Raiso, ity no vatako… Ity no rako

Fankalazana ny Vatana Masin'i Kristy

Raiso, ity no vatako… Ity no rako, dia ny ran'ny fanekena vaovao

izay alatsaka ho an'ny maro” (Mt 14, 12-16. 22-26)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny Fiangonana Katolika amin’ity andro anio ity dia mankalaza ny Vatana aman-drà Masin’i Kristy Jesoa. Tsy zoviana aminao intsony ny tiana ho lazaina amin’izany; tsy inona tsy akory fa ny Eokaristia Masina. Ity Alahady androany ity no anamarihantsika manokana ny maha-zava-dehibe ny Eokaristia. Fa inona marina moa ny Eokaristia? Inona no dikany ary inona no lanjany eo amin’ny fiainantsika kristianina; eny fa na tsy kristianina ihany koa aza? Ilaina ve ny Eokaristia? Misy vokany manokana ve ary mitondra inona eo amin’ny fiainantsika ny Eokaristia? Izany no ampaham-panontaniana mipetraka amintsika ary manitikitika ny saintsika rehetra indraindray. Fanontaniana mila valiny matotra sady hentitra ireo satria miankina aman’aina ary manohitohina ny antom-pisiana mihitsy aza. Marina fa tsy hahavaly amin’ny antsipiriany an’ireo rehetra ireo isika fa na izany na tsy izany dia hifampizarantsika eto ny ambainday fototra mahakasika ny Eokaristia.

Mampianatra amintsika ny katesizy kely fahiny fa ny “Eokaritsia dia ny Sakramenta misy ny Vatana aman-dràn’i Kristy manontolo amin’ny endrikin’ny mofo sy ny divay”. Azo lazaina fa efa tena feno izany famaritana tranainy izany ary ireto teny ireto no tsy maintsy tazonina raha hamaritra ny atao hoe Eokaristia: Sakramenta, Vatana sy Rà, manontolo, endrika, mofo sy divay. Misy lanjany goavana avokoa ireo teny rehetra ireo ary ao anatin’ireo no ahazoana ny votoantiny laliny ny momba ny Eokaristia. Ny hany somambisamby kely amin’io famaritana fohy io, dia ny Fahasoavana raisina amin’ny Eokaristia; kanefa koa efa azo eritreretina sahady ao amin’ilay teny hoe Sakramenta.

Fitenintsika rehefa alahady, na andavanadro ihany moa, hilazana ny Eokaristia ny hoe “manao komonio” na ihany koa “komonio” tsotra izany. Ireo hevitra rehetra ireo no mifameno àry hahazahoantsika ny hevi-dalina fonosin’ny Eokaristia. Voalohany indrindra dia Sakramenta ny Eokaristia. Ny Sakramenta dia tsy inona tsy akory fa “Famantarana hita maso misy ny Fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra”. Famantarana hita maso ny Eokaristia; ary ao anatin’izany famantarana izany no mitoetra feno ny Fahasoavan’Andriamanitra. Tsy hitan’ny masom-batana ny fahasoavan’Andriamanitra fa ny masom-panahy ihany no mahita azy. Manaraka izany, ny Eokaristia dia Vatana aman-dran’ny Kristy manontolo. Sangisangy zary tenany, rehefa mandray ny Sakramentan’ny Eokaristia moa ny hoe, raha ampahany amin’ny hostia no raisiko dia tànany sa tongony? Izay mandray ny Eokaristia, na dia ampahany kely amin’ny hostia ihany aza dia efa mandray manontolo an’i Kristy; averiko ihany, mandray manontolo. Misy ny Vatana sy ny Rà Masina manontolon’i Kristy Jesoa ny Eokaristia, tsy ampahany na sombiny akory. Ny anehoana izany Vatana sy Rà Masina izany dia ny Mofo sy ny Divay. Eto indrindra no miverina ny tamberina sy ny tsiahy: tamberina mitampody amin’ny tantaram-pamonjena iray manontolo mihitsy; tsy tamin’ny andro namoronan’i Kristy ny Eokaristia ihany fa ny tantaram-pamonjena iray manontolo mihitsy, nanomboka hatrany amin’ny Adama sy Eva, mandalo eo amin-dry Moizy sy ny vahoaka nivoaka ny fanandevozana tany Ejipta, ny Paka vaovao nifampizaran’i Kristy tamin’ny Mpianany. Ny Mofo sy Divay no endrika “hita maso” isehoan’i Kristy amintsika. Hamaranako azy, ny Soa tovozina ao amin’ny Eokaristia dia ny “komonio” na ihany koa ny Fiombonana. Miombona aina amin’ny Kristy izay mandray ny Eokaristia ary tsy ny ainao mandray azy intsony no ivelomanao fa ny Ainy. Ny Eokaristia no “nofon-kena mitam-pihavanana” mampiray antsika amin’Andriamanitra; ka manana anjara sahady amin’ny fiainana mandrakizay izay mandray ny Eokaristia.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.137