Sorona Masina ny Talata 06 oktobra 2026

Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11

Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra eo amin'ny habakabaka; Ianao no Tompon'izao tontolo izao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon'ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin'izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin'ny fivavahana.


Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Bokin'i Jônasa Mpaminany

Jôn. 3, 1-10

Niala tamin'ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva, ary namindra fo Andriamanitra.

Tonga tamin'i Jônasa fanindroany ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: “Mitsangàna ianao, mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao.” Dia nitsangana i Jônasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin'ny Tompo. Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, fa lalan-kateloana. Nanomboka niditra tao anatin'ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasa, ka nitory izy nanao hoe: “Rahefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!” Nino an'Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra. Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka, ka niala teo amin'ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny, mirakotra lasàka, ary nipetraka teo amin'ny lavenona. Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpifehy amin'izao teny izao: “Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano, na olona na biby, na omby aman'ondry; aoka samy hirakotra lasaka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin'Andriamanitra, samy hiala amin'ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon'ny tanany avy. Ndrao mba avy ihany izay hanenenan'Andriamanitra sy hitonen'ny hatezerany mirehitra, ka dia mba tsy haripany isika.”


Setriny

Salamo 129, 1-2. 3-4ab. 7-8

Fiv.: Raha mitsikilo heloka Ianao, Tompo ô, iza no hahatanty?

Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso. Tompo ô, henoy re 'zany feoko. Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy. He! fa mitoreo izato feoko.
Raha tsikilovinao irony heloka natao. Zovy re, ry Tompo, no haharitra? Saingy eo anilanao no ahitako famelana. Toky ho ahy Ianao ka dia toaviko.
Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo. Avotra lehibe ka ianteherana. Dia Izy no andrasan'i Israely hanavotra azy. Afaka tanteraka ny helony.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia. Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 10, 38-42

Nandray Azy tao an-tranony i Marta. I Maria no nifidy ny anjara tsara.

Tamin'izany andro izany, i Jesoa dia niditra tamin'ny vohitra anankiray, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony. Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; fa i Marta kosa sahirana tamin'ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: “Tompoko, tsy mampaninona Anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy.” Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy.”


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an'izay miantehitra aminy, ho an'ny fanahy mikatsaka Azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin'Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0071