon’ny demony tao amin’ny Sinagôga i Jesoa dia nitsaitsaika nivoaka tao. Mazava loatra fa narahin’olona maro sy ireo mpianany Izy, ary dia nivantana tao an-tranon’i Simôna. Nony tonga tao Izy dia sendra ilay ramatoa rafozan’i Simôna nandry am-pandriana nohon’ny fanaviana. Rehefa nilazan’ny olona fa marary ao ramatoa io dia tsy nisalasala i Jesoa fa nanasitrana azy: noraisiny ny tànany ary nanarina azy Izy. Fa saingy tsy ramatoa irery no nositraniny fa nisy olona maro hafa ihany koa.

Mizara roa mazava tsara ny Evanjely ary mizara roa toy izany ihany koa ny vontom-pampianarana aroson’ny Fiangonana ho antsika miainga amin’izany fibeazam-panahy kristianina izany. Ny fizarana voalohany dia io fanasitrana ataon’i Jesoa io ary ny faharoa kosa dia i Jesoa mandeha mitokana any amin’ny toerana mangina sady mivavaka. Marina dia marina fa miasa sy mizara ny fahasoavany ho antsika rehetra i Kristy eo anivon’ny Fiangonana sy ny Fivoriam-panahy ataontsika. Fa indrindra ihany koa, dia miditra sy mamangy ny tokatranontsika i Kristy ary dia manasitrana ny tsirairay amintsika. Ny fanasitranana tiako ho lazaina eto dia tsy hoe akory ny fanasitranana ara-nofo ihany fa ny fahasitranana amin’ny lafiny rehetra, indrindra aza moa ny aretim-panahintsika. Firifiry amin’ireo kristianina moa, firifiry amintsika no maharary anaty noho ny antony maro isan-karazany; noho ny tsy fahombiazana, noho ny tokatrano tsy milamina, noho ny mpivady mifanitsakitsaka, noho ny ray aman-dreny misara-panambadiana, noho ny zaza mamaly sy tsy mankato anatra, noho ny asa sy ny fidiram-bola tsy mandeha araka ny tokony ho izy sy izay rehetra tsy voatanisa. Izany rehetra izany dia miteraka ratram-po sy aretim-panahy sarotra sitranina. Fa soa ihany moa fa eo dia eo ny Fiangonana, toerana handehantsika mihaona amin’ny Tompo sy iandrandrantsika fanasitranana avy Aminy. Ataoko fa tsy mbola nisy diso làlana na ihany koa nipody tanam-polo izay niditra Fiangonana ka nitalaho mafy sy am-pinoana tamin’ny Tompo mba ho sitraniny; fa nahazo fanasitranana sy fanamaivanana avokoa. Inona fotsiny no hiantsoana Azy ho Tompo raha tsy hamaly vavaka. Fa misy ihany koa anefa ireo tsy afaka mamonjy Fiangonana. Dia ireo olona ireo no asaiko indray mba hampiantrano an’i Jesoa ao Aminy; ampandrosoy ao aminao i Kristy hanasitrana anao sy hanamaivana ny rofim-panahinao. Tsy ho sahin’i Kristy ny hanao tazan-davitra ny fahorianao sy izay aretina mandavo sy mandrendrika anao.

Ny fampianarana faharoa dia momba ny fomba fivavaka. Matetika moa rehefa hoe hivavaka dia miombona roa na telo dia avy eo manao tonom-bavaka na mihira sy ny toy izany. Tsy ratsy izany, fa misy koa fomba fivavaka hafa azo atao ary ampianarin’i Kristy: mitokana mangina. Asaiko ianao androany mba hanokana fotoana kely na dia minitra vitsy isan’andro mba hitokana kely dia hihaona amin’ny Tompo ary hiresaka Aminy eo. Ny mivavaka dia tsy hoe akory mitalaho sy mangataka amin’ny Tompo ihany fa tena vavaka ihany koa ny mba mihaino sy mampandry sofina amin’izay lazain’ny Tompo aminao. Tena vavaka ny manokana fotoana mangina amin’ny Tompo, tsy voatery hilaza zavatra betsaka Aminy fa fotsiny ihany milaza Aminy hoe “Inty aho Tompo, eto aho ho Anao”.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0352