Sorona Masina ny Alarobia 07 oktobra 2026
Tononkira fidirana
Est. 13, 9. 10-11
Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra eo amin'ny habakabaka; Ianao no Tompon'izao tontolo izao.
Fangatahana
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon'ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin'izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin'ny fivavahana.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jônasa Mpaminany
Jônasa 4, 1-11
Ianao malahelo noho ny amin'ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, ary Izaho ve tsy mba halahelo noho ny amin'i Niniva, tanàna lehibe?
Nampalahelo mafy an'i Jônasa ny namindran'ny Tompo fo tamin'ny mponin'i Niniva, ka tezitra terý izy. Nanao fivavahana tamin'ny Tompo izy nanao hoe: “Indrisy, Tompo ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin'ny taniko. Koa izany no nandosirako ho any Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin'ny loza voalazanao. Koa ankehitriny, Tompo ô, esory amiko ny fanahiko, fa aleoko maty toy izay velona.” Fa hoy ny navalin'ny Tompo: “Mety va ny hatezeranao?”
Setriny
Salamo 85, 3. 4. 5-6. 9-10
Fiv.: Ianao, ry Tompo, mpamindra fo sy mpiantra.
Amindrao fo hatrany re, ry Tompo, fa Ianao no efa antsoiko isan'andro. Itý fanahiko asandratro aminao, dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo; he! tianao ireo matoky miantso Anao. Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy, izany antso sy talahoko reneso.
Ary ireo firenena arianao, ho tonga avokoa hiankohoka aminao, fa dia lehibe tokoa ny Anaranao, mahagaga raha ny asa vitanao.
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin'ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin'ny asany rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 11, 1-4
Ampianaro hivavaka izahay Tompo ô.
Tamin'izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: “Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran'i Joany ny mpianany.” Ary hoy Izy taminy: “Raha mivavaka ianareo manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan'andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay.”
Vavaka Fanolorana
Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.
Kômonio
Fitom. 3, 25
Tsara fo ny Tompo ho an'izay miantehitra aminy, ho an'ny fanahy mikatsaka Azy.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin'Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

