Nangoraka ny fony nahita ireto olona marobe

Alahady Fahaenina ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

“Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka

ka nangoraka azy” (Mk 6, 30-34)

    

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Asa raha tsaroanao fa tamin’ny heriny toy izao isika dia namaky sy niaina ny ampahany mialoha ity andinin-tsoratra Masina ity. Nirahin’i Jesoa tsiroaroa hitety ny faritra manodidina ireo Apôstôly; nirahiny tsirairay mba hampianatra ny olona, hitory ny Vaovao Mahafaly fa ihany koa hanasitrana ireo marary maro be sy ireo azon’ny fanahy maloto. Tonga ary ny fe-potona hiverenan’izy ireo eo anatrehan’i Jesoa, Mpampianatra sy Mpaniraka indray; dia izay indrindra no vakiana sy iainantsika androany sy ity herinandro vaovao iainantsika ity. Mandroso sy mamahana fampianaram-pinoana roa goavana sy mafonja ho antsika androany ny Soratra Masina.

Tsy dia hoe moa zava-baovao loatra izany hoe manao tatitra izany rehefa misy zava-bita sy notanterahina; ka na tontosa an-tsakany sy andavany, na tsia, dia fanao ny manao tatitra amin’ny mpaniraka sy mpampanao. Nahavita ireo adidy nanirahana azy ireo Apôstôly hoa aho tery am-piandohana ka tonga eo anatrehan’i Jesoa indray hanao tatitra Aminy ny zava-bita sy izay niainana ary nosedrain’izy ireo tany am-panantontosana ny iraka tany ho any. Nony tonga teo anatrehan’i Jesoa izy ireo dia nasainy niala sasatra sy nitokana tany amin’ny toerana mangina. Eto indrindra no atolotran’ny Fiangonana antsika ny fampianaram-pinoana voalohany. Rehefa miala sasatra isika, amin’izay mety ho harerahana ara-batana sy ara-tsaina rehetra, dia ao amin’i Kristy no toerana tsara indrindra. Ary rahateo, Izy tsy niteny hoe “mandehana” fa hoy Izy: “Avia”. I Kristy mihitsy no manolotra ny toerany sy ny momba Azy rehetra mba ho fialantsika sasatra sy handraisantsika fiononana sy fialàna hetaheta. Ao amin’i Kritsy no misy ny Fitoniana feno tanteraka; ary tsy hoe zontsika fotsiny ny mianoka sy migoka izany Fitoniana izany fa Fanomezana avy amin’i Kristy. Eto ary dia, manentana antsika rehetra, indrindra amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao, mba hianoka ny Fiononana ao amin’i Kristy; izany hoe: Mitoetra miaraka Aminy fa tsy hoe mandao Azy indray amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao.

Ny Fampianarana faharoa dia ny momba ny maha-Mpiandry Ondry tsara an’i Kristy. Ny tapanay faharoa amin’ity ampahan’Evanjely ity dia maneho ny Fihetseham-pon’i Kristy manoloana ireo olona tonga nidodododo nitady Azy. Rehefa niala teo amin’ny toerana nisy Azy Izy sy ireo Apôstôly, dia nisy ihany ireo olona nanarangarana ny fiaingan’izy ireo. Ary nifampiresaka ireo olona ireo fa tsy eo intsony i Kristy. Dia niainga ny olona nitady Azy sy namonjy Azy tany amin’ny toerana nokasainy mba hialany sy ireo Apôstôly sasatra. Nangoraka ny fony nahita ireo olona maro be. Sahin’ny Mpanoratra ny Evanjely mihitsy moa ny nilaza fa “tahaka ny ondry tsy misy mpiahy” ireo olona ireo ary “nangoraka” noho izany i Kristy. Indraindray dia hadinontsika Kristianina ny maha-Mpiandry Ondry an’i Kristy; indraindray dia tsy azontsika veroka akory fa i Kristy no endrik’ilay Andriamanitra Ray. Tsy Andriamanitra mpanasazy sy mpanafay izay manao ratsy fotsiny akory ny Andriamanitsika fa indrindra indrindra aza dia Andriamanitra amin’ny Fitiavana sy ny Fangorahana ary ny Famindram-po. Rehefa mitady azy amin-pahatsorana sy amin-kalemem-panahy isika, dia manaiky ho hita Izy ary vonona mandrakariva ny handray antsika. Ny olana ary sakana izany matetika, dia satria isika olombelona be hambom-po, ka na hita izao aza fa tsy mahavita tena irery fa mila ny Tompo; na hita izao aza fa “ts’isy raha paré” raha tsy eo ny Tompo, dia mihizingizina ary tsy manaiky ny hikatsaka ny indrafo sy ny fanohanan’ny Tompo. Kanefa anie, rehefa tena efa am-bivitra, tsy ahitana fanafana intsony izay vao “dony aho ranaotra”. Samia mamisavisa…

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103