Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?

Alahady Fahafito ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Tamin’ny Alahady heriny dia nambarantsika fa tena be fangorahana sy be fitiavana tokoa i Jesoa ka na faniriany aza ny hitokana any amin’ny tany mangingina dia tsy nisalasala izy nandray ireo vahoaka betsaka tonga nialoha lalana azy tamin’ny toerana izay nokasainy haleha niaraka tamin’ny mpianatra mba hiala sasatra kely. Tsy nandroaka azy ireo i Jesoa fa nangoraka ary nampianatra zavatra maro an’ireo vahoaka betsaka ireo rehefa nahita fa tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo. Mbola io fangorahana sy fitiavan’i Jesoa ny vahoaka betsaka nihaino azy io no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Raha ny Evanjely nosoratan’i Md Marka no nodinihintsika tamin’ny Alahady heriny dia ny ambaran’i Md Joany kosa no omen’ny Fiangonana antsika amin’izao Alahady Faha – 17 tsotra Mandavan-taona izao.

Voalazan’ity Evanjely androany ity tokoa fa « tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady, ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary. Dia niakatra tany an-tendrombohitra i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany » (Jo. 6, 1 – 4). Mazava ny ambaran’ity Evanjely ity fa vahoaka be no nanaraka an’i Jesoa, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary. Tsapan’ireto vahoaka ireto tokoa fa tena mpanasitrana ny aretina rehetra i Jesoa ka izany no nahatonga azy ireo nidododo nanaraka azy. Io Jesoa mpanasitrana ny aretina rehetra io no inoantsika ka mahatonga antsika ho Kristianina ihany koa. Tsy ny aretina ara-batana ihany fa ny aretina ara-panahy ihany koa izay mpahazo antsika matetika noho ny fahotana. Raha manantona azy isika ka mitalaho ny famindram-pony dia manasitrana antsika ihany koa izy amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana sy Fanosorana Marary, izay omen’ny Fiangonana antsika amin’ny alalan’ny Pretra sy ny Eveka dimbin’ny Apostoly.

Vakiteny I : 2 Mpanj. 4, 42 – 44

Tononkira : Sal. 144, 10 – 11. 15 – 16. 17 – 18

Vakiteny II : Efez. 4, 1 – 6

Evanjely : Jo. 6, 1 – 15

Tsy manasitrana fotsiny ihany anefa izy fa manome sakafo mahavelona ihany koa. Izany hoe, tena ny fiainantsika olombelona manontolo mihitsy no ahiany. Izany no nahatonga azy hangoraka ireto vahoaka maro be nanaraka azy ireto. Ambaran’ity Evanjely ity amintsika fa « efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody. Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo : “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?” Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany. Dia hoy i Filipo taminy : “Na dia mofona denie roanjato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory”. Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe: Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao? » (Jo. 6, 5 – 9).

Hitantsika mazava tsara eto fa na mahavita ny zava-drehetra aza i Jesoa ary fantany rahateo ny hataony dia nila hevitra mandrakariva tamin’ny mpianatra izy ka izany no nahatonga azy nilaza tamin’i Filipo nanao hoe : Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo ? Tsy nahita vaha olana homena azy anefa i Filipo fa ny mpianatra anankiray, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, no nilaza taminy hoe : Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao ? Tena sahiran-doha mafy tokoa ny mpianatra manoloana ny fangorahan’i Jesoa ireto vahoaka be ireto sy nanontany izay fomba hahafahana manome sakafo azy ireo. Mba hampisava ny tebitebin’izy ireo dia « hoy i Jesoa: “Asaovy mipetraka ny olona”. Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy. Dia nandray ny mofo i Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizarazara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaranany fo » (Jo. 6, 10 – 11).

Ity Evanjely ity moa dia efa fandrentsika matetika ka fantantsika tsara ny tohin’ny zava-niseho tamin’io fotoana nampitomboan’i Jesoa ny mofo dimy sy hazandrano roa io fa « rehefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany : “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very”. Dia nangoniny, ka nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana. Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe : “Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao”. Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra » (Jo. 6, 12 – 15). Tena fahagagana lehibe tokoa ity nataon’i Jesoa ity ka izany no nahatonga ny olona rehetra hino fa Izy tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao. Mazava ho azy fa raha tsy olon’Andriamanitra, izany hoe Mpaminany tsy ho afaka hanao fahagagana tahaka izao ka izany no ninoan’ny olona rehetra azy.

Mino ihany koa isika fa io Jesoa io no ilay Mpaminany lehibe nirahin’Andriamanitra Ray hamonjy antsika. Tahaka ny nataony tamin’ny fampitomboana ny mofo dimy sy hazandrano roa, dia manome sakafo mahavelona antsika ihany ko izy. Tsy mofo na hazandrano intsony no omeny fa ny Tenany mihitsy no natolony mba ho sakafo mitondra aina vaovao ho an’ny Fanahintsika amin’ny alalan’ny Eokaristia Masina izay raisintsika. Tamin’ny nampitomboany ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niangavy ny mpianatra izy mba hampipetraka ny olona sy hizarazara amin’izy ireo izany mofo sy hazandrano izany. Mbola niangavy ireo mpianatra ireo ihany koa izy mba hanangona ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy ho very. Ankehitriny dia ny Pretra sy ny Eveka izay dimpin’ny Apostoly no manohy ny famahanana ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankalazana ny Eokaristia sy ny fizarana ny Sakramenta isan-karazany.

Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 17 tsotra Mandavan-taona izao, mba ho maro ireo mamaly ny antson’Andriamanitra ho Pretra satria fantantsika tsara fa noho ny tsy fahapian’ny Pretra dia mbola maro no tsy afaka mandray an’i Jesoa sakafo mahavelona amin’ny toerana maro. Araka izany dia amim-pinoana hatrany no amerimberenantsika ny vavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra izay hitalahoana aminy mba hanomezany Pretra masina sy maro, hitory ny Evanjely sy hizara ny fahasoavany. Araka izany vavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra ataontsika izany dia tsy miandry fahagagana hilatsaka avy any an-danitra isika mba ho afaka hanana Pretra masina sy maro fa tsy maintsy eo afovoantsika, amin’ny fiangonantsika ary amin’ny fianankaviantsika no hifidian’Andriamanitra azy ireo ka tsy maintsy vonona ihany koa isika mba hahay hanampy, araky ny herintsika rehetra, ireo izay antsoin’i Jesoa ka manaraka Azy amin-kerim-po sy fitokiana.

Noho izany, raha eo anivon’ny fianankaviantsika no ifidian’Andriamanitra tovolahy iray hanao Pretra dia manana adidy ny mpianankavy hanohana azy amin’ny lafiny rehetra, indrindra amin’ny fanomezana azy tsodrano malalaka mba hahafahany mizotra hatramin’ny farany amin’ny famaliana io antson’Andriamanitra miatefa aminy io satria amin’ny alalan’ny Pretra iray dia vahoaka maro no afaka handray an’i Jesoa Eokaristia izay sakafo mamelona ny Fanahintsika ka mahatonga antsika ho voavonjy sy handova ny Fanjakan’ny lanitra rehefa ho avy ny andro hialantsika amin’ity tany fandalovana ity. Enga anie i Jesoa mangoraka sy mitia ny olona rehetra no hitari-dalana antsika amin’izany lalam-pamonjena izany.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093