Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo

Alahadin'ny Paka

Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo” (Jn 20, 1-9)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Voalohany indrindra aloha dia miarahaba antsika tsirairay avy tratran’ny Paka; enga anie i Kristy nitsangan-ko velona hanangana antsika rehetra alavon’ny fahotana sy adarabokin’ny fahosana ara-nofo sy ara-panahy. Izao fankalazana ny Paka izao no lohan’ny fankalazana rehetra mandritran’ny taona; ireo ezaka sy dingana rehetra atao sy iainana mandritran’ny taona dia hitsinjovana manokana izao andro lehibe amin’ny finoana izao. Tsy hiteny aho afa-tsy iny vanim-potoan’ny karemy niainana sy nandalovantsika teo iny; ireny ezaka sy siki-ponitra nataontsika rehetra ireny dia ny mba hahafahantsika mankalaza am-pahamiranana sy ankafaliana bebe kokoa izao Paka fandresen’i Kristy izao.

Raha ny filazan’i Masindahy Joany ny zava-misy nitranga tamin’izay maraina nahitana ny fasana nivoha izay dia tahaka an’izao:

Ary tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato. 2Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy. 3Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana, 4ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana. 5Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. 6Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, 7sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba fa nivalona nitokana terý. 8Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 9Fa tsy mbola fantatr'izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesoa”.

Mirafitra tsara ary voatanisa amin’ny antsipiriany mihitsy ny zavatra nitranga araka izao anoratan’i Masindahy Joany azy izao; voatanisany hatramin’ny madinika indrindra aza ary ireo fihetsika rehetra nataon’ireo olona voalaza ao ireo dia voatsiahiny hatramin’ny kely indrindra. Ireto hevitra vitsivitsy ireto no azo aroso, tsoahina avy amin’io filazan’i Masindahy Joany ny zava-nisy io. I Madelena no nahita sy nahalala voalohany fa tsy tao am-pasana intsony Kristy; vehivavy no nahita sy nahalala voalohany fa tafatsangana tamin’i maty i Kristy. Misy hevi-dàlina lehibe ambara amin’izany dia tsy inona akory fa ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Vaovao mahafaly ny ilazana fa nitsangana tamin’i maty i Kristy. Ny mampalahelo anefa, ary zavatra iaraha-mahalala izany fa ny tena mpilaza vaovao mampalahelo amin’ny alalan’ny tsaho sy ny fosafosa tsy mitondra soa dia ny vehivavy. Ny fampianarana ho amin’ny fahaiza-miaina kristianina ihany koa, azo tsoahina amin’ity Evanjely ity dia ny fahamaimain’ny fihetsika ataontsika manoloana trangam-pinoana iray. Matetika isika dia mirehidrehitra aoka izany rehefa misy fiaraha-mientana na asam-pinoana tokony hatao. Fa nony injay anefa ka tena hisedra tanteraka an’ilay asa sarotra amin’ny finoana amin’izay dia mihalangalana ary manarangarana ivelany fotsiny fa tsy tena sahy miditra an-tsehatra; dia miandry ny hafa izay noheverina aza fa tsy hanao na inona na inona. Fa na izany na tsy izany, aza hadino fa ao anatin’ireny halementsika ireny no isehoan’ny voninahitr’Andriamanitra; raha tsy nisy ny vehivavy lavaresaka dia tsy ho no tonga haingana tany amin’ny Apostoly ny vaovao mahafaly, raha tsy nisy ny olona maimay sy haingam-panao zavatra dia tsy ho tonga haingana teo amin’ny fasana ny vavolombelona nanambara fa nitsangana tokoa ny Tompo.

Mirary Paka sambatra ho antsika rehetra tsirairay.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027