Raiso ny Fanahy Masina

Alahady Pentekoty

Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Raiso ny Fanahy Masina” (Jn 20, 19-23)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Voalohany indrindra aloha dia miarahaba antsika rehetra tsirairay tratran’ny Fankalazana ny Pantekôty; enga anie hanenika antsika tsirairay avy, amin’izay ataontsika sy heveritsika rehetra ny Herin’ny Fanahy Masina, hanilo ary hitari-dàlana antsika amin’izay safidy sy fanapahan-kevitra rehetra, hankahery ary hanamafy ny herim-pontsika amin’izay adim-piainana atrehintsika tsirairay avy, hanazava ny saina hahatakatra izay mahasoa sy mahatsara ary hitarika ny lalantsika tsy hania fa hizotra ho amin’ny fahatsarana lalandava. Indro tokoa fa mankalaza  ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly sy ny Mpianatr’i Kristy isika amin’izao alahady faha efatran’ny volana mey izao. Andro lehibe izany satria andro ahatsiarovana fa mitoetra eo amintsika ary miara-monina amintsika isan’andro ny fahasoavan’ny Tompo; ka tsy irery isika na tsy hitantsika maso eo intsony aza i Kristy, tsy irery satria efa nomeny antsika ny Fanahiny hamonto ny atitsika manontolo mba tsy ho ny herintsika no hiasa fa ny herin’ny Tompo.

Ny Soratra Masina milaza amin’ny antsipiriany ny momba ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly fahiny dia tsy ny Evanjelin’ny Masindahy Joany loatra akory; nilaza fotsiny i Masindahy Joany Evanjelisita fa ny Tompo mihitsy no nanome an’io Fanahy io fa tsy hoe sanatria hevitra ataingina novoizin’ny mpianatra mba hahamanimanitra ny tantara izany fidinan’ny Fanahy Masina izany. “Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Raiso ny Fanahy Masina”: izany no ilazan’ny Evanjelista amintsika ny Tenin’i Jesoa rehefa nanome ny Fanahy Masina Izy, talohan’ny hiakarany any an-danitra. Tazonitsika io teny Fampanantenana io hanaporofoantsika fa tsy hoe eritreritra tsy tàna na fo tsy aritra te-hahazo ny Fanahy Masina fotsiny, ho hery manentana, no ilazan’ny fifandimbiasam-pinoana fa nahazo ny Fanahy Masina ny Apostoly. Ary tsy ireo ihany aza fa isika rehetra koa. Noho ny Teny Fampanantenana ifandovana ato amin’ny Fiangonana dia mahazo anjara tanteraka amin’izany fandraisana ny Fanahy Masina izany isika rehetra. Tsy misy very anjara ao amin’ny Fiangonana isika fa ny tsirairay mihitsy no mahazo anjara lova feno amin’izany Teny Fampanantenana ny Fanahy Masina nataon’i Kristy izany.

Fa inona kosa ary no tombotsoantsika mandray ny Fanahy Masina? Araka ny efa nolazaiko etsy ambony, ny boky mitantara ny Asan’ny Apostoly (2, 11) no milaza amin’ny antsipiriany momba io fidinan’ny Fanahy Masina io. Ny ilazany azy, rehefa nandray ny Fanahy Masina ireo Apostoly dia nanomboka niteny tamin’ny fiteny samihafa arakin’ny fiavian’ireo olona nanodidina azy. Azo sary antsaina fa fiteny samihafa izany no niresahan’izy ireo tamin’ireo vahiny tao an-tànana nisy azy ireo. Apostoly ireo nandray ny Fanahy Masina ireo. Ny azo andikana izany fahafahana miteny samihafa izany dia izao: izay rehetra mandray ny Fanahy Masina dia afaka mijoro ho Apostoly mafy fototra ary manana fahefana hisedra ny koltora isan-karazany. Ny Koltora no maha olona ny olona iray. Ny maha malagasy ahy dia ny koltorako malagasy; tsy ny volon-koditro na ny fitafiko loatra. Noho izany, ny asan’ny Fanahy Masina izany dia ny mamolavola ny maha-olona ahy ho afaka himbona amin’ny hafa ary hampiombona ahy amin’ny Fiangonana manontolo. Izany hoe, rehefa mandray ny Fanahy Masina aho dia ho Apostoly aloha voalohany indrindra fa ihany koa indrindra indrindra ho olon’ny Fiaraha-monina feno tanteraka, satria ny koltorako mihitsy no efa hipokan’ny Fanahy Masina. Noho izany, ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika dia ny fahasoavana ahafahantsika miatrika ny andavanandrom-piainantsika amin’ny maha olona manontolo, hisedra ny sarotra sy hanohitra ny tsy rariny ary ho vavolombelon’ny Fitiavan’Andriamanitra.

Mirary Pantekôty finaritra

Mompera Nary 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022