Tompo ô, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao

Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

“Tompo ô, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao”. Izany no fangatahana nataon’ilay jiolahy niaraka nofantsihana tamin’i Jesoa teo Kalvery. Tsy fangatahana fe fangatahana fotsiny fa azo itarafana ny finoany sy ny fanantenany. Fiekem-pinoana feno no nataony mba ho ohatra ho ahy sy ho anao. Mino izy fa Mpanjaka i Kristy na dia miaraka fantsihana aminy eo amin’ny Hazofijaliana aza; ary manantena izy fa indray andro dia mba ho afaka handray anjara amin’izany Fanjakan’i Kristy izany.

Mpanjaka i Kristy. Ataoko fa tsy hisy handà izany isika rehetra; izaho aloha manaiky an’izany tanteraka. Mpanjaka Izy, na hisy handà an’izany aza. Ary Izy irery no ekeko ho Mpanjaka ambonin’ny mpanjaka rehetra. Tsy hitanisa intsony ny maha Mpanjaka an’i Kristy intsony isika eto amin’ity fifampizarana eto androany ity. Fa ny hataotsika dia ny handalina fohifohy ny amin’ny mba hahafahantsika mandray anjara amin’izany Fanjakana izany. Rehefa nahary antsika olombelona Andriamanitra, dia nohariany hitovy endrika Aminy sady nomeny ny fahafenoan-kasambarana rehetra. Fa saingy noho ny hambom-po te-hitovy Aminy dia misitaka Aminy amin’ny fanaovana izao karazana fahotana rehetra izao. Ka tsy Andriamanitra no mandao fa izaho sy ianao no manary tena. Saingy noho Andriamanitra be Fitiavana sady tsy mahafoy ahy sy ianao dia mbola omeny anjara hiverina amin’izany toetram-pahasambarana fototra izany. Dia indro i Kristy ilay fanalahidin’ny Fahasambarana mandrakizay. Fa natolony ny Ainy ho lafika hahazahoantsika arina handraisana izany Fahavelomana mandrakizay izany. Io faneken’i Kristy ho faty mba ho solo voina hahazahoantsika ny Famonjena mandrakizay io no maha Mpanjaka azy. Mpanjaka Izy satria nandresy ny fahafatesana; ary tsy notanany ho Azy irery izany fandreseny izany fa antsoiny handray anjara amin’izany fandresena izany koa izaho sy ianao.

Raha te-handray anjara amin’izany Fanjakan’i Kristy izany aho dia voalohany indrindra aloha dia manaiky amin’ny saiko manontolo, mino amin’ny fanahiko rehetra ary mankatò amin’ny foko tontolo fa Izy irery no Mpanjaka ary Izy irery no làlana hahazahoako miditra ao amin’ny Fanjakany. Tsy ny fanarahako anjambany izay lazain’ny pasitora Rakoto, na ny fitelemako am-bolony izay lazain’ny apôstôly Rametimety, na ny fandraisako anjambany izay tatasikan’ny Mompera Nary akory no ho antoka ho ahy handraisako ny lanitra. Tsy izany. Fa ny lakilé dia tokana: ny Finoako fa i Kristy no Mpanjaka ary amin’ny alalany irery ihany no hahazahoako ny lanitra. Tsy “tranon-takatra ka vitan’ny vava” anefa izany Finoako fa Mpanjaka izany i Kristy; fa tsy maintsy asehoko amin’ny fiainako sy ny fitondran-tenako manontolo mihitsy. Dia ny asako sy izay ataoko rehetra no tsy maintsy hiainako ny maha Mpanjaka Azy. Tsy hataoko ho fieboeboana anefa fa ho fiainana mangina sy feno fanetren-tena. Ao anatin’izany fiainana feno fiekena sy finoana manontolo izany no anandratako ny fivavahako rehefa injay iny aho ka mihaona amin’ny Tompo. Dia ho tsaroako ary hoventesiko ilay fangatahana feno finoana sy fanantenana nataon’ilay jiolahy hoe: “Tompo ô, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao”. Satria na izaho koa dia jiolahy; imbetsaka aho no nandika ny didin’Andriamanitra ary tsy ho voatanisako ny heloko eo anatrehan’ny Tompo. Rehefa hoany am-piangonana aho ka hivavaka dia hanaiky sy hankatò fa i Kristy no Mpanjaka ary ny fivavahana hataoko dia ny mba hanomezany ahy famindram-po ka hamohany ny varavaran’ny Fanjakany mba handraisako anjara amin’ny Fahasambarana mandrakizay.

 

Mirary alahady finaritra ary miarahaba anao tratrin’ny Taona vaovao ara-litorjika.

 

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086