Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala anao Ray

Alahady Fahafito amin'ny Paka

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Vao avy nankalaza ny nampiakarana ny Tompo any an-danitra isika tamin’ny Alakamisy lasa teo. Efapolo andro sahady izay no nankalaza ny Paka isika; efapolo andron’ny Fandresen’ny Tompo ka nigohatsika ny fahasoavana isan-karazany andraisantsika anjara amin’izany Fandresena miezinezina izany. Afaka folo andro aorin’izany Fankalazantsika ny niakaran’ny Tompo izany no hankalazatsika indray ny Pantekoty na ny nidinan’ny Fanahy Masina. De eo anelanelan’ireo vanim-potoana lehibe amin’ny Fiangonana ireo ary isika izao. Dia manolotra ity Fiatombohan’ny Vavaka nataon’ny Tompo ity ny Fiangonana renintsika amin’ity alahady fahafito amin’ny Paka ity. Fiatombohana ihany hoy aho satria Vavaka mafonja sady feno mifono hevi-dàlina no entinin’ny toko faha fito ambin’ny folo manontolo ao amin’ny Evanjelin’i Masindahy Joany. Atsidiko ety am-piandohana ihany koa, mba hahazahoantsika bebe kokoa ny hevi-dàlina fonosin’ny Tenin’Andriamanitra amintsika, fa ity ampaham-bavaka ity dia mialohan’ny hirosoan’ny Tompo amin’ny fijaliana hitondrany fanavotana ny zanak’olombelona.

Efa voalazako tsilia-tsofina teo aloha fa “Vavaka” ity ataon’i Jesoa ity. Dia mety hanontany tena moa isika hoe “fa hay ve i Jesoa koa mba mivavaka”. Eny, nivavaka ihany koa Izy ary tena nivavaka tamin’ny Ray. Tsy hihambo hahalala ny antony nivavahany aho raha manao izao fifampizarana izao satria tsy hahatakatra na oviana na oviana izay hevitr’Andriamanitra. Fa ny azoko antoka dia hoe matoa i Jesoa nivavaka naharitra tahaka an’izao dia ao antony satria “hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao antony”. “Vorombola hono matin’inona? Avadibadiho fa ao feriny” hoy ny fahendren’ny Ntaolo razantsika. Ny antony voalohany nahatonga an’i Jesoa nivavaka dia satria Tiany ny Rainy; tiany Andriamanitra Rainy. Ny Vavaka manko tsy inona fa resaka sy tafa amin’izay akaikin’ny Fo indrindra. Noho izany, fanamafisam-pifankatiavana sy fifampitokisana eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ny Vavaka nataon’i Jesoa. Hisedra olana ary handalo fangirifiriana mafy Izy ka mba mamboraka ny ao am-pony amin’Ilay naniraka Azy. Ary indrindra, efa handao an’ireo notiaviny sy tia Azy Izy ka mba te-hametrapetraka eo am-pelatanan’Ilay Mpahary ny hoavin’ireo olona ireo; ny hoavintsika rehetra ankehitriny mihitsy aza moa e.

Fa ny azoko antoka ihany koa dia nivavaka i Jesoa satria te-hampianatra ahy Izy, te-hampianatra anao ihany koa. Fiteniny moa ilay hoe “raha Izaho izay lazainareo fa Tompo sy Mpampianatra aza manao an’izao, dia ianareo koa zany vao maika tokony hanao toy izao.” Dia izany mihitsy; raha Izy Ilay antsointsika sy ankalazaintsika ho Tompo tokoa aza moa mivavaka, dia isika ihany koa izany vao maika tokony hisikiponitra ary tokony hitozo hanao toy izany mafimafy kokoa hatrany. Mampianatra antsika hivavaka i Jesoa; mampianatra antsika hanankina amin’Andriamanitra izay hataotsika rehetra, mampianatra antsika hiresaka sy hitafa amin’Andriamanitra Ray amin’izay heveritsika sy ketrehintsika rehetra. Fa ny fampianarana ao anatin’izao ohatra omen’i Jesoa izao ihany koa dia ny fomba fivavahana ataotsika. Matetika aho, rehefa mivavaka dia izay ilaiko sy izay maha-may volotratra ahy ihany no tena resahako amin’ny Tompo; izay mahakasika ahy ihany no ivavahako fa ny sisa dia tsy asiako sira. Hay diso ny fomba fivavahako fa ny fivavahana tsara ihany koa dia ny mivavaka sy mangataka fahasoavana ho an’ny hafa. Samia ary mahereza amin’ny fivavahana mifanaraka amin’ny modely nomen’i Kristy antsika rehetra.

Mirary Alahady finaritra

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0568