Talenta samy araka ny fahaizany avy

Alahady Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Na dia tsy ao anatin'ny Evanjely apokaliptika tahaka ireo faheno amin'ny alahady mandavan-taona faram-parany toa izao aza ny Evanjely henontsika androany dia ahitana taratra ihany ny fiverenan'ny Tompo. Nandritra ny herinandro vitsivitsy tokoa izay dia mitantara ny fiverenan'ny Mpampakatra amboninahitra ny Evanjely. Ka amin'izany fotoana izany dia ho havahina ny vary sy ny tsiparifary, ny nanao ny tsara sy ny nanao ny ratsy. Omena ny valisoa sahaza azy ireo izay niaina tao anaty fahamarinana fa hofaizina kosa ireo izay nampitondra faisana ny hafa.

Koa na tsy mivantana loatra aza, dia mbola ao anatin'izany sokajin-dahatsoratra izany ihany ity fanoharana mikasika ny talenta ity. Omena talenta ny tsirairay, talenta sahaza azy, ka rehefa tonga ny farany, miverina ny Tompony dia takiana aminy izay nataony tamin'ny talenta nomena azy. Dia henontsika ny tantara fa ilay iray farany, izay natahotra ny tompony, dia tsy nampitombo ny talenta azony ka nariana tany amin'ny maizina. Mety mahalasa ny eritreritsika tokoa ny mikasika ity mpanompo nariana tany amin'ny haizina ity. Inona ny tena helony?

Raha iverenantsika vakiana dia hitantsika fa tsy mitovy ny talenta nomen'ny Tompony ireto mpanompo. Samy nomeny araka ny fahaizany avy izy ireo. Izany hoe efa fantatr'ilay Tompony fa talenta zakany sy azony karakaraina tsara ireo napetrany taminy ireo. Fantany hoe iza no tokony hanankinana betsaka sy hanankinana kelikely kokoa araka ny fahaizany avy. Koa ity mpanompo fahatelo ity dia tsy vitan'ny hoe tsy natoky tena fa tsy natoky ny Tompony ihany koa.

Andriamanitra tokoa raha mametraka iraka amintsika dia mahalala fa ho vitantsika ny iraka izay omeny. Tsy manome enta-mavesatra tsy ho zakantsika izy, na talenta, na adidy, na fahoriana, na fijaliana. Ny anjarantsika dia ny manefa ny adidintsika sy ny matoky azy.

Impiry tokoa isika no tsy mahasahy manao dingana iray, manahy sao ho tafintohina? Impiry no falifaly milamindamina amin'ny zava-misy ka tsy mahasahy mandray adidy lehibe kokoa? Fanahiana ny tsy hahomby, tahotra ny tsy hotafita. Kanefa Andriamanitra tsy manome antsika talenta izay hanimba antsika, ary tsy manome antsika adidy izay tsy ho vitantsika. Esory ary ny tahotra, matokia ny Tompo, avoahy sy ampitomboy ny talenta miafina ao anatintsika ao. Talenta hitia bebe kokoa, talenta hanampy ny hafa, talenta izay mampivoatra rahateo ny maha-kristianina antsika.

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0078 s.] - Hanohana anay