Sambatra ny mahantra

Alahady Fahaefatra tsotra Mandavan-taona

Mandalo fotoan-tsarotra ny toekaren'ny firenena maro manerantany amin'izao fotoana izao vokatry ny aretina, ny ady, ny fahasimban'ny tontolo iainana. Mipàka any amin'ny fahefa-mividin'ny tokantrano tsirairay izany. Sahirana ny ray aman-dreny mitady izay hamelomana ny fianakaviana, ny sakafo hohanina sisa no tena vaindohan-draharaha satria mitady izay hivelomana sisa. Ao anatin'izany zava-misy izany indrindra isika no maheno an'ity evanjely androany ity : "Sambatra ny mahantra am-panahy, sambatra ny mitomany, sambatra izay noana, sambatra ny tia fihavanana."
Teny mandona fo tokoa izany, toa teny mandatsa raha tsy voadinika tsara. Kanefa tena izany mihitsy no ataon'ny Vaovao Mahafaly. Mandona ny saintsika sy ny fontsika, manaitra antsika hifoha ao anatin'ny torimason'ny fandrebireben'izao tontolo izao.
Voalohany indrindra dia tsy tokony hanao hitsin-dalana avy hatrany isika hoe tsy ny mahantra ara-bola sy amin-karena no resahin'i Jesoa eto. Na azo raisina aza izany dia mila tsapantsika koa fa tena nahita ny fahantrana i Jesoa. Olona tsotra izy ary ny olona manodidina azy teo amin'ny fiaraha-monina niainany dia betsaka ny mahantra raha tsy hijery fotsiny an'ireo olona tonga nositraniny sy nangataka vonjy taminy. Izany hoe fantatr'i Jesoa mihitsy izany fahantrana izany, ny fijaliana iainan'ny olona mahantra. Koa raha miteny hoe sambatra ny mahantra, ny malahelo, ny ampahoriana izy, dia ireo olona hitany ireo mihitsy no noresahany voalohany. Sambatra ianareo, hoy izy, satria hiala aminareo izao fahantranareo izao. Ireo olona ireo mihitsy izany no nomeny fampanantenana. Ny fahasambaran'ireo olona ireo, dia tsy noho izy ireo mahantra, fa noho izy ireo nanatona an'i Jesoa. Nitady an'i Jesoa izy ireo satria nahatsapa tsy fahampiana ka ao amin'i Jesoa no nitadiavany fahafenoana. Ary i Jesoa no lasa fahasambarany.
Ny fahantrana nolazain'i Jesoa mitarika fahasambarana eto izany dia ilay fahantrana mahatonga antsika hitodika amin'ny Tompo. Ny mahantra no manana toerana foana sy malalaka ao anatiny hidiran'ny Tompo. Fa raha fenon'ny harena, ny avonavona, ny fitiavan-tena ao anaty dia tsy hisy toerana ho azy Tompo intsony. Koa tsy ny fahantrana amin'ny fahantrana azy no tsara, fa ny fahantrana izay miteraka filàna ao anaty, filàna an'ilay Tompo mameno fahasoavana an'izay mitady azy.
Sambatra tokoa ny olona manaiky ny hahantra, tsy mitady izay tombontsoa ho an'ny tenany manokana, tsy variana miahy ny tenany. Koa na dia manana harena sy fahaizana aza izy ireo, na dia mahazo toerana ambony, dia entiny hanompoana ny hafa izany, hampiasainy manontolo ho fitiavana olona izany fa tsy hameno ny toerana tokony ho an'ny Tompo ao am-pony.

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086