Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro

Alahady Fahatelo amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

“Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahainy sy ny anabaviny ary na ny ainy aza, dia tsy mendrika ho mpianatro”. Izany no tenin’i Jesoa, izany no tenin’ny Tompontsika; tsy ho an’ireo nanatri-maso ny fampianarany ihany tamin’izany andro izany fa ho ahy sy ho anao ihany koa. Dia izaho izao kristianina, ianao koa kristianina: dia vitanao ve izany? Efa mba nataonao ve? Asa, samia mamisavisa.

Toa mila voatsiary ny Tompo amintsika amin’izany hafatra ataony amiko sy aminao izany; toa mitady atsanga tsy aman’orana. Aiza no hahafoizako an’ny dadanay? Hataoko akory ny famoizana an’ny mamanay? De hataoko aiza i zandrinay lahy? Toa tsy ho vitako zany lazain’ny Tompo amiko izany.

Averiko ihany, rehefa niresaka sy nampianatra an’ireo olona nanodidina azy i Kristy dia mampiasa ohatra sy sarinteny mandrakariva. Ka ilaina dia ilaina ny fandalinana akaiky ny tiany ho lazainy mba tsy handray am-bolony izay tiany ho lazaina. Ny tiany ho lazaina eto dia ny hoe “raha toa ka”. Izany hoe: ohatra no lazainy. Raha ohatra ianao ka hanaraky Azy dia tsy maintsy ho tia Azy toy ny olona mahafoy ny dadany sy ny reniny. Ny tiany ho lazaina dia hoe rehefa manara-dia Azy ianao dia aoka ho “toy” ny olona mankahala ny rainy sy ny reniny; izany hoe ho tia Azy ambon’ireo olona tena tianao indrindra. Tiako ny zandriko, lalaiko ny ray aman-dreniko fa raha hanara-dia ny Tompo kosa aho dia tsy maintsy maneho amin’ny fiainako fa tiako ambony lavitra noho ireo olona akaikin’ny foko ireo Izy. Raha tena te-ho kristianina marina aho dia hametraka an’i Kristy ho olona voalohany amin’ny olona tiaviko sy lalaiko. Izany no tiany ho lazainy.

“Izay tia mahafoy ary izay tiana amoizana izay tsy foy” hoy ny fitenintsika. Tiako ny ray aman-dreniko fa sady nanabe ahy no nahitako masoandro ary lany mondrokery tamin’izay hahasoa ahy. Fa rehefa lalaiko kosa ilay olon-tiako anankiray dia tsy maintsy mahafoy ireo ray aman-dreniko ireo aho, tsy maintsy afoiko ireo nahitako masoandro ireo mba hahafahako mitia feno ilay nosafidiako ho tiavina mandra-maty. Tiako ny zandriko satria iray kibo nifonosana tamiko; fa rehefa hiombom-pitia amin’ilay ho lalaiko mandrakizay kosa aho dia tsy maintsy hahafoy ireo iray ra amiko ireo mba hahafahako mitia feno ilay nosafidiako tao anatin’ny maro. Izany no ohatra ara-pitia lazain’i Jesoa amintsika. Marina fa tiako ny ray aman-dreniko, mamiko ireo iray tam-po amiko. Fa mba hahafahako manam-porofo fa tiako tokoa ny Tompo dia tsy maintsy haneho amin’ny fiainako aho fa tiako lavitra ary lalaiko avo heny noho ireo olona akaikin’ny foko ireo i Kristy. Raha te-ho mpianany aho dia tsy maintsy mahafoy ny olon-tiako rehetra; izany hoe ho tia an’i Kristy ambonin’ny olona rehetra. Izany no fampianaran’i Kristy ho antsika.

Mora am-pitenenana izany hoe “tia an’i Kristy” izany; fa eo amin’ny fanatanterahana kosa de aleo lazaina mazava tsara ho haintsika rehetra fa sarotra, ary tena sarotra. Ny sarotra anefa tsy midika hoe tsy ho vita na tsy ho azo atao. Ka ezaka isan’andro, isan’ora no angatahan’i Kristy amintsika mba haha-tò an’izany fahafoizana ny olon-tiana izany mba ho fitiavana Azy. Eo indrindra no ilana ny fanohanana avy Aminy ka angatahana Aminy hoe “ampio aho, tantano am-pitiavana Jesoa o, fa raha ny heriko hiany dia ho kivy eny an-dàlana aho…”. Tsy vitan’ny mokon-doha ny fiainana maha-kristiana fa ilaina dia ilaina ny fanampian’ny Fahasoavan’ny Tompo hanamafy ny fitiavana Azy ambonin’ny olon-tiana rehetra.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086