Sorona Masina ny Alahady 08 novambra 2026

ALAHADY FAHA-32 mandavantaona — A

ITY TANY ITY FANDALOVAM-BAHINY

Tononkira fidirana

Sal. 87, 3

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin’ny antsoko, ry Tompo.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rehefa afa-doza ny fanahy amam-batanay, dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fahendrena

Fah. 6, 12-16

Mitsena ireo mitady azy ny Fahendrana.

Ny Fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana; mora mahita azy ny olona raha tia azy izy, ary mora mahazo azy raha mitady. Mitsena an’izay mitady azy izy, ary miseho aminy voalohany. Izay mifoha maraina koa hitady azy, tsy mananosarotra, fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany. Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary, ary ny miari-tory noho ny aminy, dia ho afaka ahiahy vetivety; mandeha mivezivezy atsy amin’ary izy mitady an’izay mendrika azy, miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana, ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 62. 2. 3-4. 5-6. 7-8

 

Fiv.: Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitra ô.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro! Vao maraina aho maniry Anao, mangetaheta Anao ny fanahiko, matimaty Anao ny nofoko: toy ny tany maina sy mangentana, toy ny tany haraka, mila rano!
Tao an-toeranao masina no nahitako Anao; tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao: ka ny molotro nidera Anao, fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!
Eny, hisaotra aho raha mbola velona; ny Anaranao hanandratako tanana: ka ny fanahy ho heni-tsoa, ny molotra hihoby, ny vava hidera.
Izaho mahatsiahy Anao eo am-pandriana, tontolo alina mihevitra Anao: fa notsenainao ny vonjinao aho, ka mibitaka alofan’ny elatrao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes, 4, 13-18 (lava) na 13-14 (fohy)

 

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana, tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo. Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa.

 

(eo no mijanona raha ny fohy no atao, tohizina raha ny lava)

 

Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory; fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha; raha efa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika. Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 25, 1-13

Inty tamy ny mpampakatra ka mandehana mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory. Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‘Inty tamy ny mpampakatra, mandehana mitsena azy ianareo’. Tamin’izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. Ary hoy ny adala tamin’ny hendry: ‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay’. Hoy ny navalin’ny hendry azy: ‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo’. Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay’. Fa hoy ny navaliny azy: ‘Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo’. Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny anarana hoe kristianina, dia tsy ampy hilazana fa mpomba an’i Kristy, fa tsy maintsy vonona hanaraka Azy lalandava ary na aiza na aiza. Koa angataho amin’Andriamanitra mba samy hanoina ny antson’ny Tompo avokoa ny olona rehetra ary ho vonona hanatanteraka izay angatahiny.

Valy: O, ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

* Mivavaha amin’Andriamanitra mba hanomezany fahendrena sy fahamalinana an’ireo rehetra manana adidy sy andraikitra amin’ny fampandrosoana ny Eglizy sy ny asa famonjena an’izao tontolo izao.
* Isan’alina dia mifandimby miari-tory ireo Relijiozy lahy sy vavy mpitoka-monina, fa izany no adidy nekeny antsitra-po mba hihainoana sy hamaliana an’Andriamanitra. Koa mivavaha mba hananany faharetana sy hafanam-po tsy lefy, eo am-panarahana izany lalan-tsarotra izany.
* Misy ny vehivavy mba maniry hanana tokantrano nefa tsy tanteraka, ao koa ireo niandrandra tokantrano mafana sy sambatra, nefa diso fanantenana, no sady tsy tiam-bady no tsy mba manana izay naloaky ny kibony; koa mivavaha mba hitondra fifaliana sy hasambarana ny fahafoizan-tenany manompo an’Andriamanitra sy mikarakara ny madinika.
* Fahavaratra aty amintsika ankehitriny, ary any amin’ny tany hafa amin’izao tontolo izao kosa, manomboka ny ririnina, ka maro ireo sahirana, koa mangataha mba samy homen’Andriamanitra herim-po sy fanantenana.
* Ny andro alahady dia tokony hamohafoha sy hamelombelona ny fahendrena kristianina sy ny fahamalinana, koa mangataha amin’Andriamanitra hanampy antsika ho vonona hikarakara izay mila vonjy mandritra ity herinandro ity.

 

— Azo ampiana izay ilaina eran-tany na eo an-toerana.

 

Ry Jesoa Tomponay ô, tsy mitsahatra ny miantso anay Ianao hanatona Anao, saingy izahay no sondrian-tory sy varimbariana; koa ampio amin’ny fahasoavanao ho vonona handray Anao amin’ny andro hanaovanao «haody» eo am-baravaranay.

Ianao velona sy manjaka, mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian’ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin’ny vilo-maitso aho, entiny amin’ny rano manala sasatra.

 

na hoe:

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin’ny fanomezana masina, koa mihanta aminao: enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0068