Hozana any amin'ny avo indrindra

Alahadin'ny sampakazo

Mbola ao anatin'ny vanim-potoanan'ny Karemy tanteraka isika amin'izao fotoana izao, ary ity alahadin'ny sampankazo ity izay antsoina koa hoe alahadin'ny fijalian'ny Tompo no alahady mamarana azy mialohan'ny herin'andro masina. Ao anatin'ity alahadin'ny sampankazo ity no handrenesantsika ilay hoe "Hozana ho an'ny Zanak'i Davida! Hozana any amin'ny Avo indrindra", dia amin'ity alahadin'ny fijalian'ny Tompo ity koa no handrenesantsika ilay hoe "Homboy amin'ny hazo fijaliana izy!".

Izany tokoa ny alahady faran'ny Karemy, alahady mialoha ny Paka. Alahady sady hahatsiarovana ny nideràna ilay Zanak'i Davida niditra tao Jerosalema no alahady hahatsiarovana ny namantsihana azy tany ivelan'i Jerosalema.

Dia mametra-panontaniana isika rehefa vanin'andro tahaka izao hoe "Fa nahoana?". Nahoana no Tompo nanana ny heriny nandritra ireo famantarana sy fahagagana maro nataony tamin'ny vahoaka, eny hatramin'ny fananganana an'i Lazara tamin'ny maty (vakinteny tamin'ny heriny), no nanjary nakoraina sy nohelohina ho faty? Ka mety ho tonga amin'ny fakam-panahy izay nahalatsaka ny Jiosy tamin'izany nanao hoe "ny sasany novonjeny fa ny tenany kosa tsy hainy vonjena". Nahoana tokoa moa no tsy niantso ny anjeliny hiaro azy i Jesoa "ka hino azy ny olona"? Saingy i Jesoa ihany no mamaly azy amin'ny Evanjely anio hoe "Fa atao ahoana ary no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?". Ny fihevitr'Andriamanitra tokoa tsy fihevitry ny olombelona. Lalana hafa tanteraka no nentin'Andriamanitra Ray hamonjena antsika olombelona dia ny fanaporofoana amintsika fa resy ny fahafatesana izay atahorantsika indrindra, ka misy fiainana ao aorian'izany fahafatesana izany dia ilay fiainana mandrakizay hiarahantsika aminy raha mino isika.

Azon'Andriamanitra atao tokoa ny mampiseho fahagagana goavana hinoantsika ny fisiany, ary tsy efa nataony ve moa izany nefa nahoana no tsy mbola nino daholo ny olona rehetra? Tsy maintsy hisy hatrany ny hanaporofo fa tsy avy amin'Andriamanitra izany. Na ny antom-pivelomantsika isanandro aza dia efa fahagagana, saingy tsy maintsy mbola hisy ihany ny hiteny fa kisendrasendra izany. Ka mba ho marim-pototra ny finoantsika dia mila finoana feno faharesehan-dahatra. Finoana mivoatra sy mitombo tsikelikely vokatry ny fihaonantsika fahafantarantsika miandalana an'Andriamanitra. Finoana vokatry ny fitiavantsika an'Andriamanitra ka miteraka fitiavantsika ny olona manodidina antsika.

Dia miverina mijery ny fiainantsika amin'izao fotoana izao isika. Misy ireo miteny hoe eto Madagasikara no anisan'ny be mpino indrindra, nefa i Madagasikara no anisan'ny firenena mahantra indrindra... ka fintininy amin'ny hoe "Tsy ilaina noho izany ny fivavahana". Teny tokony ho tonga any ampon'ny Kristianina tsirairay izany. Mitondra mankaiza tokoa ho antsika ny finoana? Tena iainantsika tokoa ve ny fitiavana vokatry ny finoana? Fitiavana ny namana, ny mpiara-belona, ny tanindrazana? Raha toa ka tsy mitondra fampandrosoana ho an'ny firenentsika ny finoana dia tsy Andriamanitra velively no diso fa isika no tsy miaina araka ny tokony ho izy ny finoantsika. Tsy Andriamanitra izany no tsy misy na hoe tsy ilaina, fa ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra no tsy araka ny tokony ho izy intsony. 

Koa amin'izao ankatoky ny Paka izao dia isika no tokony ho vavolombelon'izany finoana izany, hampiseho amin'ny rehetra hoe miasa Andriamanitra. Miasa ao anatintsika izy, velona ao am-pontsika izy, mamafy fitiavana ao amintsika izy ka mipololotra tsy hay fefena ka mivoaka sy miparitaka ho an'ny hafa izany fitiavana izany. Ho hita taratra ety ivelany amin'ny fampandrosoana ny firenentsika noho izany ny maha kristianina antsika. Ka ho tahaka ilay kapiteny niambina an'i Jesoa tokoa ireo tsy mpino hanao hoe "tena zanak'Andriamanitra marina ianareo".

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083