Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
“Kivy tanteraka aho ary ketraka satria toa tsy mety avokoa izay ataoko. Mba miezaka aho, mba mioitra fa saingy arakarakin’ny iezahako no toa vao maika maha-mafy ny manjo ahy. Tsy hitako intsony izay haleha ary toa mihidy ho ahy avokoa izay tiako hombàna. Manana ny ilaiko aho ary tsy fadiranovana manao akory, fa saingy tsy faly aho ary tsy mandre hasambarana akory. Ary na faly aza aho dia marefo dia marefo ny hafaliako ary tsy tonga amin’ny hasambarana akory. Toa mitsingevana ny fiainako ary toa manara-drenirano fotsiny ny fisiako. Toa tsy hita fototra ny maha-izy ahy ary somambisamby tanteraka ny amin’ny hoaviko.” Izany no amintinako ny tenin’ilay zatovo niresaka tamiko afak’omaly. Ary tsaroako izy eto rehefa nanomana izao fifampizarana izao aho. Fa inoako fa tsy izy irery no tojo olana tahaka an’izany fa ianao koa mety ho sedra an’izany. Na izaho koa aza dia efa nisedra an’izany làlana mangitsoka izany. Ny vahaolana ho antsika dia ity tenin’i Jesoa ity: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”.
Tenin’i Jesoa io rehefa nanafatrafatra ny mpianany Izy talohan’ny nirosoany tamin’ny famaranana ny tantaram-pamonjena antsika. Ampahany ihany tamin’ny Teniny fa saingy mahafeno ary mahadika ny tokony hiainantsika manoloana ny zava-misy lalovantsika eo amin’ny fiainana andavanandro. Saingy isika no be ahiahy sy mikatsaka làlan-kafa fa tsy manaraka izany; hany ka totoitra etsy, midona eroa, mijoboka eto, latsaka eroa. I Jesoa no Fahamarinana. Ny fiainantsika manontolo dia feno fikatsahana an’io marina io. Vao maraina vao mifoha dia izay Fahamarinana izay no mampangetaheta antsika; izay fahamarinana izay no mampangetaheta antsika. Ny valiny dia tsotra: i Jesoa no Fahamarinana. Tsy zavatra hita maso, tsy ao amin’ny fiainana ara-materialy no ahitantsika ny marina fa ao amin’ny Tompo irery ihany. Izy no Marina. Matoa aho mianatra, matoa ianao mitaky ny zonao amin’izay ataonao rehetra dia satria te-hahazo ny Marina. Saingy tsy ao anatin’ny hita maso iainantsika hoy aho ny Marina. I Jesoa no Marina, ao Aminy ny Marina mampangetaheta antsika. Raha te-hahalala ny Marina momba ny antony mampifamaly anao amin’ilay olona akaikin’ny fonao ianao dia “Tsarao” amin’i Jesoa ny ataony sy ny ataonao. Raha hitanao fa mifanaraka amin’i Kristy ny ataonao sy ny ataony, dia Marina izay. Raha tianao ho fantatra ny marina amin’ny tsy fahombiazanao eo amin’ny lafiny ara-pitadiavana ataonao dia “tsarao” amin’i Jesoa ny fomba fiasanao; raha mifanaraka Aminy dia izay no marina. Fa matoa mbola tsy mahomby sy mitarozaka dia aoka hazava aminao fa tsy mbola mifanaraka Aminy izy zay.
I Jesoa no Làlana. Iza moa isika no tsy maniry ny mba ho tafita sy mba ho tonga lavitra? Matoa aho mbola milolalola famindra, matoa aho mbola mijoboka etsy, midona eroa dia satria tsy mizotra ao Aminy ary tsy manaraka ny Azy ilay Làlana ho amin’ny fahombiazana sy ny fahasambarana. Matoa aho mbola latsaka amin’ny tsy fahamendrehana isan-tsokajiny dia satria tsy Izy no làlako fa làlan-kafa no izorako. Noho izay tsy fizorako Aminy izay no mahatonga ny fiainako ho tsy tena Fiainana. Ary na miaina aza aho dia tsy tena latsa-paka sy mafy fototra ny fiainako satria tsy mifototra ao Aminy. Matoa ny fiainako mbola malazolazo sy somambisamby hasambarana dia satria tsy Izy no iainako fa zava-kafa. Variana loatra amin’ny fiainan’ny nofo aho, hany ka tsy mandre maminy amin’ny fiainana ary tsy mety afa-po amin’izay ananako sy ivelomako. “Teny zato, Kabary arivo fa tokana ihany ny Marina” dia i Kristy ilay làlana sy fahamarinana ary fiainana. Sikino ary ny herim-po ary mahasahia mijoboka ao amin’i Kristy fa Izy irery ihany no antoka hahazahoantsika ny fahafenoana.
Mirary Alahady finaritra
Mompera Nary