Nandeha izy, nanasa ny masony, ka nahita indray

Alahady Fahaefatra amin'ny Karemy

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana amintsika mianakaby mba ho vatsim-panahy mandritra ity herinandro faha-efatra amin’ny Karemy ity dia milaza ny momba ny fanasitrana nataon’i Kristy an’ilay lehilahy teraka jamba. Raha ny fanoritsoritan’ny Masindahy Joany ny zava-misy sy ny fitantarany amintsika ny zava-nitranga dia toy ny manatri-maso mihitsy isika; satria voatantarany amin’ny antsipiriany ny fihetsika nataon’i Jesoa, ny fihetsik’ilay lehilahy jamba, ny filàna sotasota nataon’ireo farisiana, ny valitenin’ireo ray amandrenin’ilay jamba. Voatantaran’i Mpanoratra ny Evanjely amin’ny antsipiriany ny fizotran’ilay fanasitrana. Raha fintinina kosa dia izao: nasian’i Jesoa feta-tany nataony tamin’ny rora ny mason’ilay jamba. Nampangain’ny farisianina ho olona mpanohitra ny finoana jody ilay lehilahy fa nanaiky ho sitranina amin’ny andro sabata. Nanamafy ny finoany ary nanao fiekem-pinoana tamin’i Jesoa ilay lehilahy jamba fa Izy no Zanak’Andriamanitra.

Azo tsoahina amin’ireo fehezanteny telo namintinana ny zava-mitranga ireo ny fampianaram-pinoana tian’ny Fiangonana hiainantsika amin’ity herinandro ity. Ny voalohany dia ny momba ny hanantonantsika an’i Kristy hahazahoantsika ny fahasitranana. Ny fahajambana tian’ny Evanjely hambara etoana amintsika anefa dia tsy ilay fahajambana ara-nofo loatra fa ilay fahajambana ara-panahy. Raha tiantsika ny hahita ny mazava eo amin’ny andavanandrom-piainantsika dia ny fanafody voalohany dia ny manatona an’i Kristy ary mandray ny fanasitranana avy Aminy. Izay manatona mila vonjy Aminy dia azo antoka fa ho sitrana ary hahita ny mazava indray. Impiry moa aho no mandalo haizina mitakiky ny fiainako; tsy hitako ny làlan-kombana ary miraparapa toy ny jamba aho. Fa rehefa manatona an’i Kristy kosa anefa dia mahiratra indray aho ary mahatsiaro ho maivamaivana; misokatra indray ny lanitro ary mazava izay diaviko rehetra.

Ny fampianarana faharoa dia ny momba ny fifandraisantsika eo anatrehan’ny lalàna sy ny mety ho fiovan’ny olona iray manoloana ny fiainany taloha. Efa hatramin’izay mihitsy io tsy fahazakana fiovana eo amin’ny olona hafa io. Raha olon-dratsy i Rabe ka niova fo ary niala tamin’ny haratsiam-piainany lavitrin’ny mazava niainany taloha dia tsy zakako mihitsy. Dia ilako vaniny ary itadiavako sotasota samihafa izy mba hahafahako miampanga azy eo anatrehan’ny lalàna sy hahaketraka azy indray. Tsy zakan’ny fo feno fialonana sy fitiavam-boninahitra mihitsy ny mahita ny olona iray miverina mahita ny mazava indray eo amin’ny fiainany. Zava-misy ihany koa ny mametraka ny olona ho voagejan’ny lalàna na dia efa misokatra hoazy izao aza ny mazava sy ny marina. Matetika izahay pretra sy mpitondra fivavahana no alaim-panahy hanakiana ny kristianina sy ny mpino nahazo fahazavam-panahy tamin’olon-kafa ivelan’ny finoana misy anay. Handray ohatra aho: tsy zakako ny nandre an’ilay ramatoa anankiray rehefa nilazany aho fa nahazo fahazavam-panahy izy rehefa namonjy ilay fiaraha-mivavaka tamin’ilay vondrom-bavaka amin’ny fiangonana anankiray. Dia nilazako izy fa nandika ny fomba amam-panao satria tokony ho ao amin’ny fiangonanay ihany izy no tokony hiray petsapetsa.

Ny fampianarana fahatelo farany sady anisan’ny lehibe dia ny momba ny fiekem-pinoana. Ny finoako an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra no lakile hahazahoako ny Famonjena. I Kristy no Fahazavan’izao tontolo izao; koa raha tiako ny hahita ny mazava mandrakariva eo amin’ny fiainako dia Izy no ho hatoniko mandrakariva ary Izy irery no hiandrandrako ny famonjena ara-panahy. Izy no ho faniloko hitarika ahy ao anatin’ny haizim-piainako. Ianao koa, ekeo fa i Kristy no Fahazavana.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01