Sorona Masina ny Zoma 02 oktobra 2026
Herinandro faha-26 mandavantaona
ZOMA
Tononkira fidirana
Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Fangatahana
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy... Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Bokin'i Baròka
Bar. 1, 15-22
Nanota teo anatrehan'ny Tompo isika: ary tsy nanaiky Azy.
An'ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana, antsika kosa ny henatra amin'ny tava, araka izao hita anio izao, ho an'ny lehilahy rehetra any Jodà, sy ny mponina any Jerosalema, ho an'ny mpanjakantsika sy ny mpifehy, ho an'ny mpisorontsika mbamin'ny mpaminany, sy ho an'ny razantsika. Nanota teo anatrehan'ny Tompo isika ary tsy nanaiky Azy. Tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitsika isika, tsy nanaraka ny didin'ny Tompo, izay navoakany teo anatrehantsika. Hatramin'ny andro nitondran'ny Tompo ny razantsika hiala tany amin'ny tany Ejipta ka mandraka ankehitriny, dia tsy nety hoentin'ny Tompo Andriamanitsika isika, sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony. Koa araka izay hita anio izao, dia zoin-doza lehibe isika sy azon'izay ozona notononin'ny Tompo, tamin'ny alalan'i Môizy mpanompony izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta, mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely. Tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitsika isika, araka ny teny rehetra nataon'ireo mpaminany, izay nirahiny nankatý amintsika. Dia nandeha isika, samy nanaraka ny fitongilanan'ny fony ratsy avy, mba hanompo andriamani-kafa, sy hanao ny ratsy eo imason'ny Tompo Andriamanitsika.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 78, 1-2. 3-5. 8-9
Fiv.: Afaho izahay, avelao ny otanay: noho ny Anaranao.
Andriamanitra ô, tongan'ireo firenena ny Lovanao! Nolotoiny ny Tempolinao Masina! Ary Jerosalema nataony korontam-bato! Ny fatin'ny mpanomponao nomeny ho sakafon'ny voro-manidina, ny nofon'ny mpivavaka aminao, natsipiny ho an'ny bibidia!
Ny rany nataony mandriaka toy ny rano manodidina an'i Jerosalema! Ary tsy misy mandevina!... Zary faneson'ny mpifanila aminay izahay, sy fanakora sy fandatsan'ireo manodidina! Mandra-pahoviana, ry Tompo, no hahaviniranao, sy hiredaredan'ny hasaro-piaronao?
Aza dia tsarovana hamelezana anay ireo helokay fahiny; ny indrafonao atsena anay faingana, fa reraka loatra izahay!
Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy, noho ny voninahitrao! Afaho izahay, araka ny otanay noho ny Anaranao!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 13-16
Izay manamavo Ahy, manamavo Izay naniraka Ahy.
Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: “Loza ho anao, ry Kôrôzaïna, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona. Noho izany, amin'ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin'i Tira sy Sidôna noho ny aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin'ny afobe ianao. Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.”
— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Sal. 118, 49-50
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

